Talata 06 Febroary 2024

Matio 19. 16-19

Ny lalana tsara handovana fiainana

1- Mandraisa ny fampianaran’i Jesoa Kristy

Tsapan’ireo olona nifanerasera tamin’i Jesoa Kristy fa tena mpampianatra miavaka Izy, misy fahefana ny fampianarany. Resy lahatra ity tovolahy ity fa mpampianatra hanoro azy ny lalana marina, ny tsara tokony hataony i Jesoa Kristy mba ahazoany mandova ny fiainana mandrakizay. Ny olona rehetra maniry ny tena fiainana dia tokony hifanerasera amin’i Jesoa Kristy ilay Mpampianatra miavaka. Ho anao, raha maniry handova ny fiainana mandrakizay ianao dia mazotoa mandray ny fampianarana nataon’i Jesoa Kristy voasoratra ao amin’ny filazantsara. Ny fitandremanao ny fampianaran’i Jesoa Kristy no manoro anao ny làlana marina ho fiainana.

2-Manatanteraka ny didy nomen’ilay Tsara

Mihevitra ity lehilahy ity fa misy toetra tsara, na fanao tsara tokony ataony ahazoany ny fiainana mandrakizay. Mampahafantatra azy i Jesoa Kristy fa Andriamanitra irery no tsara (and. 17). Toetra mampiavaka an’ Andriamanitra sy ny didiny izany. Raha te-handova ny fiainana ny olona dia tokony hino fa misy Andriamanitra, ilay nanome ny didiny tokony iainan’ny olona rehetra. Miavaka sady tena tsara ny didin’Andriamanitra; mampifamatotra ny olona Aminy sy mampifandray ny olona samy olona, fototra mahalavorary ny tena fiainana. Noho izany mila fitandremana sy fankatoavana mba ahalavorary ny fiainan’ny olona.

Fanontaniana:

Fomba ahoana no entinao manatanteraka ny didin’Andriamanitra mba ahazoanao ny fiainana mandrakizay?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM