Alarobia 07 Febroary 2024

1Mpanjaka 2. 1-4

Ny zanaka mitandrina ny didin’Andriamanitra

1-Ray aman-dreny mpitari-dalana

I Solomona no handimby an’i Davida ho mpanjakan’i Israely. Tanora i Solomona, mbola tanora fanahy ka mila toromarika mba hahazoany mitondra ny firenena. Sarotra ny fitondrana ny firenena, misy ny ady tsy maintsy atrehina. Tsy afaka mandeha amin’ny herin’ny tenany i Solomona fa mila ny hery sy ny fomban’Andriamanitra. Mila mijoro ho tena olon’Andriamanitra i Solomona, manaraka ny lalan’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didin’Andriamanitra. Efa niaina izany i Davida ka maneho ny maha-ray aman-dreny mitarika ny zanaka ho amin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra.

2-Ray aman-dreny mampahatsiaro ny fanekena

Manamafy hatrany i Davida fa ilay Andriamanitra nametraka azy teo amin’ny fanapahana ny zanak’i Israely dia nanao fanekena ny amin’ny haharetan’ny fanjakany mandrakizay. Antoka iray hahalavorary ny teny fampanantenana, ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Davida ny faneken’ny zanany mandimby azy eo amin’ny fanjakana handeha amin’ny lalana voasoritr’Andriamanitra sy hankatoa ny didiny rehetra. Tsarovy fa manana adidy mandrakariva ianao ray aman-dreny hampahatsiaro ny fanekena efa nataon’Andriamanitra taminao sy nataonao teo anatrehan’Andriamanitra mba hahatonga ny zanakao hitoetra amin’izany fanekena izany ka hanana ny tena fiainana avy amin’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Inona no andraikitra takian ‘Andriamanitra aminao amin’ny maha ray aman-dreny kristiana anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM