Alahadin’ny FIFA 2023

DEPARTEMANTAN’NY MPIASA SY VOLA ARY
FANANANA SY FAMPAMOKARANA

SAMPANDRAHARAHA FITANTANANA FANANANA(FIFA)

Alahady hitrotroana amam-bavaka ny
FITANTANANA FANANANA FOIBE FJKM
Alahady 12 Novambra 2023

“ ……… fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana
zanaka ho an’I Abrahama avy amin’ireto vato ireto”

( Lio 3 : 8b )

TENY FANEVA 2021- 2025 : « Miorena tsara, aza miova » 1 Korintiana 15.58
VINA FOTOTRA (VINA 100 TAONAN’NY FJKM) : Mbola ho firenena Kristianina i Madagasikara
amin’ny taona 2118
VINA EFATRA TAONAN’NY FJKM 2021- 2025 : Vontosy Filazantsara i Magadasikara,
Filazantsara Manova ny Tantara

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

Fandaharana iombonana

Lohahevitra: « TSENAO AMIN’NY FIHAVIANY NY TOMPO »


“ … fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’I Abrahama avy amin’ireto vato ireto” ( Lio 3 : 8b )

1 – FIARAHABANA APOSTOLIKA
2 – FISAORANA SY FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA
SAL : 24 : 1 – 10 HIRA FIDERANA : FFPM 16 : 1 – 2
3 – VAVAKA SY FIDERANA SY FISAORANA :
4 – FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA ( Lio 3 : 8a . 9b )
HIRA : 409 : 1, 2
5 – FIAIKEN-KELOKA
HIRA : 421 : 2 , 3
6 – FAMELAN-KELOKA ATOLOTR’ANDRIAMANITRA ( Hos 11 : 8 – 9 / I Jao 5 : 11 )
HIRA : 487 : 1 – 2
7 – FANAMBARANA NY FINOAN’NY FIANGONANA
Feon-javamaneno na hira
8 – ASAN’NY FIANGONANA
Raharaham-piangonana
RAKITRA ( Misy ny rakitra manokana hanohanana ny asan’ny FIFA
HIRA FANOLORANA NY RAKITRA : 275 : 2 , 4
9 – TENIN’ANDRIAMANITRA
HIRA 788 : 1 – 2 Fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora
Vavaka Vakiteny

  • Ohab 1 : 10 – 16 / – Lio 3 : 1 – 9 / – Rom 2 : 1 – 11
    “ Ray Masina ô! Manamasina anay ………………………………
    HIRA : 190

10 – TORITENY
Vavaka mangina, feon-javamaneno
11 – VAVAKA FANGATAHANA Faranana amin’ny Vavaka nampianarin’ny Tompo.
12 – ASA VAVOLOMBELONA
An’ny Fiangonana
Fanentanana VAOMIERA FIFA / Famakiana HAFATRA KOMITY FIFA
13 – FAMARANANA
Hira : 765 : 1
TSO-DRANO
Hira 502 : 1
14 – VAVAKA MANGINA
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra !
Amin’ny Anaran’ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina .Amena

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

HAFATRA AVY AMIN’NY FITANTANANA FANANANA FOIBE FJKM

An’I Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy,….. koa TSENAO AMIN’NY FIAVIANY NY TOMPO”

Ry Havana malala rehetra ao amin’ny Tompo,

Migadona soamatsara indray ity ny Alahady faharoan’ny volana Novambra izay natokan’ny Foibe FJKM hitrotroana am-bavaka ny FItantanana ny FAnanana FOIBE FJKM. Antitranterina isaky ny fotoan-dehibe toy izao NY IRAKA FOTOTRA iantsorohan’ny FITANTANANA FANANANA eto anivon’ny Foibe sy ny Vaomieran’ny Fananana eo anivon’ny Synodamparitany ary Fitandremana dia ny :

– Famantarana sy Fitsirihana ireo Fananana manerana ny Sahan’ny FJKM.

– Fanoratana ho ara-dalàna sy fiarovana ireo fananana ireo;

– Fikajiana sy fampamokarana ny Fananana;

– Fanitarana sy fampitomboana ny fananana azo hetsehina sy ny fananana tsy azo hetsehina .Isaorana hatrany ny Tompo mitantana sy manolo-tsaina ny Fiangonana mijery sy mampamokatra ireny fananana ireny. Nisy ny asa vita dia ny fanentanana sy fananganana ny Vaomiera isaky ny Synodamparitanyary ny Fitandremana .Ny fampivondronana ny tsara ho fantatra mahakasika ny fananana rehetra isaky ny Synodamparitany sy ny Fitandremana, misy ireo efa namerina ary entanina ireo izay andalam-pamenoana izany hanatitra azy ireny any amin’ny Prezida Synodaly, mba ateriny aty amin’ny FI.FA FOIBE FJKM.

Ny HAFATRA àry dia :

1 – Fantaro ara-taratasy ny Fananana

2 – Karakarao haingana dieny izao ny fanoratana azy ireny

3 – Farito, ampiasao, ampamokary, ary ampitomboy fananana.

4 – Misaotra mandrakariva an’Andriamanitra ny amin’izay asa efa vita sy mbola hatao.

Ny fotoana fitrotroana am-bavaka toy izao ihany koa no fotoana hanohanana ny asa izay ataon’ny FITANTANANA NY FANANANA FJKM.Koa isaorana ireo mandrotsaka ny RAKITRA isaky ny Alahady fitrotroana am-bavaka toy izao,izay voarakitra amin’ity fandaharana ity, ary entanina isika Fitandremana tsirairay mba handefa izany,aty amin’ny Foibe FJKM varavarana 208. Raha misy ny ilàna fifandraisana dia iangaviana isika hiantso ny laharana finday 034 10 338 83 sy 034 98 198 87 . Dia manao veloma finaritra antsika rehetra indray ho eo ambany fahasoavan’ny Tompo mandrakariva

“Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra”

Ohabolana 3.9

Antananarivo, faha 06 Oktobra 2023

Ny Tonian’ny Departemanta Mpiasa sy Vola ary Fananana sy Fampamokarana

ANDRY NIRINA Velosoa

Ny Filohan’ny Komity FI.FA

RANDRIAMANANA Liva Falisoa

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

.IREO FITANDREMANA NANDROTSAKA RAKITRA FIFA 2022

LaharanaSPFitandremanaRakitra
112Ambatoroka Finoana200 400
210Andohatapenaka30 000
315Ambalavao Fiorenana26 100
412Ambohibato95 700
510Ambalavao Isotry82 000
610Andohatanjona Fihavaozana40 000
710Anosizato Hebrona180 000
810Isotry Fitiavana718 000
912Ambohipeno Famonjena15 000
1019Faravohitra Avaratra 85 600
1111Ziona Famonjen Meritsiatosika205 200
1219Ambohipanja Fitiavana128 200
1319Tranovato Ambatonakanga100 000
1410Kristy Fiorenana Ankazomanga20 000
157Fort Dauphin Salema vaovao108 700
1612Manohisoa Fitahiana10 000
1728Manjakatompo Fanavaozana 9 200
1812Ambohimiandra150 000
1919Antanimena Andrefana 100 000
20Mahatsara Ziona Firaisana 7 000
2127Jesoa Fiombonana Tsarazaza3 000
2238Bezezika Finoana12 800
2310Kristy Fanantenana Antohomadinika422 200
2427Sanganoro Fahazavana25 800

Tontalin’ny Rakitra voaray 14 Novambra 2022- 28 Martsa 2023 2 865 700

Talata 31 Oktobra 2023

ROMANA 13.11-14

Valian’ity mofonaina anio ity ny fanontaniana hoe : fiainana manao ahoana no tokony hananan’ny kristiana . Ireto no valiny :

1-Manary ny asan’ny maizina (and 12b)

« Koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka itafiantsika ny fiadian’ny mazava  » ,hoy i Paoly eto . Tiany ho takatry ny kristiana tsara fa ny fiainana kristiana dia tsy vitan’ny teny tsara lahatra ny fisehosehoana ivelany fotsiny ihany fa tena fanapahankevitra hiala ary tsy hiray petsapetsa amin’ny ratsy intsony . Ny hevitry ny hoe : ariana mantsy dia fanapahana fifandraisana mihitsy ary ny zavatra tsy misy ilana azy intsony no ariana,raha tsy hilaza afa-tsy ny fako isika.Tsy misy olona maniry hadio fa hitahiry ny fako sy ny loto rehetra ao an-tranony fa esoriny tao ary avoakany any ivelany ireny ka tsy alainy intsony na hotadiaviny indray ,izany hoe: rehefa nanapa-kevitra hanolo-tena ho an’i Jesoa dia mahafoy tanteraka ny fiainana taloha fa manjary voahary vaovao manana fiainam-baovao feno fahamasinana (2 Kor 5.17).

2-Mitafy an’i Kristy (and14)

« Fa itafio Jesoa Kristy Tompo ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany  » .Rehefa nandray an’i Jesoa dia miova làlana tanteraka mihitsy . Ny hevitry ny hoe: »itafio Kristy » dia tsotra : aoka i Kristy mihitsy no ho tazana eo amin’ny fiainantsika .Kristy no manome hafanana antsika ka miaro antsika tsy ho tratry ny hatsiaka ka hitady lamba hafa itafiana,ary ambonin’izany dia i Kristy mihitsy ny manala henatra antsika ,ka mahatakona sy mahasarona arymahafoana ny fahotantsika mihitsy aza ,mba hahazoantsika mijoro tsy amin-kenatra eo anatrehan’Andriamanitra Ray.

Fanontaniana:

Ary inona mba ahoana raha mandrefy tena ,manoloana ireo zava-droa aloha ireo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofo/ Nov. 2023

TSENAO amin’ny fiaviany ny TOMPO

DATYTENY HOVAKIANA
1Salamo 24.1-10
2Lioka 21.10-18
3Malakia 3.1-4
4Joba 36.26-33
5Zefania 1.14-18
6Lioka 2.21-32
71 Tesaloniana 2.29-31
8Matio 24.29-31
92 Petera 3.1-4
101 Tesaloniana 4.13-18
11Jeremia 8.4-7
12Lioka 3.1-9
131 Jaona 2.24-29
142 Timoty 4.1-5
15Ohabolana 1.10-16
16Filipiana 4.4-9
17Romana 12.1-11
182 Timoty 1.6-14
19Apokalypsy 22.6-15
20Jakoba 5.7-12
21Asan’ny Apostoly 3.17-21
22Joela 1.15-20
231 Timoty 4.11-16
24Marka 13.24-37
25Nomery 10.11-21
26Isaia 40.9-11
27Filipiana 2.12-18
28Lioka 2.8-12
29Matio 25.31-46
30Apokalypsy 20.11-15

Alatsinainy 30 Oktobra 2023



Marka 9,38-50

Mampianatra ny Apôstôly i Jesoa eto mba hahaizan’izy ireo manao izay mety amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, ka ambarany mazava eto mba
1- Tsy hifanilikilika
Rehefa nahita olona nandroaka demonia tamin’ny anaran’i Jesoa ny mpianany dia nandrara azy. Ny antony dia satria nihevitra izy ireo fa rehefa tsy miaraka aminy dia tsy an’i Jesoa. Nanava-tena ho hany akaiky an’i Jesoa izy ireo. Fa nitsian’i Jesoa mazava kosa hoe aza maika hanilika foana, na hanosi-bohon-tanana ny hafa. Afaka miasa sy miara-miasa amin’ny olona rehetra ny Tompo. Na izany aza, tsy izay rehetra manonona ny anaran’i Jesoa akory dia Azy. Sao ho voafitaka isika fa fantaro tsara aloha. «Ny voany no hamantarana ny hazo» hoy i Jesoa. Raha an’i Jesoa tokoa ny olona iray dia tsy mahateny ratsy na ankolaka na mivantana an’i Jesoa izy
2- Tsy handratra ny hafa

Amin’ny fifandraisana amin’ny hafa dia tarihin’i Jesoa ny mpianany samy hitandrina na amin’ny teny na amin’ny atao mba tsy handratra ny hafa. Fa indrindra indrindra ireo izay heverin’ny fiarahamonina ho tsy dia misy lanjany loatra ka tsy hizarany hena-maso. Ny tena an’i Kristy dia manahaka Azy, ka tsy ho loharanom-pahatafintohinana fa ho loharanom-pamonjena ho an’ny hafa aza.

3-Fa hitandro mandrakariva ny fihavanana

Mamarana ny mofonaina ny hoe « Mihavàna tsara ianareo ». Mazava loatra izany, fa izay iray vala ao amin’i Jesoa dia tsy manan-jo hiady antrano. Baikon’i Jesoa mihitsy tsy hifandramatra na hifankahala fa hahay hifamela sy hifampiresaka kosa satria mariky ny maha mpianatr’iJesoa izany. (Jao.13,15). Sorohy sy aravony izay fifandirana.

Fanontaniana

Ahoana izany no hamantarana izay tena avy amin’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 29 Oktobra 2023

JEREMIA 18.1-12

Ato anatin’ity teny nampitondrain’Andriamanitra an’i Jeremia mpaminany ity dia mihasinkasina mihitsy fa:

1-Masi-mandidy Izy (and6)

« Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho ry taranak’Israely ? Hoy i Jehovah« .Mazava sady hentitra izany teny izany ary maneho marimarina tokoa fatompon’ny fahefana ny amin’izay tiany hitondrana ny fiainan’ny olony Andriamanitra .Tsy misy na iza na iza afaka mibaiko na manery Azy amin’izay sitraky ny fony .Tsitoha Izy .Mitondra inona ho antsika izany ?Mitaona antsika hatahotra an’Andriamanitra izany ,kanefa koa mitarika antsika hanetry tena eo anatrehany izany ka hanaiky izay fandaminany sy fanefeny fa tahaka ny mpanefy tanimanga izay mahalalaaa ny mampety sy mahatsara ny tanimanga eo am-pelatanany .I Jesoa aza manaiky ny fandaminan’Andriamanitra Ray na dia nangirifiry taminy aza (Lio 22.42) .Koa nahoana moa isika no tsy hanaiky hotefen’Andriamanitra sy alamin’Andriamanitra?

2-Mitaky fibebahana Izy(and11)

« Koa amin’izany , lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina eto Jerosalema hoe:izao no lazain’i Jehovah: Indro Izaho mamorona loza hihatra aminareo , ary mieviyra izay hamelezako anareo .Koa samia miala amin’ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo » .Ny mahafinaritra amin’ny Andriamanintsika dia izao : tsy mba mamely am-pitaka Izy fa efa lazainy mialoha ny hataony rehefa mbola mikiribiby amin’ny fahotany sy ny faharatsiany ny olona .Nahoana moa no dia hiandry hokapohin’Andriamanitra mafy isika vao hibebaka ? Aza mangataka andro , izao ankehitriny izao dia miverina Aminy .Antso nataon’i Jesoa koa ny hoe: MIBEBAHA ianareo (Mat 3.2) .

Fanontaniana :

Hatraiza ny fahavononanao hibebaka marina tokoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 28 Oktobra 2023

GENESISY 17.1-14

Ity mofonaina anio ity no mampianatra antsika fa raha miara-mandeha amin’Andriamanitra tokoa ny olony (tahaka an’i Abrahama) dia:

1-Hifandraisan’Andriamanitra izy (and1)

« Ary rehefa feno sivy ambin’ny folo taona i Abrama dia nisehoan’i Jehovah ka nitenenany hoe…« ;Asehon’ny fitantarana eto fa tsy itenenany ary anehoany ny maha- Andriamanitra velona Azy ny olony mahatoky.Amboary ny fifandraisanao amin’Andriamanitra dia ho takatrao izay tiany ambara aminao,na amin’ny alalan’ny teniny vakiana na ny teniny toriana na ny teniny tonga nofo izay nonina tamintsika.

2-Valian’Andriamanitra soa izy (and6)

Ny filazana ny taonan’i Abrama eto dia entina maneho fa tsy very maina akory ny fitoerana ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra ,hitany sy fantany avokoa ireny. Ary mamaly soa ny mpanompony Izy,saingy izao,manana ny fotoanany sy ny sitrapony Izy hanatanterahany izany.

3-Mankato an’Andriamanitra (and11)

Fepetra napetrak’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy ny taranany ny hoe: « dia hoforana ianareo ,ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany« .Io famorana io dia tandindon’ny batisa any amin’ny Testamenta . Fa notanterahan’i Abrahama an-tsakany sy andavany i famorana io,tsy nasiana fanontaniana na ady hevitra akory, satria takany fa io no marika sady fidirana ho ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra .Taomina koa isika ,tsy hiady hevitra amin’ny hoe : zaza ,na rano mandeha na endrika ivelany samihafa ,fa hanolotra ny zanantsika ho amin’ny sakramentan’ny batisa ka handray ny fampianarana mikasika izany amin’ny Mpitandrina.

Fanontaniana:

Aiza ho aiza izao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

SP 31/ 20T maha-Mpitandrina

SP TOAMASINA VAVAHADIN’NY FILAZANTSARA (SP.31)                                                  

Nankalaza ny faha-20 taona maha-Mpitandrina ny Prezidà Synodaliny

        Ny 5, 6, 7,8 Oktobra 2023 no nanatanterahana ny Fihaonambe II ny SP 31 TOAMASINA VAVAHADIN’NY FILAZANTSARA, izay natao tao amin’ny Ivon-Toeran’ny SP, STATION  FJKM  ANJOMA. Hetsika maro no natao: Fivorian’ny Firahalahian’ny Mpitandrina, ny Mpihevi-draharaha, ny Komity Lehibe, Tafika Masina, ary ny Fampianarana.

        Fa niavaka kosa ny Sabotsy 7 Oktobra  2023, fanompoam-pivavahana izay natao tao amin’ny FJKM TRANOVATO  FITIAVANA ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-20 Taona maha- Mpitandrina an’i NIRINARISON Emile Johnson William, mianakavy, Prezidà Synodaly SP 31, izay nanaovany ny asa fanompoana teo amin’ny saha FJKM. «……ary miaraha mifaly amiko» Fil. 2/ 18b, io no Teny Faneva nosafidiany ho entina hanamarihana izao fotoam-pankalazana izao. Tonga nanotrona ny fotoana Atoa RAZARASOA Timoty, mivady, Filoha Mpanampy Laika BMF  FJKM; teo koa ny Mpitandrina RABETOKOTANY Miharilaza, Prezidà Synodaly Iarivo Avaradrano, Filohan’ny Firahalahin’ny Prezidà Synodaly, ny Prezidà Synodaly avy amin’ny Faritra hafa, ary ny Mpitandrina ombam-bady rehetra mpiara-miasa aminy ato amin’ny SP 31.

           Tsy mora ny asan’Andriamanitra, betsaka ny zavatra nolalovana; tao ny nanahirana, tao ny saro-dalana, nefa na dia izany aza dia tamin’ny fifaliana mandrakariva ny nanaovana ny asa. Feno fifaliana ny Komity fa tratra ny tanjona na dia tao anatin’ny fotoana fohy no niasana, teto Volana monja. MOTO HONDA 125 niampy ny kojakojany no tsangambato natolotry ny Komity ho azy amin’izao fankalazana ny 20 Taona maha-Mpitandrina izao. 

NIRINA Toamasina

Hafatry ny Filoha / Okt 2023

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Ka na hisy aza anio

Ny haneso sy hanaraby

Anao izay ninia hadio

Amin’ny fomba sy fiteny

Amin’ny asa izay atao,

Dia hahery hatrany ianao!

Fa hiteny foana ihany

Ireny zatra hitsin-dalana

Amin’ny fomba lany andro;

Fa ianao tsy hanaiky ho kivy,

Fa fanasina tokoa

Tsy lany tsiro sanatria

Fa feno herin’ny Fanahy

Ka sahy hiova sy hanova

Ny tontolo misy anao.

Eny tena sahisahy

Hiteny ratsy, hanivaiva,

Ireo tsy tia ny fanovana,

Eny, mety ho vava be

Arahin’eso, farahehy

No hitsenany anao izay vonona

Hamadika takila vao

Amin’ny fomba fiainanao.

Saingy hijoro ianao anio,

Vonto herin’ny fanahy:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Hafatry ny MF 05 SL XIX

HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE

CFD Ampandrana: 11 – 18 Oktobra 2023

Ry Havana malala,

Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesoa Tompontsika. (2 Pet 1. 2).

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory teto amin’ny CFD Ampandrana, Antananarivo ny 11 – 18 Oktobra 2023 dia manao izao hafatra izao:

1.       Ho an’ny Mpitandrina sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra ato amin’ny FJKM:

o   Taomina isika hiomana ho amin’ny taom-panavaozana amin’ny taona 2024, araka ny tari-dàlana efa nalefa any amin’ny Synodamparitany tamin’ny alalan’ny Mpiandraikitra Foibe.

o   Anterina hatrany ny hananganana ny vaomieran’ny Hazakazaka Masina isaky ny sehatra misy antsika.

o   Manainga ny Kristiana FJKM rehetra mba hitandro ny fahamasinan’ny Fiangonana ka hanaja hatrany ny Foto-Dalàna sy Fitsipika FJKM.

o   Nosokafana nandritra izao fivoriana izao ny jobily fisotroan-drononon’ny Filohan’ny FJKM, izay notanterahina ny  Sabotsy 14 Oktobra 2023 lasa teo, tao amin’ny kianja maitso Antsahamanitra. Hitohy hatramin’ny taona 2025 izany taon-jobily izany.

o   Manentana ny Fiangonana sy ny Synodamparitany rehetra hanao ezaka ho famitana ny fankasitrahana ny Filohan’ny FJKM teo aloha, Andriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina.

o   Mitaona ny Fiangonana mba hanao ho zava-dehibe mandrakariva ny Asa Fitoriana ny Filazantsara.

o   Mampirisika ny Mpitandrina rehetra mitondra fitandremana mba hampianatra sy hitaiza ary hananatra sy hanitsy araka ny Soratra Masina ireo Kristiana ao aminy,  indrindra ireo manana andraikitra eto amin’ny firenena.

o   Misaotra an’Andriamanitra isika fa afaka nankalaza Azy noho ny faha 55 taonan’ny FJKM.

Ny tsangambatontsika amin’izany dia Fahitalavitra Fahazavana (FTV) sy fanatsarana ny Radio Fahazavana.  Entanina hatrany isika isaky ny Synodamparitany handray anjara mavitrika ho amin’izany ezaka izany.

o   Isaorana ny Tompo fa vita soa aman-tsara ny Sekoly Fanomanana Mpampianatra (SeFaMpa) any Imerimandroso, izay tsangambaton’ny faha 200 taonan’ny Sekoly Protestanta.

Ankasitrahina etoana ireo rehetra nandray anjara sy nifanome tanana ho amin’izany.

o   Mihatsara hatrany ny Sekolintsika FJKM, tena tsara ny voka-panadinana ary lohany hatrany isika na amin’ny CEPE na ny BEPC na ny Baccalauréat. Koa taomina isika hampianatra ny zanatsika ao amin’ny Sekolintsika.

o   Manainga antsika rehetra hihevitra ny Sekolintsika, ka tsy hanadino ny KIS (Kitapo Iombonan’ny Sekoly) sy ny fandrotsahana ny 2 isan-jaton’ny Tetibolantsika hanohanana ny Sekoly. Ary mampirisika ny Fiangonana sy ny Synodamparitany amin’ny tantsoroka marolafy hampandrosoana ny sekolintsika.

o   Taomina isika hampianatra ny zanatsika ao amin’ny Oniversity FJKM Ravelojaona (ONIFRA)

o   Mankasitraka antsika rehetra (Kristiana, Fiangonana, Fitandremana ary Synodamparitany) amin’ny ezaka lehibe vitantsika tamin’ny “Rakitra soa”.

o   Efa mihatsara ny toetran’ny adidy ka isaorana isika sy amin’ny fanatanterahana izany. Mitaona am-pitiavana izay mbola tsy nahavita kosa, hanefa ny anjarany mialoha ny faran’ny taona 2023.

o   Misaotra antsika rehetra nahatsiaro am-bavaka sy nanohana ny mpiasa eo anivon’ny Foibe FJKM, tamin’ny Alahady fahatelo tamin’ny volana May lasa teo. Taomina isika hiomana ho amin’ny fanatanterahana izany indray amin’ny taona ho avy.

o   Tontosa soa aman-tsara ny hetsika “Haona Fi” Andiany Fahatelo tany Toamasina, ary any Mahajanga kosa ny andiany fahefatra amin’ny taona 2024, raha sitrapon’Andriamanitra.

o   Mampahatsiahy antsika ny amin’ny ezaka “Kofehy Volamena”

o   Mandrisika ny fitandremana sy ny Synodamparitany hanangana ny vaomieran’ny fananana ary hiroso amin’ny asa Fampamokarana, hananana loharanom-bola maharitra.

2.       Ho an’ny vahoaka tsy ankanavaka:

o  Ny Fiangonana dia manantitra ny handalàna mandrakariva ny fahamarinana sy ny rariny koa: “Aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra” (Amo 5. 24), ary aoka hotsaroana fa “ny fahamarinana manandratra ny firenena; fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ny olona” (Oha 14. 34).

o  Mampahery sy mampirisika ny Kristiana FJKM rehetra mba tsy ho menatra hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana sy ny fiadanana, fa ianareo no fanasin’ny tany…ianareo no fahazavan’izao tontolo izao” (Mat 5. 13, 14) koa ho sahy  hanohitra ny tsy fahamarinana amin’ny endriny rehetra.

o  Mitaona ny tsirairay hanaja ny lalàna, satria “Izay rehetra manota no mandika lalàna, fa ny ota no fandikana ny lalàna” (1 Jao 3, 4), ary Ota avokoa ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jao 5. 17)

o  Mitaona ny rehetra hampitsahatra ny fifandranitana sy fihantsiana rehetra, izay mety hiteraka ady ka hisian’ny rà latsaka, fa an’Andriamanitra ny aina, koa aoka hotandrovina ny aina sy ny maha olombelona. Mampahery ireo rehetra naratra sady mirary fahasitranana tanteraka ho an’ireo mbola tsaboina ankehitriny.

o  Manaitra ny tomponandraiki-panjakana (ny mpitandro filaminana,…..) ny amin’ireo tsy fandriampahalemana sy fiarovana  ny vahoaka tsy ankanavaka sy ny fananany.

o  Manainga ny isam-batan’olona hanao ho zava-dehibe ny fihavanana fa izany no fiadanana hampandry fahalemana ny firenena, fa “ny vokatra ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana ho an’izay mampandroso ny fihavanana” (Jak 3. 18) ary koa “ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana, ary ny vokatry ny fahamarinana dia fiadanana sy fahatokiana mandrakizay” (Isa 32, 17).

o  Mampahery ny FFKM amin’ny ezaka rehetra ataony hitandroana ny fahamarinana sy ny fihavanana ary hampanjaka ny fiadanana eto amin’ny firenena. Aoka samy hanao ho zava-dehibe ny fitondrana am-bavaka ny firenentsika isika mpino Kristiana rehetra. “Mahereza ary, ka aoka hitomban-dahy isika ho an’ny firenentsika…ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.” (2 Sam 10. 12)

Farany, Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny” (Sal 33. 12)

Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah, mpanao ny lanitra sy ny ny tany.” (Sal 134. 3)

Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe,

                                                                                                                                         Ny Filohan’ny FJKM

Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina