Alarobia 20 Septambra 2023

MATIO 13.24-30

Mitoria teny amin’ny firenena rehetra

1-Tsy ilaozam-pahavalo ny Filazantsara

Tamin’izao fanoharana nataon’i Jesoa izao no ahitana ireto singa telo lehibe ireto : ny tompon’ilay tanimbary ,ny voa tsara izay nafafy ary ny ahi-dratsy .Nisy fahavalo iray nitady hanao an-kasomparana ny vokatr’ilay tompon’ny tany tamin’ny alalan’ny famafazana voanahidratsy tsiparifary,izay mitovy endrika amin’ny ampemba , ary mety misy poizina aza indraindray .Tsy hita mihitsy ny tetik’ity fahavalo ity raha tsy efa nitsimoka niaraka tamin’ny vary ny tsiparifary ary sarotra ny manavaka azy .Maro ny fahavalon’ny Filazantsara , aza adinoina fa satana koa dia miara-mamafy amin’ireo olona milaza ny Tenin’Andriamanitra ary amboleny any anivon’ny vahoakan’Andriamanitra any koa ny mpanaraka azy dia ny zanak’ilay ratsy .Aza variana isika , aza atao mahakivy na hihemorana koa anefa izany .

2-Manana faharetana

Raha nanam-pikasana hanongotra ilay voly tsy ilaina ny mpiasa , satria sady sandoka no misy poizina ireny . Ny tompon’ny tany kosa nanoro hevitra azy mba hitandrina sy hanam-paharetana .Ny fampisarahana azy roa mantsy dia mety hanimba ny voly tsara , satria efa nifaningotra ny fakan’ireo . Mila maharitra hatramin’ny farany fa tsy maintsy ho sarahina izy roa amin’ny fotoam-pararano .Ny mpitory Filazantsara koa dia mila maharitra fa tsy ilaozam-pahavalo , be ny tsiparifary. Miorena tsara , aza miova , mahereza! Manàna faharetana amin’ny asa nanirahana anao .

Fanontaniana :

Inona avy ireo karazana tsiparifary fantatrao eo amin’ny fiangonana misy anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2023

Desambra: Ankalazao ny Mpamonjy

| | 03. Advento I
1 Tan. 16:4-14 / Jao. 17:1-5 / Asa. 3:44-48

| | 10. Advento II - Sampana Sekoly Alahady
Sal. 8:1-9 / Mat. 21:15-17 / Heb. 2:10-18

| | 17. Advento III
2 Sam. 22:47-51 / Mat. 5:13-16 / Rom. 15:7-12

| | 24. Advento IV
Sal. 113:1-9 / Lio. 1:46-56 / Rom. 11:33-36