Talata 19 Septambra 2023

ASAN’NY APOSTOLY 14.1-10

Mitoria ny teny amin’ny firenena

Ny fitoriana ny Filazantsara dia :

1-Mitaona ny olona rehetra

Raha niditra ny synagoga tany Ikonioma iPaoly sy Barnabasy dia nanambara fa mbola te-hijoro ho vavolombelona tamin’ny Jiosy (Asa 13.52) .Nahitam-bokatra ny toriteny satria marobe ny Jiosy sy ny Jentilisa no nino hafatra izay nentin’izy ireo ary nahazoana fanasitranana izany finoana izany (and8,10)

2-Mety hiteraka fisarahan-tsaina (and2-4)

Na dia teo aza anefa ny vokatra sy ny fahamaroan’ny olona nino dia nisy koa ireo tsy Jiosy tsy nino ka namporisika ny olona hanohitra ny misionera ny mpitory ny Filazantsara .Na dia teo aza izany rehetra izany , nanana fahasahiana ny mpitory ny Filazantsara ka tamin’ny herin’ny Fanahy Masina no nahafahany nanao famabnterana sy fahagagana ary fanasitranana (and3).Niteraka fisarahan-tsaina teo amin’ny vahoaka izany ,nisy ny nomba ny Jiosy tsy nino fa nisy kosa ireo nomba ny Apostoly .Mbola hita mandraka ankehitriny ny toy izany , nefa miavaka hatrany kosa ny olona tena mandray ny Filazantsara.

3-Ahazoana tora-bato sy fanenjehana

Tsy nijanona teo amin’ny fampisarahan-tsaina ny vahoaka ny nataon’ireto Jiosy tsy nino ireto , fa niroso tamin’ny famolavolana tetikady hanimbana ny Misionera dia amin’ny fitoraham-bato azy ireo izany . Tranga mateti-piseho tokoa ny toy izany rehefa mitory marina ny irak’i Jesoa Kristy .Izany anefa tsy atao hampihemotra satria « tandra vadin-koditra » ho an’ny mpitory Filazantsara izany fanenjehana sy tora-bato izany .Miorena tsara dia mazotoa mitory ny Filazantsara .

Fanontaniana :

Raha enjehinao ny mpitory ny Filazantsara , aiza ny toerana misy anao ? Hanohy ny asa sa hiala an-daharana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2023

Oktobra: AORENO AO AMIN'NY TOMPO NY FIANAKAVIANA

| | 01. Ala XVII man.Trinite
Gen 2.18-25/ Matio 5.31-32/ Efesiana 5.22-23

| | 08. Ala XVIII man.Trinite-Radio protestanta
Deoteronomia 24.1-4/ Marka 10.2-12/ Romana 15.14-21

| | 15. Ala XIX man Trinite-Masera MAMRE
Ohabolana 3.1-12/ Lioka 2.39-52/ Efesiana 6.1-4

| | 22. Ala XX man Trinite Sampana Fifohazana FJKM
Salamo 127.1-5/ Marka 10.13-16/ Kolosiana 3.18-25

FJKM Fahazavana

FJKM ISOTRY FITIAVANA

$('p:has("+ .verset")').css( {color: "red" } );