Alarobia 21 Febroary 2024

Deoteronomia 11. 13-21

Ny bokin’ny Deoteronomia no anankiray amin’izay tena manizingizina ny amin’ny maha zava-dehibe ny fihainoana sy fankatoavana an’Andriamanitra. Mbola averiny sy ampitainy amintsika eto indray fa izay mihaino, mitia ary manompo an’Andriamanitra dia:

1. Tsy ho karankaina (and 14)

« Dia halatsako eo amin’ny taninareo ny ranonorana amin’ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonando ny varinao sy ny ranomboalobokao ary ny diloilonao ». Tombondahiny ho an’izay tia sy manompo an’Andriamanitra ary Mankato ny Teniny, ny fahazoana fiainana, ka voahevitra ny ara-nofo, mamokatra ny tany, sesehana ny fitahiana ka tsy mosarena. Tsy ny nofo ihany anefa, fa ny lafim-piainana manontolo mihitsy no indray voarakotra ao anatin’izany. Raha fintinina dia izao, ny fankatoavana an’Andriamanitra no loharanom-pitahiana; manana amby ampy ny mpankatò.

2. Tsy mivadika Aminy (and 16)

« Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo ». Mampitandrina Andriamanitra, fa sao raha voky fitahiana ny olona, dia mihevi-tena fa noho ny heriny na ny tanjany no nahazoany izany, ka hanadino an’ Andriamanitra fa lasa indray hanompo sampy. Fitahiana mantsy no karohin’ireny olona mandeha manompo sampy eran’ny vohitra samihafa ireny. Isika Kristiana kosa, mahalala tsara fa ny Andriamanitsika dia mitahy antsika olony mihaino sy Mankato ny didiny: ary mahatezitra an’Andriamanitra ny manao Azy ho toy ny tahom-boanjo.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny olona mbola manompo sampy ihany arak any hevitrao? Inona izany no tena tadiavin’ireny olona ireny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM