Sabotsy 21 Janoary 023

Salamo 95.1-11

Ny olona mahatsiaro ny faharian’Andriamanitra

1- Midera sy mihoby Azy

Ny fiderana dia tena fiainan’ny olon’Andriamanitra. Fa toe-po manao ahoana tokoa no hanatanterahana izany? Amin’ny fifaliana dia «Aoka hanao feo fifaliana», fifaliana izay tsy amin’ny endrika ivelany fotsiny na atao itadiavana fahafinaretam-panahy mandalo, fa ilay fifaliana tena izy teraka noho ny fihaonana amin’i Jesoa Kristy velona, ilay «Vatolampy famonjena antsika» ; amin’ny fo madio sy mahitsy fa «izay madio am-po no hahita an’Andriamanitra» na koa hoe : «hankeo anatrehany amin’ny fiderana», amin’ny fo mahatsiaro ny soa rehetra noraisina maimaim-poana avy amin’Andriamanitra. Mahalala mankasitraka sy misaotra Azy noho ny amin’izany. Ary indrindra amin’ny fo feno fitiavana sy fanajana tanteraka «ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah, Mpanao antsika»

2- Mankato ny Teniny

Ireo toe-po voalaza ireo dia tsy vokatry ny fandinihana sy fikarohan’ny saina tsy akory, fa araka izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Araka izany dia tena fepetra fototra sy mampiavaka ny fianan’ny olona mahatsiaro ny faharian’Andriamanitra ny fankatoavana ny Teniny, nihoatra noho ny zava-kafa rehetra. Ny olona maniasia rahateo dia tsy mba hiditra ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra fa «ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy»

Fanontaniana :

Inona no fantatrao, ambaran’ny Soratra Masina momba ny fiderana an’Andriamanitra? Ahoana no iainanao izany?


Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV