Sabotsy 25 Novambra 2023


Nomery 10.11-21


Manaraka ny toromarik’Andriamanitra…

«Ary tamin ‘ny andro faharoa-polo tamin’ volana faharoa … no niakaran’ny rahona niala teo ambonin’ny tabernakelin’ny vavolombelona. Dia niainga tany an-efitra Sinay ny Zanak’Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana, » (and. 11-12)
Ny ahafantarana ilay toro-marika eto dia ny fiaingan’ny rahona niala teo ambonin’ny tabernakely. Ny rahona dia mariky ny fanatrehan’Andriamanitra izay niaraka tamin’ny tabernakely.Niainga ny zanak’Israely ary Jehovah no nialoha làlana azy,narahan’ny fokon’i Joda izay lohalaharana. Tsy nijanona ela teo amin’ io toerana io ny zanak’ Israely ho any amin’ny tany Kanana ka nanohy ny diany teto.Isika no lsiraely vaovao ary isika izao no iantefan’ izany, ka avelao Andriamanitra no hialoha làlana hitari-dàlana. Izy no mahafantatra izay toetry ny làlana mbola hodiavina. ary Izy no mifidy izay aleha, mety ho làlana misy fahoriana io, fa misy fifaliana koa fa avelao lzy hanoro izay làlana tokony halehantsika. Mety hahatsiaro hasasarana isika eny an-dàlana, kanefa amin izany dia lzy no hitrotro sy handray an-tànana antsika, araka ny teniny hoe: «Na dia mandra-pahantitrareo aza dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka» (Isaia 46.4). Ny Tenin’Andriamanitra no sakafo mahavelona antsika ka raha sendra reraka an-dàlana tsy afa-manohy ny dia isika, vakio ny Teniny dia mahazo hery indray ianao, dia ho tonga amin’ny tanjona kendrena hatrany.
Fanontaniana :
Mety ho vitanao ihany ve ity dia ho any amin ‘ny fiainana mandrakizay ity? Nahoana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM