Talata 21 Novambra 2023


Asan’ny Apostoly 3.17-21


Ny Fibebahana dia fiverenana amin’Andriamanitra sy fialana amin’ny fahotana (and 19a)
Taomina hiverina amin’Andriamanitra ny Jiosy izay mihaino izao toriteny izao satria namono an’i Jesoa Kristy. Misy ireo nanao antso ny mba hanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana, misy ireo nitazana, na tsy namono mivantana aza dia efa nankasitraka izany famonoana Azy izany. Niombona heloka tamin’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy ny Jiosy rehetra. Ambaran’i Petera eto amin’ity toriteny ity, fa Jesoa Kristy izay novonoin’ izy ireo, na dia maty aza dia nitsangana tamin’ny maty, nandresy ny fahafatesana. Izy no anton’ny fanasitranana ilay lehilahy nalemy tongotra. Menatra izy ireo satria enjehin’ny eritreritra hoe : hanao valifaty aminy i Jesoa Kristy raha manan-kery be toy izany. Efa namono olona, nandika ny sitrapon’Andriamanitra kanefa anehoana fitiavana sy famindrampo.

Ankehitriny, taomina hibebaka izy ireo.
Asain’i Petera mibebaka izy ireo sy hiala amin’ny fahotana, mba hitondra azy ireo amin’ny famelombelomana ny fanenjehan’ny eritreritra . Taomina ho amin’ny firaisana amin’ Andriamanitra izy ireo, araka izay ambara ao amin’ny Hosea 6. 3 hoe: «Dia aoka hahalala, eny aoka hiezaka hahalala an ‘i Jehovah isika, mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, fa ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra izy, sy toy ny faraorana izay mahavonto ny tany». Raha manaiky ny antson’ny Tompo ny olona ka mibebaka miala amin’ny fahotana, dia hisitraka ny famindrampon’ Andriamanitra mandrakariva, ho afaka hitsena ny fiavian’ny Tompo amin’ny fifaliana.
Fanontaniana :

Efa nahatsiaro fangaihaizana ve isika fony nanota ka niverina taminy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM