Mofo /volana Jolay 2023

HEVERO NY FIFIDIANAN’NY TOMPO

12 Pet 1.8-11
2Mat 12.14-21
3Isa 41.8-13
4Jao 6.60-71
51Pet 2.1-10
6Gen 18.16-33
7Isa 42.1-9
8Sal 89.19-32
9Asa 6.1-7
10Isa 49.1-7
11Jao 15.11-16
12Deo 7.6-8
13Hag 2.20-23
14Jer 1.4-10
15Isa 44.1-5
161 Mpanj 11.29-39
17Jao 13.12-20
181 Kor 1.26-31
192 Tim 2.8-13
20Asa 910-18
21Mar 13.14-20
222 Tant 6 .1-6
23Asa 1.23-26
241 Tant 28.1-7
252 Tes 2.13-16
26Lio 6.12-16
27Deo 10.12-19
281 Sam 10.17-27
29Eze 3.4-14
30Mat 28.16-20
311 Tes 5.23-28

Feno 55 TAONA ny FJKM

« Miorena tsara ,aza miova » 1 Kor 15.58b

Fankalazana  an’Andriamanitra  noho ny faha-55 Taona FJKM

Hankalaza  an’Andriamanitra isika noho ny faha-55taona nijoroan’ny FJKM amin’ity taona 2023 ity  . Lehibe ny tanjona hotratrarintsika mandritra  izany taon-jobily izany : Fanatsarana ny Radio Fahazavana sy fananganana ny Televiziona Fahazavana FJKM .

Daty :

Zoma 18 Aogositra 2023, izay hotanterahin’ny isam-pitandremana . Marihana fa  ao anatin’ny fihaonamben’ny Diakona sy Loholona  io daty io ka dia samy hanatanteraka rakitra ny ivo-toerana tsirairay..

Alahady  20  Aogositra 2023  no hamindrana izany  raha misy ny fotoana mifanindry .

Alahady 12 Novambra 2023 : Fanompoampivavahana  ho fanolorana ny Tsangambato.

Fanentanana :

Entanina ny vahoaka FJKM  mba samy hanana ny fanahin’ny fahafoizana ka hanamarika izany ao anatin’izany ny  fivoriambe samihafa isan-tSynodamparitany , Fitandremana ,  ny Sampana velona rehetra …), hanolotra RAKITRA JOBILY mba hahatrarana ny tanjona iombonana. Hisy ny valopy tsinjaraina ka 55 isa no alefa isaky ny Synodamparitany . Horedonina isaky ny fanompoampivavahana FJKM ny hiran’ny Hazakazaka Masina ho mariky ny fiombonana.

Ohatra amin’ny Hetsika azo hatao :

Fanompoampivavahana, carnaval, asa soa,fampisehoana an-dampihazo  arahina fanontaniana sy valiny ho fahafantarana ny FJKM … Tafika masina anatiny sy ivelany …

Ny Komity 55 Taona

Ny Filoha :

RAZAFINDRAKOTO Hasinarivo,Mpitandrina

Zoma 30 Jona 2023

Salamo 124. 1 – 8

Davıda no manoratra ity Salamo fisaorana an’Andriamanitra ity ary tiany mba ho hiram-bavaka ventesintsika eto am-pamaranana izao volana Jona izao fa maro ny zavatra natrehantsika nandritra izay 29 andro izay. Koa raha mitehan-ko farany ity ny volana dia mahatsıaro tahaka an’ Davida isika ny amin’izay nitondrany ny fiainantsika .Asongadin’ity salamo ity ny tombotsoa azo amin’ny fiarahan-dàlana amin’Andriamanitra .Tsaroana fa mandray andraikitra Andriamanitra manoloana ireo sedra mianjady amintsika . Tsy afaka hiala amin ireo fandrika sy fitaka ataon’ilay ratsy isika raha tsy miaraka amın’ny Tompo.Tsy azo hamaivanina ny herin’lay ratsy fa tsy maintsy miantehitra amin ‘ny herin Andramanitra mahagaga isika.Mazava ny tenin’i Paoly hoe : »Inona àry no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany ? Raha Andriamanitra no momba antsika,iza no hahatohitra antsika? (Rom 8.31) . Raha Andriamanitra no miandany aminao dia mpandresy ianao ?

Fanontaniana :

Ahoana ny fanapahankevitra anio ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 29 Jiona 2023


Romana 14. 13 – 23


« Fa ny fanjakan Andriananitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny
fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny
Fanalıy Masina » (Rom
14.17),


Ny fanjakan’Andriamanitra :


1-Tsy fihinanana sy fisotroana
Ady hevitra ny amin’ny fihinanana na tsia ireo zavatra maro samihafa no hitantsika manomboka any amin’ny andininy voalohany amin’ity toko faha-14 ity. Mahaloto ve sa tsia ny fihinanana ireny ? Ny amin’ireo heverin’ny olona ho zava-pady amin’ny finoana no fihinana sy fisotro ambara eto fa tsy resaka
zava-maha-domelina samihafa akory. Ireny dia efa zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra ka tsy tokony hiditra akory ny vavantsika. Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy faritana araka izay miditra ao am-bava. «Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin ‘ny olona no mahaloto azy , fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy» (Mar 7.15)
2- Fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina
Misy toetra takian’Andriamanitra aminao izay te-hiditra ao amin’ny Fanjakany, dia ny fampanjakàna ny toe-panahy araka an ‘Andriamanitra. Ny Fanjakan’Andiamanitra dia voarafitr’ireo zavatra telo loha ireo. Koa raha tiantsika hanjaka amintsika Andriamanitra dia iainantsika ireo zavatra ambarany ireo. Amin’ny fomba ahoana anefa ? Amin’ny handraisantsika ny Fanahy Masina : « fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana,fahari-po,fahamoram-panahy, fahamarinana, fahalemem-panahy. fahononam-po» (Gal 5.23) fanaovan-tsoa ».
Fanontaniana :
Inona avy no efa anananao amin ‘ireo vokatry ny Fanahy ireo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 28 Jona 2023


Salamo 40. 11 – 17


Zava-dehibe ny fanafahan’ny Tompo


1- Koa irio fatratra:
Davida no mitaraina sy miangavy amin’Andriananitra eto.Nahatsiaro izy fa mamesatra azy ny fahoriany tsy tambo isaina, ny heloka maro noho ny volon-dohany. Miangavy izy mba ho sitraky ny fon’Andriamanitra ny hamonjy azy. Nahoana moa isika anio no tsy ho sahy hiteny tahaka an’i Davida? Na inona na inona ary na manao ahoana na manao ahoana ny fahotantsika sy ny vesatry ny fahoriantsika dia ambarao ny Tompo izany anio. «Jehovah ó. faingàna hamonjy ahy». Fa hoy i Paoly hoe : «Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena» (Rom 10.13)
2- Fa mandray an-tànana ny fahavalonao
Maro fahavalo isika, indrindra rehefa manara-dia an’i Jesoa araka ny Tenin’i Jesoa hoe : «ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako…» (Mat 10.22). Na izany aza anefa dia afaka mivavaka tahaka an’i Davida isika mba handraisan’ny Tonıpo an-tànana ny fahavalontsika ka hanatanterahany ny voalazany sy ny fanomezan-toky nataony hoe : «Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon ‘ny fahavalonao sy ho rafin’ny rafinao Aho» (Eks 23.22). Tsy nisy mpanara-dia ny Tompo resy
izany. «Fa isaorana anie Andriamanitra, lzay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.» (1 Kor15.57)
Fanontaniana :
Inona avy no mety ho sakana tsy hiantsonao famonjena amin i Jesoa Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Tatitra/Famoahana Akademika

Famoahana Akademika ireo Dokotera 14

,andiany voalohany mitondra ny anarana : FANEVA

Tontosa Soamatsara  ny Alakamisy 22 Jona 2023 tao amin’ny FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA  ny Famoahana Akademika an’ireo Dokotera, andiany voalohany« FANEVA ». Nitarika ny Fanompoampivavahana , ny Mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy ,Filohan’ny Filankevi-pitondrana Oniversity Ravelojaona .Nitondra ny Tenin’Andriamanitra ,ny Mpitandrina IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Filohan’ny FJKM, sady nitarika ny Asa vavolombelona .

Fintin’ny Toriteny

 « miaraha-mankalaza an’i Jehovah Amiko » Salamo 34.3

1-Andao hankalaza an’Andriamanitra : Saika matin’ny fahavalony i Davida raha iny nandositra , lasa tany amin’ny tanin’ny fahavalony iny. Nody adala izy ka navela nandeha. Avotra soamatsara  ka mitaona ny olona hankalaza an’Andriamanitra . 

2-Andao hanandratra an’Andriamanitra : Ny hoe : manandratra dia alefa any ambony any mba ho fantatra sy tsy ho takona ny Anarany,ny Voninahiny .Ny fahalementsika matetika dia ny fitadiavana voninahitra raha vao mba misy zava-bita kely , na diplaoma azo . Aoka ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .

3-Andao hiombona amin’Andriamanitra : ilay fankalazana dia atao anaty fiombonana, iarahana ilay fankalazana. « mba ho iray ihany izy rehetra » .Rivotry ny ady no iainantsika ,fankahalana  eo amin’ny fiaraha-monina sy ny firenena fa isika kosa hiombona amin’ny fankalazana sy ny fanandratana an’Andriamanitra.

ASA VAVOLOMBELONA

Fizarana Diplaoma :

Marihana fa diplaomam-panjakana no natolotry ny Solotenan’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa ,saingy ny Oniversity RAVELOJAONA no sekoly ambony nivoahany (2019-2023) .Miisa 14 ireo notolorana ny diplaoma « Doctorat » .Miisa 4 ny vehivavy , ary 10 ny lehilahy . Tamin’izany dia 07 Mpitandrina ary 07 Laika avy amin’ny fiangonana isankarazany ato anatin’ny FFKM (FLM, EEM, FJKM,LAIKA) . Ny iray tamin’ireo dokotera navoaka dia tsy teto an-toerana tamin’io fotoana io. Miisa 20 ireo professeurs  mampianatra ao amin’ny Ecole Doctorale Oniversity Ravelojaona amin’izao fotoana izao . .

Fandraisam-pitenenana :

Nandray anjara fitenenana voalohany ny Solotenan’ny dokotera vao navoaka nanao ny teny fisaorana tamin’ny fiteny Betsileo (P.Andriambahiny Maminiaina) .Nifandimby niteny kosa taorian’izany ireo Zoky ray amandreny  , ny Filohan’ny Akademia Malagasy . ..

Mahavelom-panantenana ny fananana ireto vokatra « faneva » ireto na eo amin’ny fiainan’ny fiangonana na ny firenena . Tokony hahavaha olana ireo , mahavoaka demonia , ,mahaforon-javatra ,mahavaly fanontaniana ,mahova ny zava-misy,mahazaka hazo fijaliana . Isan’ny mampiavaka ny dokotera dia tsy toroana intsony  fa  olona hitondrana olana aza, indrindra fa ao anatin’ny vanimpotoana sarotra no ivoahan’izy ireo .

 Azo lazaina ihany koa ,hoy ireo nandray ny fitenenana fa sady Mpampianatra ireo no Mpikaroka  ka tokony hanoratra Boky . Tsara ihany  ny manamarika ety am-pamaranana fa ny iray amin’izy ireo dia voatendry ho EVEKA ANGLIKANA  any Antsiranana. Miarahaba sy mirary soa ho azy ireo isika hahavita be amin’ny asan’ny Tompo sy amin’izay ilàn’ny firenena azy avy.

Amin’izany rehetra izany dia asandratra ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Nangonin-dRamatoa Sahondramalala Vololona

Site web FOIBE FJKM

Talata 27 Jona 2023


Marka 9. 14- 29

Finoana manafaka


1- Manatòna an’i Jesoa amin’ny finoana

Lehilahy iray no nanatona an’i Jesoa ary nitondra ny zanany voagejan ‘ny fanahy ratsy. Nilaza izy fa efa nentiny tamin’ny
mpianatr’i Jesoa izany fa tsy hain’izy ireo ny nanafaka ny Zaza. Manaitra ny valin-teny nambaran’i Jesoa eto : «ry taranaka tsy mino !.. Ento ety Amiko izy». Finoana no hanatonantsika an’i Jesoa. Fahasitranana roa sosona no nitranga rehefa nanatona an’i Jesoa izy ireo. Ny tsy finoana sy ny aretina no indro sitrana. Hoy ny voasoratra hoe :«Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy, fa izay manantona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy lzy sady Mpamaly soa izay mazoto nitady Azy» (Heb 11.6)


2- Manàna finoana tsy mihemotra.

Na dia nataon’i Jesoa hoe: «taranaka tsy nino» aza ireto olona ireto dia tsy nihemotra fa niroso hatrany satria te- ho voavonjy. Fa misy ny olona ao am-piangonana dia mora tohina rehefa ambara aminy ny fahalemeny. Hitantsika eto ary fa nahiliny tamin’ny mpianatry ny Tompo ny tsy fahombiazana. Kanefa ny Tompo dia nahita fa izy ireo no tena tsy nino. Na izany aza dia niroso hatrany tsy nihemotra izy ireo fa nisisika mba hahazo famonjena. Isika ihany koa dia tian’ny Tompo hanam-pinoana tahaka izany. Fa hoy voasoratra hoe: «Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny Fanahy» (Heb 10.39). Hoy koa Jesoa : «… ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina…» (Mat 11.12)

Fanontaniana :
Inona avy no mety nampihemotra anao amin ‘ny finoana an ‘I Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM