Alarobia 17 Mey 2023

ROMANA 8.14-17

Ny Fanahin’Andriamanitra ao amin’ny olona

1-Fanahy maha-zanaka

Araka izay ambaran’ny Soratra masina eto dia »mitarika » ny zanak’Andriamanitra ny Fanahin’Andriamanitra .Tahaka ny mpmapianatra izay nitarika ny mpianany sy mampianatra azy izay zavatra tsy mbola hainy, na koa toy ny mpitari-dàlana an’ireo vahiny mpizaha tany ka sady mitarika amin’izay làlana tokony hombana no mampahafantatra izay zava-tsoa sy mahaliana ary izay zava-doza ilana fitandremana .Koa dia ny olona rehetra izay resy lahatra sy manaiky ho zanak’Andriamanitra dia tsy maintsy manaiky hotarihan’izany Fanahin’Andriamanitra izany .Ary amin’izany dia Ilay Fanahin’Andriamanitra mihitsy no manamarina ny maha-zanak’Andriamanitra , fa tsy hoe : vokatry ny faharesen-dahatra sy fanekena izay atao fotsiny no mahatonga ny olona ho zanak’Andriamanitra .

2-Fanahy maha-mpandova

Ny zanak’Andriamanitra dia tonga fianakaviana iray ao amin’i Jesoa Kristy sy noho ny Aminy .Ary ilay Andriamanitra Ray dia manam-pikasana tsara ho an’ny ankohonany ka manomana lova soa sy sarobidy ho an’ny zanany rehetra .Tsy mba tahaka ny lova rehetra eto aminizao tntolo izaoa anefa izany , lova izay tsy azon’ilay mpandova horaisina raha tsy maty sy efa tsy eo intsony ilay namela ny lova ,fa ny an’Andriamanitra kosa dia lova maharitra mandrakizay ary sitrahana eo anatrehany miaraka amin’ireo zanak’Andriamanitra rehetra zandrin’i Jesoa izay lahimatoa amin’izany fandovana izany .

Fanontaniana :

Inona no lova sarobidy omanin’Andriamanitra ho an’ny zanany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM