TETIKANDRO SAMIHAFA

Mpiandraikitra Foibe:

– Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe MF 06/SL XIX: 10-17 Aprily 2024

– Fivorian’ny mpiandraikitra Foibe MF 07/SL XIX: 16-23 Oktobra 2024

Zaikabe sy Fihaonamben’ny Samapana sy Sampanasa ary Asa:

DATYTOERANASAMPANA
25-26 JolayVatomandrySLK
31 Jolay – 03 AogositraRanomafana IfanadianaSVM
07-10 AogositraToliarySFL
12-14 SeptambraMorondavaSAMPATI
22-24 AogositraAntananarivoDorkasy
26-27 AogositraAntsirabeSTK
28-30 AogositraAntananarivoSAFIF
04-07 SeptambraNosy-BeSekoly Alahady
18-20 SeptambraAmbositraReninjaza Kristiana
06-08 NovambraAntananarivoAFF

Fanompoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM mianakavy sy ny taompiasana 2024:

  • Daty: Alahady 21 Janoary 2024 manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina
    (asa sy fampaherezana amin’ny 7 ora – 8 ora 30 maraina)
  • Toerana: Kianja TPM Ivato

Fanokafana ny fotoam-pambolen-kazo 2024:

Sabotsy 27 Janoary 2024 any Andanona Manjakandriana

Fihaonamben’ny Mpitandrina mivady

  • Toerana: Mahajanga
  • Daty: 14-18 Aogositra 2024

Vavaka sy fifadiana-kanina 2024:

  • Sabotsy 26 Janoary
  • Zoma 29 Martsa
  • Zoma 17 Mey
  • Zoma 20 Desambra

Alarobia 31 Janoary 2024

Asan’ny Apostoly 12. 19b-23

Andriamanitra mitsara ny manohitra Azy

1- Manohitra ny fanenjehana ny mpianany

« Ary…nisy anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy » (and. 23). Heroda dia mpanjaka nanenjika ny Fiangonana. Baikon’i Jesoa Kristy no nahatonga ny mpianatra nandeha nitory Filazantsara. Tsy nankasitraka izany anefa i Heroda, ka tonga hatramin’ny famonoana an’i Jakoba, rahalahin’i Jaona. Vokany, nosazin’ Andriamanitra ho faty izy. Araka izany, mananatra izay manam-pahefana ny Soratra Masina, fa heloka eo anatrehan’Andriamanitra ny fanenjehana ny Fiangonana sy ny mpianatr’i Kristy, ary mety mahafaty tampoka izany. Aza manohitra na manenjika ny Fiangonana fa tenan’i Kristy ety an-tany izany. Sarotiny amin’ny Fiangonany i Jesoa Kristy ka tsy maintsy manafay izay manenjika Azy.

2- Manafay ny mpiavonavona

« … ka dia nohanin’ny kankana izy ka maty. » (and. 23). Tamin’ny seho an-tsehatra nankalazana ny lalao fanomezam-boninahitra ny Amperora, no niakanjo ny akanjo maha mpanjaka azy Heroda, izay fotoana nahavory vahoaka maro tokoa. Tampoka teo, tratry ny aretina hafahafa izay naharovitra ny tsinainy i Heroda, ka maty. Naka ny voninahitra tokony ho an’ Andriamanitra tamin’ny niantsoan’ny vahoaka azy hoe « feon’ Andriamanitra izany fa tsy feon’olona ». Araka izany, aza manaiky hampitovin’olona amin’Andriamanitra fa heloka eo anatrehan’ Andriamanitra izany. Ary ny fanekenao hitovy amin’ Andriamanitra, dia midika ho fanoherana an’Andriamanitra sahady. Fadio ny miady ny voninahitra tokony homena an’Andriamanitra fa omeo voninahitra Izy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa.

Fanontaniana:

Inona mahatonga ny olona hiady voninahitra amin’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Talata 30 Janoary 2024

Lioka 4. 23-30

Jesoa Kristy Mpamonjy

1- Miasa amin’izay mino Azy

« Izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ny taninao koa. « (and. 23). Fantatra fa Jesoa Kristy dia lehibe tao Nazareta. Sarotra tamin’ireo fianakavin’i Jesoa sy ny mpiara-monina taminy ny nino ny maha Mesia Azy. Naniry ny hanaovan’i Jesoa fahagagana tahaka ny nataony tany Kapernaomy ny vahoaka tany Nazareta. Tsy nanao izany anefa i Jesoa satria tsy nino Azy izy ireo. Noho izany, izay rehetra te hahita fahagagana sy asa mahagaga avy amin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mino Azy aloha. Amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ihany no ahitana zava-mahagaga avy Aminy. Tsy azo terena hanao asa mahagaga i Jesoa, raha ilay olona maniry te-hahita izany tsy nino Azy akory. Ary izany no itaomana antsika hino an’i Jesoa Kristy mba hahitantsika ny asa mahagaga ataony.

2- Mamonjy izao tontolo izao

« Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin’ny synagoga, raha nandre izany, » (and. 28). Rehefa tsy nety nanao asa mahagaga tao Nazareta i Jesoa sady narahiny fanazavana miendrika fampianarana momba ny nataon’i Elia sy Elisa, dia tezitra izy ireo. Ary ny antony niteraka izany fahatezerana izany, dia ny fiheveran’ny vahoaka fa ny jentilisa indray no toa tian’i Jesoa mihoatra noho ny fianakaviany sy ny tanana niaviany. Ho antsika kosa, aoka ho tsaroana mandrakariva fa planin’ Andriamanitra ny hamonjy izao tontolo izao ka aza tezitra amin’izany. Ary maneke hihaino ny Tenin’Andriamanitra entin’i Jesoa Kristy. Aoka tsy ho ianao ihany no henoin’i Jesoa Kristy, nefa ianao tsy mba mihaino izay lazainy. Henoy ny Teniny, na dia mifanohitra amin’ny fisainanao aza.

Fanontaniana:

Inona ny fampianaran’i Jesoa no tsy tianao henoina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alatsinainy 29 Janoary 2024

Apokalypsy 4. 9-11

Ny olona manome voninahitra an’i Jesoa Kristy

1- Manompo Azy

« …dia hiankohoka eo anoloan’izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana ny loholona … «  (and. 10). Eto dia ny zava-manan’aina no nanome voninahitra an’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, dia Jesoa Kristy Mpanjaka izany. Ny zava-manan’aina dia ireo mponin’ny lanitra. Nanompo an’i Jesoa Kristy izy ireo, nivavaka tamin’i Jesoa Kristy. Modely amin’ny fomba fanomezam-boninahitra an’i Jesoa Kristy izany. Izay rehetra te-hanome voninahitra an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy miankohoka eo anatrehany. Ary ny fiankohofana amin’i Jesoa Kristy dia midika ho mivavaka Aminy. Izay rehetra mivavaka amin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy miankohoka eo anatrehany ihany koa. Koa omeo voninahitra i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fiankohofana sy ny fivavahana Aminy.

2- Manaiky ny fahefany

 » dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianana ka hanao hoe… » (and. 10). Ny dikan’ny andian-teny hoe « hanipy ny satro-boninahitra » dia midika ho fanekena fa Andriamanitra mendrika homem-boninahitra sy fiderana. Nataon’ny zava-manan’aina tamin’i Jesoa Kristy izany fihetsika izany. Midika izany fa i Jesoa Kristy, Izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana dia mendrika homem-boninahitra sy fiderana. Mariky ny fanekena ny fahefana ananan’i Jesoa Kristy izany. Koa amin’ny alalan’ny fiderana sy fanomezam-boninahitra an’i Jesoa Kristy ny fanehoana ny fahefana ananany, Izay rehetra milaza fa manaiky ny fahefan’i Jesoa Kristy, dia tsy maintsy manome voninahitra sy midera Azy. Koa maneke ny fahefan’i Kristy, omeo voninahitra Izy, derao Izy.

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba anomezanao voninahitra an’i Jesoa Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alahady 28 Janoary 2024

2Tantara 26. 14-21

Ny olona ampian’Andriamanitra

1- Mahita fahombiazana

« Ary niely lavitra ny lazan’i Ozia: fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy. » (and.15). Reheta tonga mpanjakan’i Joda i Ozia dia nandeha mahitsy teo anatrehan’i Jehovah, ary nampian’ Andriamanitra tamin’ny zavatra rehetra. Nandresy firenena maro izy satria nanana miaramila maro sy lehilahy mahery maro, nanao famorian-drano, nanana omby aman’ondry betsaka… Nandroso ny firenen’i Joda ka nampitolagaga ny maro. Araka izany, rehefa mandeha amin’ny fahitsiana eo anatrehan’ Andriamanitra ny olona, Andriamanitra kosa mitahy sy manambina azy. Ary izany no andrasana amin’ny mpino kristiana, dia ny handeha amin’ny fahitsiana eo amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy mba hahita fahombiazana amin’ny lafim-piainana rehetra.

2- Mitandrina amin’ny fiavonavonana

« Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin’i Jehovah… » (and.16). Rehefa nandresy firenena maro i Ozia mpanjaka ka nitombo laza sy harena dia « nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny ». Niditra amboletra tao amin’ny Tempoly nanao asa fisoronana izy, izay ny mpisorona ihany no mahazo manao izany. Na dia nananatra azy aza ny mpisorona maro, dia tsy nihaino izy. Vokany, nofaizin’i Jehovah izy ka tonga boka mandrapaha-fatiny. Koa tandremo sao mitombo laza vokatry ny fanampian’ Andriamanitra anao ka Andriamanitra indray no iavonavonana sy ivadihana. Loza eo amin’ny fiainanao izany. Matokia an’Andriamanitra mandrakariva, omeo voninahitra hatrany Izy, minoa an’i Jesoa Kristy dia hahita fiadanana sy fanambinana hatrany ianao.

Fanontaniana:

Milazà fihetsika miendrika fiavonavonana amin’ny Tompo.

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Sabotsy 27 Janoary 2024

Jaona 9. 1-7

Jesoa Kristy fahazavan’izao tontolo izao

1- Maneho ny asan’Andriamanitra

« Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy. » (and.3). Teo amin’ny firenena tatsinanana, ny aretina fahajambana dia mety ho avy amin’iray amin’ireto: avy amin’ny fahotana talohan’ny nahaterahana, avy amin’ny fahotan’ny ray aman-dreny, na koa avy amin’ny fifandraisan’ny ota sy ny aretina, Nodisoin’i Jesoa Kristy izany ka nambarany fa misy asan’Andriamanitra tiany haseho. Araka izany, tsy voatery hisy fifandraisany ny ota sy ny aretina, fa ny fisian’ireny kosa dia tranga fanararaotra ahazoana maneho ny fahasoavan’Andriamanitra. Noho izany, manoloana ny aretina sy ny olana mahazo ny olona dia tokony mitodika amin’ Andriamanitra izy, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia ho sitrana sy ho afaka amin’izay mangeja azy.

2- Mizara fahazavana

« Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra. » (and. 7) Rehefa avy nandrora tamin’ny tany i Jesoa Kristy, ka naniraka ilay jamba ho any amin’ny farihy Siloama hanasa ny masony, dia nanatanteraka avy hatrany ilay jamba. Izany fankatoavana ny Tenin’i Jesoa Kristy izany, dia midika sahady ho fananana finoana. Tsy ny fanaovana feta nahosotra tamin’ny mason’ny jamba no nampahiratra azy fa ny fankatoavany ny Tenin’i Jesoa Kristy. Araka izany, ao anatin’ny aretina sy ny olana mahazo anao dia araho izay ambaran’i Jesoa Kristy aminao, dia hahazo fanasitranana sy vahaolana amin’ny fiainanao ianao. Aza mitady fahagagana vao hankato ny Tenin’i Jesoa Kristy fa ankatoavy aloha ny Tenin’i Jesoa Kristy, dia hahita fahagagana sy handray famonjena avy Aminy ianao.

Fanontaniana:

Inona no sakana tsy ankatoavanao ny tenin’i Jesoa Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Zoma 26 Janoary 2024

2Tesaloniana 1. 1-10

Ny Fiangonana reharehan’ny mpitory filazantsara

1- Mitombo amin’ny finoana

« Satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra. » (and. 3). Ny teny hoe « mitombo » ampiasaina eto dia toy ny fitomboan’ny zava-maniry. Nidera ny fandrosoan’ny finoan’ny Kristiana tany Tesalonika i Paoly Apostoly na dia teo aza ny olana tao anatin’ny Fiangonana. Sady nitombo ara-pinoana ny Fiangonana tany Tesalonika no nitombo fifankatiavana ihany koa. Fianarana ho an’ny Fiangonana hafa koa izany. Araka izany, fifaliana ho an’ny mpitory Filazantsara ny fahitana ny finoan’ny Fiangonana, indrindra ny fitomboan’ny fifankatiavana. Mety misy ny olana sy ny tsy fitovian-kevitra ao anatin’ny Fiangonana; kanefa ny andrasana amin’ny Kristiana dia fitomboan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fifankatiavana.

2- Manàna faharetana

« …ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo » (and. 4). Niharan’ny fanenjehana ny Fiangonana tany Tesalonika. Ny fahoriana vokatry ny fanenjehana dia mariky ny fiombonana amin’i Jesoa Kristy. Nanoloana izany fanenjehana izany dia nivavaka ho azy ireo i Paoly Apostoly satria amin’ny alalan’ny finoana, ny fahatokian’ Andriamanitra, no mampaharitra ny mpino. Ary izany no nahatonga ny Fiangonana naharitra tamin’ny fanenjehana. Rehefa mitombo finoana ny mpino dia mitombo amin’ny faharetana ka lasa mpanompo mahatoky. Tsy voahozongozon’ny fanenjehana ny finoan’ny olona mahatoky an’i Jesoa Kristy. Ary ny fanenjehana aza dia fomba hitomboana ara-pinoana.

Fanontaniana :

Hatraiza ny faharetanao amin’ny fanenjehana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alakamisy 25 Janoary 2024

Eksodosy 33.12-23

Ny olona mahita fitia amin’Andriamanitra

1- Tarihin’Andriamanitra « Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho. » (and. 14). Valin’ny fangatahan’i Mosesy tamin Andriamanitra izany. Nangataka fitarihana avy tamin Andriamanitra i Mosesy. Nanome toky Andriamanitra fa ny « Tavany » no hitarika azy ireo. Ny « Tava » dia entina ilazana ny anjely izay nampanantenan’ Andriamanitra hatrany am-piandohana fa hitarika ny Zanak’Isiraely (23: 20. 21). Ary tsy hisaraka amin’i Mosesy io anjely io raha tsy efa vita ny iraka nampanaovina an’i Mosesy. Izany no fitsaharana. Noho izany, Andriamanitra no mitarika ny olom-boafidiny sy ny vahoakany. Fa ny andrasana amin’ny vahoaka kosa dia ny hankato ny fitarihany. Ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fanekena hotarihan’ny Fanahy Masina.

2- Mahita ny voninahitr’Andriamanitra

« Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona. » (and. 20). Nangataka ny hahita ny voninahitr Andriamanitra i Mosesy. Tsy navelan’ Andriamanitra hahita ny tavany i Mosesy. Fa ny nataon’Andriamanitra kosa dia rehefa mandalo ny voninahitr’Andriamanitra dia hafenina eo antsefaky ny harambato i Mosesy. Noho izany, tsy misy olona mahita ny tavan’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny asan’Andriamanitra no ahazoana mamantatra ny voninahitr’Andriamanitra. Ary amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy irery ihany no ahatsapana ny fanatrehan’ny voninahitr’Andriamanitra. Ka izay rehetra te hahita ny voninahitr’Andriamanitra dia mino an’i Jesoa Kristy. Minoa an’i Jesoa Kristy dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra.

Fanontaniana

Inona no mbola iandrasanao ny voninahitr ‘Andriamanitra?

Sampan,a Sekoly Alahady Foibe

ANDROM-BAVAKA SY FIFADIAN-KANINA

TAONA VAOVAO

26 Janoary 20249 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro

 « Miorena tsara aza miova » (IKor.15,58)

LEHIBE NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA

Tariteny

« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.  Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny… Ankino amin’i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.  Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao; Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao, » Jao. 4:24 ; 9:31 ; Ohb 16:3 ; 3: 56).

Hivavaka amin’Andriamanitra isika. Ny Foibe FJKM dia mitaona antsika vahoakan’Andriamanitra rehetra, hitodika amin’Andriamanitra amin’ny alalan’izao ANDROM-BAVAKA SY FIFADIAN-KANINA izao ho fisaorantsika an’Andriamanitra  sy hametrahantsika eo am-pelan-tanany ny taona vaovao 2024.

Indro atolotra antsika ny fandaharam-potoana :

  1. LITORJIA

FIDERANA SY FISAORANA NY TOMPO

 (09ora-10ora)

  1. Fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra

Hira : FFPM 746

Sal. 103

Vavaka Fiderana sy fisaorana ny Tompo noho ny tombon’andro sy ny asa vita rehetra

Sal. 34

Hira : FFPM 20

Vavaka Fiderana sy fisaorana noho fahafaha-manompo Azy

  • Sitrapon’Andriamanitra :

« Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Mitadiava an’i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.  Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak’Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.   Koa miverena amin’Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva. » AMEN  (Isaia 55:6 , Zef 2:3 ; Ezek. 18:30 ; Hos 12:7). « Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin’ny fo rehetra; » (Salamo 119: 1-2) »

  • Hira FFPM 408 « Jehovah Ray mahari-po »
  • Fiaiken-keloka
  • Vavaka fifonana
  • Hira FF.2 
  • Famelan-keloka :

« Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.  Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.  Fa ankehitriny, …, izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao,: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. » Isaia 46:4 ; 44:22 ; 43:1) VOAVELA NY HELOKAREO NOHO NY ANARANY MASINA ; Amena

« Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.  Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. » (Sal 32: 1-2)

Hira FFPM 487

  • Fanambaram-pinoana
  • Fanekem-pinoana Apostolika
  • Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
  • Hira FFPM
  • Vavaka
  • Vakiteny : MOFON’AINA : IITes1, 1-10
  • Hira 226 « Tompo ô, mba te hihaona »
  • Toriteny
  • Vavaka fangatahana « Rainay izay any an-danitra »
  1. FAMPIANARANA (10 ora – 12 ora )
  2. Hira Hira SaFiF 70 : « Ry Fanahy Masina ao ambony »
  3. Vavaka
  4. Fampianarana I :
  5. Hira FFPM.242 : « Misaotra anao izahay ry Ray »
  6. Vavaka
  7. Fanolorana laharana finday andraisana SMS
  8. Hira Hira Fanampiny 1 : « Mitsangana ianao ry mino »
  9. Vavaka
  10. Fampianarana II :
  11. Vavaka
  1. RAKITRA (12ora-12ora 05)
  2. Hira F.F. 26 : « Jesoa reharehako »
  3. Vavaka
  1. FANGATAHANA ( 12 ora 05 – 13 ora 00)
  • Hira 734 : « Zanahary ô tahio »
  • S.M. II Tant. 7 : 13,14 Vavaka ho an’ny firenena
  • S.M. Jak. 5 : 13 – 20 Vavaka ho an’ny fahasalam-bahoaka
  • S.M. Isa. 35 : 3 -10 Vavaka ho an’ny mila vojy
  • S.M. Gen. 17 : 1 -16 Vavaka fianakaviana

5- Mat.11,28 Vavaka ho an’ireo nandefa sms

  •  VAVAKA HO AN’NY FIANGONANA :  13 ora :00 –14ora 45))
  • Hira FFPM 283 : « Mananjara ry Jesosy »
  • S.M. II Tim. 1 : 8a ; Apo. 21 : 5 ; Rom. 8 : 28

Vavaka ho an’ny Filoha sy ny Biraon’ny mpiandraikitra foibe, Mpiandraikitra foibe,Filan-kevitra momba ny fandaminana fiangonana foibe, Filan-kevitra momba ny fandaminana mpitandrina foibe

  • S.M. II Kor. 5 : 15 ; Nah. 2 : 2 ; Rom. 15 : 18
  • Vavaka ho an’ny Sekretaria Jeneraly, Mpanampy ny sekretera jeneraly, Fandraharahana, Mpiambina, Mpamily, Mpanadio trano
  • Vavaka ho an’ny Sampan’asa momba ny fampandrosoana saf/fjkm, Komity fanorenana ny tsangambaton’ny maritiora (k.f.t.m), Tetikasa mfee, Asa fifandraisana sy fampahalalam-baovao (afifab) : Gazety marturia vavolombelona, Haino aman-jery,  Tranonkala (site web), Arofenitra
  • Vavaka ho an’ny Arsiva sy tranombakoka, Komitim-pirenena miady amin’ny vih/sida (kpms/fjkm), Komity momba ny loharanom-bola maharitra, Asa fandraharahana ara-baiboly (fb),Oniversity fjkm ravelojaona 
  • S.M. Lio ; 8 : 25 ; I kor. 1 : 23, 24
  • Vavaka ho an’ny Departemantan’ny Fiangonana (df) : Tonia, mpanampy ny tonia,  mpandraharaha
  • Vavaka ho an’ny Hetsika Jesoa Kristy ho an’i Madagasikara, Toeram-panomanana Mpitandrina : Komity Fampianarana Teolojika (kft), Faculte de Theologie Ambatonakanga (fta), Kolejy Teolojika Fianarantsoa (ktf), Kolejy Teolojika Ivato (kti), Kolejy Teolojika Mandritsara (ktm), Kolejy Teolojika Ambatondrazaka (kta)
  • Vavaka ho an’ny Sampana : Tanora Kristiana (stk),  Fifohazana (SaFiF), Lehilahy Kristiana (slk), Sekoly Alahady (ssa), Dorkasy (sd), Vokovoko Manga, Mpanazava sy Tily (SaMpaTi), Fivondronana Laika
  • Vavaka ho an’ny Sampanasa : Fikarohana sy Fandalinam-pinoana (ffp), Fitoriana ny Filazantsara (aff) ; Poste d’evangelisation
  • Vavaka ho an’ny Asa : Sekoly Fanomanana Laika (SeFaLa), Fiaraha-miaina amim-bavaka (mamre fjkm), Toeram-pamonjena zaza (topaza), Mahajery fandaharanasa miady amin’ny habokana, Aumonerie ; Komitin’ny foto-pinoana ; Vaomieran’ny Litorjia fjkm
  • Vavaka ho an’ny Biraon’ny mpiandraikitra foibe, Mpiandraikitra foibe,Filan-kevitra momba ny fandaminana fiangonana foibe, Filan-kevitra momba ny fandaminana mpitandrina foibe
  • S.M. I Tim. 3 : 5 ; Apo. 2 : 10
  • Vavaka ho an’ny Departemantan’ny Sekoly fjkm : Tonia / Tale nasionaly, Mpanampy ny tonia, Mpandraharaha, iraka, Filankevitry ny foibe fitondran-tsekoly fjkm (ffs), aumônier, Talem-paritra
  • Vavaka ho an’ny Biraon’ny filankevitry ny foibe fitondran-tsekoly FJKM, Fari-piadidiampampianarana (fpmp), Tetikasa mahay (fanabeazana mampiaty), Tetikasa ebmi, Institut de formation et de recherches pedagogiques (ifrp), Fanohanana ny sekoly protestanta (fasep), Projet alphabetisation FJKM et éducation des adultes, Oniversity Ravelojaona
  • S.M.  Isa. 21 : 11b ; Isa. 60 : 1b
  • Vavaka ho an’ny Departemantan’ny Mpiasa sy Vola (dmv): Tonia, Ny tomponandraikitry ny vola, Fandraharana ny vola, Fandraharana ny mpiasa, Mpandinimbola
  • Vavaka ho an’ny Fitantanana ny fananana FJKM (FiFa), Trano printy FJKM imarivolanitra (tp fjkm), Trano famoahamboky antso,  Fivatsy Ambatomanga, Aroriaka, Akany fialofana tangaina
  • Vavaka ho an’ny Komitin’ny mariboninahitra sy maripankasitrahana, Komitin’ny kitapo iombonana sekoly, Fikambanana tahiry fitsinjo (FiTaFi), Kofehy volamena, Vaomiera maharitra ao amin’ny departemantan’ny mpiasa sy ny vola
  • S.M. Mat. 5 : 14b ; Jao. 13 : 35b
  • Vavaka ho an’ny Synodamparitany miisa 38, Fitandremana, Fiangonana, vomm, Tobim-pifohazana, Biran’ny sp, Mpihevidraharaha, Komity lehibe, Mpandinimbola, Mpandraharaha, Filankevitra momba ny fandaminana mpitandrina, Filankevitra momba ny fandaminana fiangonana, Mpitandrina sy ny fitandremana entiny, Katekista delege sy ny fiangonana entiny, Katekista, Mpiandry, mpitoriteny, diakona sy loholona, Tale sy ny sekoly iadidiany, Sampana, Sampanasa, Asa
  • S.M. Rom. 1 : 17 ; Rom. 8 : 24
  • Vavaka ho an’ny Vondrom-piangonana sy fiangonana ifandraisan’ny FJKM: Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (Ffpm), Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (ffkm), Eklesia Episkopaly Malagasy (eem), Eglizy Katolika Romana (ekar), Eiangonana Loterana Malagasy (flm), Misiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara (metm); Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (fmbm), Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara
  • Vavaka ho an’ny Vondrom-piangonana sy fiangonana ifandraisan’ny FJKM: Communion Mondiale d’Eglises Reformees (cmer), Council for World Mission (cwm), Council for World Mission Africa Region, Conference des Eglises de toute l’Afrique (ceta), Communaute Evangelique d’Action Apostolique (cevaa), Conseil Œcumenique des Eglises (coe), Defap, DM-echange et mission, Presbyterian Church in the USA (pcusa), Quaker Peace and Service (qps), The Presbyterian Church in the Republic of Korea
  • FAMARANANA  (14ora 45 – 15ora)
  • Teny Fisaorana
  • Hira 428 : 1 , 3 : « Reko ‘zao ry Tompo »
  • Tsodrano : « Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesoa Kristy Tompontsika. » amen (Rom. 16:20 ; 1 Tes. 5:23)
  • Hira 427 : 3 : « Ho vavolombelonao »

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Amena