Alatsinainy 20 Novambra 2023

Jakoba 5. 7-12

Mila atao an-tsaina ny faharetana.

1- Satria tsy azo hafainganina ny fotoana (and 7)

Na inona na inona fahamaizana, tsy azo hafainganina ny fahavokaran’ny fambolena. Efa manana ny fotoana napetrany ny mpamorona ny amin’ny fahamasahany. Toy izany koa ny fiandrasana ny vokatry ny voa izay afafintsika kristiana: tsy maintsy miandry ny fotoana voalahatry ny Tompo isika. Hoy ny Jakoba 1. 3 – 4 : « ...satria fantatro fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona». Noho izany dia aoka hanana faharetana, miorena tsara amin’ny finoana eo amin’ny fotoana iandrasantsika ny fiavian’ny Tompo indray.

2- Ka tsy tokony hifanome tsiny (and 9)

Rehefa misy toe-javatra tsy mety, na tsy mifanaraka amin’izay heverina ho mety eo amin’ny fiainana, dia miseho ny fimonomononana sy ny fifanomezan-tsiny. Izany toe-tsaina izany dia miteraka fahasimbana ara-tsaina sy ara-panahy eo amin’ilay mpanome tsiny sy izay omena tsiny. Manoloana ny toe-javatra samihafa mitranga ry havana, aoka haharitra amin’ny fanantenana ka tsy hifanome tsiny satria tsy misy olona izay tsy diso. «Fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra» (Rom 3. 23). Miandry indray ny fiavian’ny Tompo isika, ialao lavitry ny fiainana maha- kristiana ny fifanomezan-tsiny ,fifampimonomononana…
Fanontaniana:
Raha tsy mety tsara ny fiainanao, iza no heverinao ho tompon’andraikitra tamin’izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2023

Desambra: Ankalazao ny Mpamonjy

| | 03. Advento I
1 Tan. 16:4-14 / Jao. 17:1-5 / Asa. 3:44-48

| | 10. Advento II - Sampana Sekoly Alahady
Sal. 8:1-9 / Mat. 21:15-17 / Heb. 2:10-18

| | 17. Advento III
2 Sam. 22:47-51 / Mat. 5:13-16 / Rom. 15:7-12

| | 24. Advento IV
Sal. 113:1-9 / Lio. 1:46-56 / Rom. 11:33-36