Alahady 18 Febroary 2024

Jakoba 2. 8-13

Mahitsy ny hafatra ampitain’i Jakoba:

1. Aza manavakavaka (and 9)

« Fa raha mizaha tavan’olona kosa ianareo dia manota ka helohin’ny lalàna ». Tsy mifanaraka amin’ny anarana maha Kristiana hoy i Jakoba ny fanavakavahana, na fanomezana tombondahiny ho an’ny mpanan-karena satria mahamena-maso izy, sy ny fanilikilihana sy fanamavoana ny mahantra satria heverina fa tsy misy antenaina aminy. Mifanohitra amin’ny didim-pitiavana, efa nambara tany amin’ny Testamenta Taloha ary nohamafisin’i Jesoa, ny amin’ny tokony hitiavana ny namana tahaka ny tena. Ny Tsy Kristiana aza mahay mifankatia sy tsy mifanilikilika, koa tsy henatra ho antsika va?

2. Aza mihatsaravelatsihy (and 10)

« Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray loha, dia meloka amin’izy rehetra ». Tsy ny sasan-tsasany amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina ihany no tokony hankatoavina fa izy manontolo. Ka na mitandrina fatratra ny lalàna rehetra aza kanefa tsy mahay mitia, dia meloka. Tandremo ary sao fotsy sy lava akanjo rehefa hitan’ny olona fa misy tandroka sy rambo amin’ny madinika, ka manao toetra tsy zaka sy mampalahelo azy ireny!

3. Aza mafy fo (and 13)

« Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy mamindra fo ». Taomin’i Jakoba isika hahatsiaro fa hitsarana antsika izay ataontsika rehetra, ary tsy misy ialana maina. Fa indrindra indrindra, araka izay natao no handraisana ny valin’asa ihany koa. Henoy ny fampianaran’ny Soratra Masina mitaona antsika hoe: « Aoka ianareo hiteny sy hanao izay mahamendrika anareo, izay olona hotsaraina » (and 12)

Fanontaniana:

Inona ary no tokony atao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM