Alarobia 18 Oktobra 2023

OHABOLANA 3.1-12

Voasokajy ho isan’ny atao hoe : haisoram-pahendrena ny bokin’ny Ohabolana ,feno fanananarana sy torohevitra samihafa.Anankiray amin’ireny ity fampirisihana ny tanora hitondra tena tsara ity .Ny olona manao ahoana àry moa no lazain’ny olon-kendry fa mahay mitondra tena tsara ? Ireto no valiny omen’ny mofonainantsika anio :

1-Mitahiry ny teny ao am-pony (and 3b)

« Afehezo eo ambozonao izany , ary soraty eo amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka  » .Mihasikasina ao anatin’izany fa tsy manadino ny fanananarana azy ny olona mahay mitondra tena .Tsy olona mitelina voamanadino ka manamavo ny toro-làlana sy ny toromarika samihafa asaina tandremana fa amitahiry ireny ,tsy ao an-tsaina fotsiny akory aza fa tena ao am-po mihitsy .Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao : isaky ny mitepo ny fo dia tsaroana miaraka amin’izay ny teny sy ny lalàn’Andriamanitra , ary vokatr’izany dia mahazo fiadanana izy (and2) .

2-Matoky an’Andriamanitra (and5)

« Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra , fa aza miankina amin’ny fahalalanao » .Tsy mihevitra ho mahavita tena ka hiantehitra amin’izay heverina ho traikefa na fahalalana ananana fa mametraka ny fiainana manontolo mihitsy eo anatrehan’Andriamanitra .

3-Manaiky anarin’Andriamanitra (and11)

« Anaka ,aza manamavo ny famaizan’i Jehovah, ary aza tofoka amin’ny fananarany« . Ny olona tsar fitondrantena dia tsy manao zinona ny fanitsian’Andriamanitra ny diany amin’ny fomba samihafa ,fa mifanohitra amin’izany aza ,mikatsaka mandrakariva ny toro-làalana avy amin’Andriamanitra ary anariny dia mandini-tena sy manitsy ny dia fa ts miziriziry sy manamafy hatoka .

Fanontaniana:

Ahoana no hananana fitondrantena tsara?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 17 Oktobra 2023

MARKA 12.18-27

Abaribarin’i Jesoa eto fa ny antony mahadiso hevitra ny olona ka mahatonga azy te-haka fanahy an’Andriamanitra sy hanao fampianaran-diso dia ny tsy fahafantarana ireto zava-droa loha ireto :

1-Ny Soratra Masina (and24a)

Hoy i Jesoa : « tsy izao tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina izao... » .Raha tomorina akaiky io tenin’i Jesoa io dia toa eson-teny ihany satria ny Sadoseo ankoatry ny maha-antoko politika azy dia mpisora-tena ho mpivavaka sady midongy ho taranak’i Zadoka Mpisoronabe tamin’ny andron’i Davida . Ambonin’izany ,mpisorona rahateo ny ankamaroan’ny mpikambana ao aminy .Raha izany sata sy toerana misy azy ireo izany no jerena dia tokony ho olona mahalala tsara ny Soratra Masina izy ireo ,saingy ny mahavariana dia ireto izy te-hamandrika an’i Jesoa . Ny marina anefa dia izao : mahafantatra ihany ,saingy ny tsy finoana no betsaka (tsy mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty mihitsy mantsy ny Sadoseo eo amin’ny and 18) ka mahatonga iza fihetsika izany .

2-Ny herin’Andriamanitra (and 24b)

Ny tian’i Jesoa ambara amin’izany dia izao : ireo Sadoseo ireto dia variana amin’ny soratra sy endrika ivelambelany fa tsy manana traikefa na fifandraisana lalina amin’Andriamanitra ,hany ka mijanona ho maizina ihany ny fony, ary io fahamaizinan’ny fony io mampanaotao foana azy satria ny heveriny ho fahalalana sy saim-pantany no itondrany ny fiainany.Taomina àry isika mba hanana fifandraisana velona sy lalina amin’Andriamanitra fa izany no ahafantarantsika ny herin’Andriamanitra aryizany koa no manamafy ny finoantsika tsy ho azon’ny fampianaran-diso hozongozonina.

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao mba tsy hahadiso hevitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Aoreno …ny fianakaviana

Aoreno ao amin’ny Tompo ny Fianakaviana

Ampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanan’Ilay Andriamanitry
ny fianakaviana. Indro atolotra eto amin’ity andian-dahatsoratra ity ny tari-dàlana ho amin’ny fanomanana
ny fandinihana ireo perikopa voalahatra amin’ny Alahady fahaefatra sy fahadimy amin’ity volana ity. Toy
ny efa mahazatra, ny lohahevitra hoe: “Aoreno ao amin’ny Tompo ny Fianakaviana” no enti-mandinika
izany.
 Salamo 127, 1- 5: Voambolana fototra iray ihany ny “manao trano” sy ny “manorina tokantrano”
araka ny voambolana Hebreo. Koa ny fanorenana ny tokantrano, izay loharanon’ny fianakaviana, dia
fanekena fa Andriamanitra no tompon’antoky ny fanambadiana na inona na inona fikelezan’ain’ny olona
tsirairay. Koa ekeo ny ho malalan’Andriamanitra mba hisitrahana fisiana tsara (and. 1- 2). Ary mbola
Andriamanitra no tompon’antoky ny taranaka mifandimby ka heverina ho fanomezana avy aminy izany,
mba hitondra fahasambarana ho an’ny fianakaviana tsirairay (and. 3- 5).
 Marka 10, 13- 16: Nampianatra ny olona hiaina ny fitiavana ny Tompo eo amin’ny raki-tsoratra
mialoha ity perikopa ity, ary tohizany eto izany amin’ny fanomezana toerana ny zaza. Eo anatrehan’ny
fandraran’ny mpianatra ny zaza tsy hanatona ny Tompo no anitsian’ny Tompo Jesoa ny fanavahana. Tsy anavahana sokajin’olona ny fitiavan’Andriamanitra ny Fianakaviana. Mendrika ny hisitraka famonjena
hatramin’ny Zaza ka antsoiny hanatona azy. Koa eo anatrehan’izany tsy fanavahana izany no anehoan’ny
Tompo ny fitiavany hampiditra ny olona ao amin’ny fanjakany. Sarin’ny fiankinan-doha tanteraka amin’ny
ray aman-dreny no ao anatin’ny zaza mba anehoana fa izay miankina tanteraka amin’Andriamanitra no ho
mpandova ny fanjakany.
 Kolosiana 3, 18- 25: Manana ny soa toavina ny fianakaviana mba ho fototry ny fahasambarana ao
aminy dia ny fifankatoavana sy ny fifankatiavana manahaka ny fitiavana sy fankatoavana Azy
Andriamanitra. Tsara ny hiainana izany eo amin’ireo sokajin’olona mandrafitra ny fianakaviana: Vehivavy
sy ny zanaka ary ny mpanompo mahay manaiky sy Lehilahy mahay mitia.
 Jeremia 18, 1- 12: Miankina tanteraka amin’ny safidin’ny isa-pianakaviana ny ho famonjena azy.
Eny, hain’Andriamanitra ny mampifanaraka ny fanavaozana na ny mifanohitra amin’izany, arakaraky ny
safidin’ny tsirairay, moa va tsy ny asan’ny mpanefy vilany tanimanga, izay mahay manefy ho amin’ny
endrika vaovao. Koa raha ny ratsy no miala amin’ny fanaony dia andriamanitra no manefy ny fianakaviana
ho vaovao, mendrika ho azy na dia teo amin’ny ratsy azy izy tany aloha (and. 5- 8). Ary ny mifanohitra
amin’izany no ambaran’ny and. 9- 12. Raha tahiny ka miala amin’ny fahatsarana efa nananany ny tsirairay dia mba miala aminy ihany koa Andriamanitra ka manefy azy ho amin’ny endrika hafa tsy miankina
amin’Andriamanitra.
 Marka 9, 38- 50: Tsy fehezin’ny rindrandamin’ny fiarahamonina ny famonjen’Andriamanitra ho
an’ny isam-pianakaviana. Koa na iza na iza no mitondra famonjena ho amin’ny mpiara-belona aminy dia ef fisehoan’Andriamanitra ao amin’ny asa izay (and. 33- 35). Ambonin’izany, ny famonjena dia tsy hanefy n yolona hanam-pahamboniana miavaka fa mikolo azy hiankina tanteraka amin’Andriamanitra mpamonjy, moa va tsy ny fiankinan’ny zaza amin’ny ray aman-dreniny.
 Romana 13, 11- 14: Ny fiainana ny fitiavana eo anivon’ny fiainam-pianakaviana dia masoandro
miposaka ho an’ny isa-tokantrano izay tsy maintsy araraotina mba hahazoana miova hiaina fiainam-baovao,dia fiovam-piainana mandao ny asan’ny maizina izay manjaka amin’ny alina fa resin’ny fahazavana tamy mba hahazoana mandova ny fanjakan’Andriamanitra.


Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Alatsinainy 16 Oktobra 2023

Malakia 2,10-16

Anatra no omen’ny Mpaminany Malakia ho antsika mba :

1- Hifidy tsara izay ho vadiana (and.11)

Mavesatra ny fiampangana ny Joda eto hoe «misy fahavetavetana atao ao amin’ny Isiraely sy eto Jerosalema ; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin’i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanakavavin’ny andriamani-kafa» (and.18). Toy izao ny zava-nisy : nanjary nanompo sampy ny Joda ka nanamavo ny anaran’Andriamanitra satria naka vady hafa firenena ny sasany. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany. Tsy hoe : fanavakavaham-bolonkoditra na fiaviana tsy akory izany sanatria, fa tena antony ara-pivavahana. Fa raha vao maka vehivavy jentilisa ny Jiosy dia tafiditra ny fanompoan-tsampy. Efa voa tamin’izany ry Solomona, Ahaba sy ny hafa. Koa mila mahay misafidy tsara izay hovadiana isika Kristiana. Aoka ho Kristiana ihany no alain’ny Kristiana vady mba hihazonana ny finoana tsy ho levona.

2- Hanaja tsara izay novadiana (and.15b)

Mazava ny fampitandreman’Andriamanitra manao hoe « Koa dia tandremo ny fanahinareo ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany. Fa halako ny fisaoram-bady» Mivoitra tsara amin’izany fa tsy vitan’ny hoe : tsy ankasitrahan’Andriamanitra fotsiny ny fanitsakitsahana na fisaraham-panambadiana fa tena halany mihitsy. Koa taomina isika hitoetra ho mahatoky, tsy mivadika ny fanekena natao ka hanitsaka ny vady, izay lova avy amin’i Jehovah rahateo (Oha.19,14), ary Izy no nanakambana. Voambolana tsy tokony ho ao anatin’ny rakibolana Kristiana mihitsy ny hoe : « divorce » na inona na inona antony. Nanamafy izany i Jesoa hoe : «Koa izay nakamban’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.» (Mar.10,9).

Fanontaniana

Ahoana no hampiharana ny fampianarana voaray anio?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM