Talata 14 Novambra 2023

2 Timoty 4.1-5

Ho avy ny Tompo!

Koa torio ny Teniny

fanafatrafarana mafy no nataon’i Paoly amin’i Timoty eto, dia ny hitory ny Tenin’Andriamanitra ka hazoto amin’izany na handrav ny olona na tsy handray. Izany hafatry ny Tompo izany dia tena natokany ho anao izay mila famonjena. Tena miala nenina aminao Andriamanitra koa araraoty ny fotoana handrenesanao izany fa fiainana ho anao. Hoy i Jesoa: « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin ‘ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy» (Jao 5.24)

Koa raiso ny Teny marina .

Ny fotoana ankehitriny dia tsy ahazakan’ny olona maro ny Tenin’Andriamanitra, satria manala azy amin’ny fahazaran-dratsy izay mahatamana azy ireo. lzy ireny ihany no mamory mpampianatra ho azy araka ny filàny hoy i Paoly eto. Raha vao fampianarana mahakitikitika ny tombontsoa sy manala azy amin’ny fahafinaretany dia tsy tiany. Asain’ Andriamanitra miaritra fahoriana isika eo amin’ny fanarahana ny fahamarinana. Satria misy voka-tsoa sy tsara ho antsika izany. Tsy misy lanitra ho an’izay tsy mibebaka marina.

Fanontaniana:

Inona avy ireo fahoriana sedrain ‘ny olo-marina?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM