Alatsinainy 05 Desambra 2022

1 TMOTY 2.1-7

Ny hahazoana ny fiadanana

1-Mivavaha ho an’ny mpitondra

Mazava tsara eto ny toromarika omen’i Paoly Apostoly fa tokony ho entina amam-bavaka ny mpitondra ao anatin’ny fiaraha-monina .Manana ny toetra mampiavaka azy izy ireny : ao ny masiaka,manao fitondrana mampahory vahoaka ,manavakavaka, mety ho tsy mahasoa ny fomba fitondrany. Rehefa mitondra am-bavaka ny mpitondra ny fiangonana , ny mpino kristiana dia miasa amin’ny fomba tsy takatry ny sain’olombelona amin’izy ireny Andriamanitra ka manova sy manitsy ny diany ,manova ny toetrany . Ilay Tompon’ny fanjakana no hamangy ny fony mba hisehoan’ny fiadanana ao amin’ny fiaraha-monina .Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrIndra.

2-Mitoria Ilay Jesoa Kristy Mpamonjy

I Jesoa Kristy no Tompon’ny fanjakana rehetra .Fikasany ny handraisan’ny olona rehetra ny famonjena notanterahany teo ambony hazo fijaliana,ny nandreseny ny fahafatesana ka nitsanganany tamin’ny maty.Rehefa manjaka ao amin’ny fiaraha-monina ny fiadanana, ny filaminana dia afaka manao asa fitoriana malalaka ny fiangonana ,hitombo isa ireo mandray ny Filazantsara ary mety handray ny Filazantsara koa aza ireo mpitondra . Ny fandraisan’ny sokajin’olona rehetra ny Filazantsara ,ny fanekena Ilay Jesoa Tompon’ny fanjakana dia manova ny tontolon’ny fiaraha-monina ,tsara ny fifandraisana ,mihavana ny olona ,tanteraka ny fiainam-piadanana.

Fanontaniana :

Mikatsaka ny fiainam-piadanana ny olona ankehitriny .Inona no tokony ataon’ny fiangonana na ny tsirairay?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV