Talata 20 Febroary 2024

1 Jaona 5. 1-3

Jaona, izay antsoina koa hoe Apostolin’ny fitiavana no mitaona antsika anio hahatakatra fa Zanak’ Andriamanitra naterak’ Andriamanitra isika:

1. Raha mino fa i Jesoa no Kristy (and 1)

« Izay mino rehetra fa Jesoa no Kristy dia naterak Andriamanitra ». Fototra anakiray lehibe amin’ny finoana Kristiana ny fanekena fa i Jesoa no Kristy (grika) na Mesia (Hebreo), izay raha adika tsotra dia hoe ilay voahosotra. Tsy itoviantsika amin’ny Silamo, izay milaza fa i Jesoa dia mpaminany fotsiny, ary maha samihafa antsika amin’ny Jodaisma, izay tsy manaiky an’i Jesoa fa mbola miandry mesia hafa mihitsy mandrak’androany.

2. Raha tia izay naterak’Andriamanitra (and 1b, 2)

« Ary izay rehetra tia izay niteraka dia tia izay naterany koa » hoy i Jaona. Raha milaza ny olona fa tia an’ Andriamanitra dia tokony hahay mitia ny namany koa izy. lo fitiavana io dia sady toetran’ Andriamanitra no maha Izy azy koa. Mandainga hoy i Jaona izay milaza fa tia an’Andriamanitra, izay tsy hitany nefa tsy tia ny rahalahiny izay hitany sy miara-belona aminy isanandro (1 Jao 4. 20). Didin’i Jesoa ny hifankatiavana, (Jao 13. 34)! Mifankatiava!

3. Raha Tia Azy sy mitandrina ny Didiny (and 3)

« Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny ». Tsy resaka am-bava na tantaraina imolotra fotsiny izany fitiavana an’Andriamanitra izany, fa hita soritra sy iainana; ahasinkasin’ny apostolin’ny fitiavana mihitsy eto fa ny fanehoam-pitivana dia ny fitandremana ny didiny. Ny hevitry ny hoe tsy mavesatra ny didiny dia izao, amin’ny olona tia dia mandeha ho azy no hoe tsy hanao izay hampalahelo ny tiany!

Fanontaniana:

Ahoana no hamantaranao fa naterak’ Andriamanitra ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM