Hafatra Krismasy 2022

π ππππππππππ ππππππππ ππππ
Ry Havana Malala,
« Voninahitra any amin’ny Avo Indrindra ho an’Andriamanitra ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany ho an’ny olombelona fa nanehoany fitia !Β Β» (Lio. 2: 14)
Izany hiran’ny anjely, tanteriko araka ny dikan-teny Iombonana eto Madagasikara, izany no iarahabana antsika amin’izao Krismasy 2022 izao ka irariana soa ho antsika hoe :
πΈππππππ ππππ’ππ πΆπππππππ ππ πππ πππππ’ππ πππππ ππππ !
I JESOA KRISTY jerena. Andriamanitra tonga olombelona Izy ho  » Imanoela« , izany hoe, raha adika: « Amintsika Andriamanitra », miara-monina amintsika Andriamanitra ! Ary izany no ilazana hoe:
πΈππππππ ππππ’ππ πΆπππππππ ππ πππ πππππ’ππ πππππ ππππ !
Fa tsy hadinon’ Andriamanitra ao anatin’ny olam-piainana mianjady amintsika akory isika olombelona, na toy ianao no toy inona hamafin’izany. Mahereza, eto aminao i JESOA fa tsy mamela Anao ho irery ! Koa:
πΈππππππ ππππ’ππ πΆπππππππ ππ πππ πππππ’ππ πππππ ππππ !
Eto akaikinao i JESOA ! Antsoy Izy. Mivavaha Aminy ! Nefa mihoatra noho izany : asao hiditra ao amin’ny fonao sy ny fiainanao Izy, ka na mety ho ratsy sy maimbo toy ny tranon’omby aza ny fonao, tsarovy fa vonona hiditra ao Izy hanova izany ho tempoly Masina ! Fa raha mbola ao i JESOA ho hainao izao hafatra izao hoe :
πΈππππππ ππππ’ππ πΆπππππππ ππ πππ πππππ’ππ πππππ ππππ !
Ary enga anie mba tsy hotenitenenim-poana ny anaran’i JESOA KRISTY amin’izao Krismasy izao, ka i JESOA KRISTY ankalazaina, nefa ny atao hitenenan-dratsy ny Anarany, ny fiainana mampitomany Azy ! Fa mba Izy Tompon’ ny fety anie no ho faly voalohany mahita antsika tena tia Azy marina, tena mino Azy marina, Ary mitondra tena mifanaraka amin’izany, dia hiantefa amintsika ny fifaliana tena izy avy Aminy, ka ho haintsika ivelomana izao hafatra izao hoe:
πΈππππππ ππππ’ππ πΆπππππππ ππ πππ πππππ’ππ πππππ ππππ !
Dia mirary Krismasy sambatra miaraka amin’i JESOA KRISTY, Imanoela, ry Havana !
Ary HO AN’ ANDRIAMANITRA NY VONINAHITRA !
πππππ πππππππππππππππ ππ¦π¦π’, ππ©π’πππ§ππ«π’π§π
π
π’π₯π¨π‘ππ§’π§π² π
πππ