Alahady 20 Novambra 2022

DEOTERONOMIA 33.26-29

NY FAHASAMBARAN’NY  OLON’ANDRIAMANITRA

1-Dia noho ny fananany Andriamanitra lehibe izay tsy  nisy  toa Azy  (and 26-27)

Tononkalo  nataon’I Mosesy  momba ny Zanak’Israely ity ary eto  dia milaza ny fahasambaran’izy ireo  izay manana Andriamanitra miavaka amin’ny fahatsarany. Ao amin’ny Soratra masina  dia ny Andriamaniny no mamaritra ny herin’ny firenena, ka resin’ny andriamanitra mifanandrina aminy ny vahoaka .Tsy ho resy mihitsy anefa ireto Israely, satria tsy misy maharesy an’Andriamanitra,fa raha mahafoy na miala  amin’Andriamanitra kosa izy ireo  dia resy avy hatrany .

2-Dia noho ny fananany  tany miavaka (and28)

Ny tanin’izy ireo  koa dia miavaka aoka izany,satria tany be sakafo  mahasoa ,dia tany mahavokatra varimbazaha sy voaloboka , satria andon’ny lanitra no mampitsiry  ny fambolena ao .Anisan’ izay maneho   ny  herin’ny  firenena  iray ara-toekarena  ny tanjany  ara-pamokarana . Izany koa dia manambara ny mahasambatra  azy ireo , satria lova  tsara  tsy msy  toa azy  eto ambonin’ny tany  ny fananany io tany io .Voalaza tokoa aza fa manana harena an-kibon’ny tany  maro  be tokoa  io Palestina io .Tena sambatra ny  vahoakan’Andriamanitra .

3-Dia noho ny fananany  fiarovana azo  antoka (and29)

Araka izany dia toy ny ampinga aminy I Jehovah Andriamanitra raha misy ady atrehina .Omeny  fahafahana   hanetry ny avonavon’ny fahavalo  koa izy reo . Feno tanteraka  izay fepetra ilazana fa sambatra tokoa ireo  vahoaka ireo , satria na ara-panahy na ara-toekarena na ara-pandriampahalemana dia feno  .Tena sambatra tokoa !

Fanontaniana:

 Mahatsiaro  sambatra  tokoa  ve ianao  manana io  Andriamnitry ny Israely izay  Andriamanintsika koa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV