Feno 55 TAONA ny FJKM
« Miorena tsara ,aza miova » 1 Kor 15.58b
Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-55 Taona FJKM
Hankalaza an’Andriamanitra isika noho ny faha-55taona nijoroan’ny FJKM amin’ity taona 2023 ity . Lehibe ny tanjona hotratrarintsika mandritra izany taon-jobily izany : Fanatsarana ny Radio Fahazavana sy fananganana ny Televiziona Fahazavana FJKM .
Daty :
Zoma 18 Aogositra 2023, izay hotanterahin’ny isam-pitandremana . Marihana fa ao anatin’ny fihaonamben’ny Diakona sy Loholona io daty io ka dia samy hanatanteraka rakitra ny ivo-toerana tsirairay..
Alahady 20 Aogositra 2023 no hamindrana izany raha misy ny fotoana mifanindry .
Alahady 12 Novambra 2023 : Fanompoampivavahana ho fanolorana ny Tsangambato.
Fanentanana :
Entanina ny vahoaka FJKM mba samy hanana ny fanahin’ny fahafoizana ka hanamarika izany ao anatin’izany ny fivoriambe samihafa isan-tSynodamparitany , Fitandremana , ny Sampana velona rehetra …), hanolotra RAKITRA JOBILY mba hahatrarana ny tanjona iombonana. Hisy ny valopy tsinjaraina ka 55 isa no alefa isaky ny Synodamparitany . Horedonina isaky ny fanompoampivavahana FJKM ny hiran’ny Hazakazaka Masina ho mariky ny fiombonana.
Ohatra amin’ny Hetsika azo hatao :
Fanompoampivavahana, carnaval, asa soa,fampisehoana an-dampihazo arahina fanontaniana sy valiny ho fahafantarana ny FJKM … Tafika masina anatiny sy ivelany …
Ny Komity 55 Taona
Ny Filoha :
RAZAFINDRAKOTO Hasinarivo,Mpitandrina