Alakamisy 23 Novambra 2023


I Timoty 4.11-16


Mila mijoro tsara ny mpanompon’Andriamanitra na
dia mbola tanora aza.


« Aoka tsy hisy olona hanao isinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao
amin ‘ny fiteny, amin’ny fitondrantena ,amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.» (and. 1 2)
Betsaka ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy hoy i Jesoa ao amin’i Lioka 10. 2a. Rehefa miantso olona hanao ny asany Andriamanitra, matetika dia olona ao anatin’ny fahatanorana no antsoiny. Amin’izany, raha tsy mitandrina, dia halaim-panahy hizotra amin’ny fiainan’ny tanora ao anatin’ny fiaraha-monina izy, noho ny fijerena ny ataon’ny hafa sy ny henatra na tahotra. Ny tanora izay nofidin’Andriamanitra no tokony ho fianarana ho an’ny hafa, amin’ny fahamatorana sy ny fahamaotinana ary ny
fahatsarana. Aoka hotsaroantsika tanora fa raha misy tanora iray mijoro tsara, miaina araka sitrapon’ Andriamanitra, miaina ny fiainana mampiavaka ny Kristiana dia omen’ny olona haja ary lasa fitaratry ny tanora namany. Noho izany, tsy ilaina ary tsy tokony hanandevo ny henatra .Aza mizotra amin’ny faharatsiana mandavo ny tanora.Tsara be ho an’ireo tanora izay nantsoin’ny Tompo hanao asany ity tenin’i Paoly tamin’i Timoty ity. Mila manaiky ny fiantsoan’i Jesoa Kristy isika mba ho vavolombelona (Jer 1. 5). Miomàna hitsena ny fiavian’ny Tompo ka ekeo ny antsony, meteza hiaina araka sitrapon’ Andriamanitra ka hitaona namana ho ao amin’ny fanjakany. Tanteraho ny fanompoanao!
Fanontaniana :

Ekenao ve ny fahamarinan ‘ny hoe: tsy hajain ‘ny olona rehefa tsy mahay manaja tena?
Sampana Sekoly ALAHADY FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM