Sabotsy 16 Septambra 2023

AMOSA 7.10-17

Ny fanoherana an’i Amosa

Amazia dia mpisorona tany Betela izay nanohitra an’i Amosa mpaminany .Izy izay solotenan’ny vahoaka ary mpitarika azy ireny ho amin’Andriamanitra indrindra no efa ankarihary ilay mpaminanin ‘Andriamanitra sy ny fahefany .

Naneho ny fanoherany i Amazia raha nandre ny tenin’i Amosa ka nahatonga azy nanome baiko hiverina any amin’ny tany niaviany .Hoy ny voasoratra ao amin’ny and 12 « ary hoy i Amazia tamin’i Amosa : Ry mpahita ! mandehana mandositra mankany amin’ny tanin’ny joda ianao,ka mihinàna any ary maminania any » (avy any Tekoa i Amosa , faritanin’ny Joda and12a) .Noheverin’i Amazia fa noho ny vola no hanaovan’i Amosa ny asan’Andriamanitra .Tsy nihambahamba i Amosa namaly ka nantitranteriny fa tsy niomana ho mpaminany izy fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany (and14) , fa Jehovah no niantso azy .Izany no nahatonga azy hanomboka mandrakariva ny faminaniany hoe: « izao no lazain’i Jehovah » .Tsy nangina izy hatramin’ny nahazoany fahefana tamin’Andriamanitra hitondra ny hafatra ho an’ny vahoaka .Ry havana, ianao koa , izaho , isika ,isika rehetra dia samy nanana izay asa nahazatra nivelomana, fa rehefa niantefa teo amintsika ny antson’ny Tompo dia tsy maintsy manatanteraka ny iraka ampanaoviny isika. Mahereza , aza kivy fa ny mpanompon’Andriamanitra tsy maintsy enjehina , ary tsarovy fa Jesoa Kristy no efa niharan’izany talohanao . Miorena tsara , ary mivonona mandrakariva fa Jesoa Kristy tsy hamela ho irery ny mpanompony eo amin’izay heverina ho sarotra .

Fanontaniana :

Inona no sarotra teo amin’ny asanao ka nahatsiarovanao ho irery ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM