Sabotsy 18 Novambra 2023


2 Timoty 1. 6– 14


Ny Fanahy Masina dia

1- Manome herim-po hijoroana ho vavolombelona (and 7,8)
Ny Fanahy Masina izay noraisin’i Timoty tamin’ny fametrahan-tànan’ny loholona dia mahery ka manome herim-po ho azy.Manjary manam-pitiavana, fahononam-po izy ka sahy ny mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Ny hoe : mijoro vavolombelona amin’izany dia sahy misedra ny fanenjehana mivaivay izay mety
hihatra aman’aina. Ankehitriny kosa, ny mpino manana ny Fanahy Masina sy tarihin’ny Fanahy Masina dia manana fahasahiana handresy ireo fakam-panahy sy ny eso ary ny latsa. Afaka mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy ny olona manana sy tarihin’ny Fanahy Masina.

2- Manome hery hahazakana sedra (and 12)
Raha mitaraina i Paoly Apostoly eto dia tsy hoe kivy, fa te-haneho kosa fa ampijaliana izy noho ny fitoriany ny Filazantsara .Na dia izany aza dia mbola tsy fay, tsy nihemotra fa mbola manohy ny fanompoany ihany na dia migadra aza, satria ny Tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. Tsy afaka mizaka izany fijaliana izany ny olona raha tsy noho ny herin’ny Fanahy Masina. Afo Izy ka manome hafanana ny fo mangatsiaka, ka tsy mety kivy ny Kristiana raha mbola manana Azy.

Fanontaniana :
Nahoana no afaka mijoro ho vavolombelona ny mpino manana ny Fanahy Masina?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM