Hafatry ny Filoha / Aog 2023

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


Dia meteza isika hiova
Ka hahay mandray vahiny.
Fa rehefa misy fitoriana
Hitaomantsika olon-kafa,
dia tena hisy ny hanaiky
ka ho babon’i Jesoa.
Ho avy hanatona izy ireny,
dia hamonjy ny fiangonana,
hiditra any anaty sampana
ary ho tonga mpianakavin’
ny finoana toa antsika.
Eo no ilana fahendrena
Mba hahaizantsika tsara
Mampandroso ireo vahiny
Hahatsiarovany tokoa
Fa tena maharavo antsika
Ny olom-baovao hanampy
Mba ho isan’ny Fiangonana!
Hahay mandray vahiny isika,
ary tsy hanavakavaka,
ary hahay mitsiky isika,
ho miramirana tarehy,
handray tanana am-pitiavana
azy ireny rehefa tonga
ka tsenaina am-pifaliana.
Ho fiangona-misy antsika,
ny any ivelany, handroso,
ny efa ao tsy hivoaka intsony!


VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


IRAKO AMMI

Perikopa 2023

Oktobra: AORENO AO AMIN'NY TOMPO NY FIANAKAVIANA

| | 01. Ala XVII man.Trinite
Gen 2.18-25/ Matio 5.31-32/ Efesiana 5.22-23

| | 08. Ala XVIII man.Trinite-Radio protestanta
Deoteronomia 24.1-4/ Marka 10.2-12/ Romana 15.14-21

| | 15. Ala XIX man Trinite-Masera MAMRE
Ohabolana 3.1-12/ Lioka 2.39-52/ Efesiana 6.1-4

| | 22. Ala XX man Trinite Sampana Fifohazana FJKM
Salamo 127.1-5/ Marka 10.13-16/ Kolosiana 3.18-25

FJKM Fahazavana

FJKM ISOTRY FITIAVANA

$('p:has("+ .verset")').css( {color: "red" } );