Zoma 19 Mey 2023

SALAMO 11.1-7

Eto anivon’izao tontolo izao dia mitombo andro amana alina ny herisetra sy ny tsy rariny , izay miseho amin’ny endrika mampivarahontsana mihitsy , fa misy olona sasany tena mahavita manao habibiana amin’ny olombelona tahaka azy ihany . Niatrika toe-javatra tahaka izany ny mpanoratra ity salamo 11 ity , araka izay ambaran’ny sakaizany eo amin’ny andininy 1-3 , ary asongadiny ny valin’ny fanontaniana hoe : inona no ataon’Andriamanitra eo a anoloan’izany ?

2-Mizaha toetra Izy

Tsy misy miafina amin’Andriamanitra tokoa ireny fampahoriana sy fampizakana ny tsy eran’ny aina ataon’ny zanak’olombelona amin’ny tsy manan-tsiny ireny . Hoa an’izay iharan’izany dia ampaherezina eto fa »mizaha toetra » azy Andriamanitra .Ao anatin’ny zava-tsarotra tokoa Andriamanitra no misedra ny herin’ny finoana Azy . Koa tsarovy mandrakariva fa mahita izay zava-tsarotra sy mampahory mihatra aminao Andriamanitra , ary i Jesoa aza moa ao amin’ny Jao 11.4 dia milaza hoe :  » tsy ho fahafatesana no qnqton’izao , fa ny hampisehoana ny voninahitr’Andriamanitra » .Ary dia hamafiso ny finoana .

2-Hanafaka ny marina Izy

Tsy mitazam-potsiny ilay Andriamanitra izay mizaha toetra ny marina , fa mamonjy sy manafaka azy ireo rehefa voasedra ny finoany .Ny fanafahan’Andriamanitra ny olo-marina miorina amin’ny finoana dia tonga sazy sy famaizana tsy azo ialana ary tsy misy fanafany ho an’ny ratsy fanahy mampahory .Koa dia mahareta ,ary velomy ny fanantenana fa hahafaka anao tokoa Andriamanitra .

Fanontaniana :

Inona no mahatonga ny olona tsy handray ny fdanafahan’Andriamanitra azy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV