Alatsinainy 31 Oktobra 2022

2 MPANJAKA 23.4-15

Ny fahasahian’i Josia mpanjaka hanapaka tarangana ny fanompoan-tsampy sy ny fahavononany hanarina indray ny fivavahana amin’i Jehovah no vontoarin’ny Mofonaina anio .Mampianatra antsika indrindra izany mba hitandro ny fahamasinan’ny tempolin’Andriamanitra ka :

1-Hanongotra ny haratsiana (and4)

Voalaza eto fa nandidy ny mpanjaka mba « hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ny bala sy astarta …ka nodorany tany ivelan’i Jerosalema … » Mampiharihary amintsika izany fa tsy navela hanana toerana intsony ny faharatsiana sy ny fanompoan-tsampy rehetra na izay forongony mifamatotra aminy , satria masina ho an’Andriamanitra ny Tempoliny (voatokana).Tsy ireo ihany fa raha manohy mamaky isika dia hahita fa ny and 6-15 dia mitantara ny nandotoan’i Josia sy ny nanorotoroany ny sampy rehetra .Rehefa tapa-kevitra hanompo an’Andriamanitra ary dia ialao avokoa ny fanao ratsy taloha fa ireny no « siny hoditra tonta » , tsy azo asiana « divay vaovao » (Mat 9.17) , hoy ny fampianaran’i Jesoa.

2-Hampitsahatra izay tsy mendrika (and5)

« Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ny andriamanitsi-izy ... » hoy ihany ny fitantarana eto , izany hoe : tsy nisalasalan’i Josia mihitsy ny nampitsahatra tamin’ny andraiky ireo maniratsira sy mitaona ny olona ho amin’ny fahotana na dia notendren’ny mpanjaka nodimbiasany aza ireny .Tsy mba nana-tahotra izy .I Jesoa dia nanindry mafy ny maha-fanasina ny mpino , fa raha tonga matsatso , inona indray no hahasira azy ? (Mat 5.13). Ny Fiangonana ihany koa dia tsy tokony ho mati-kenamaso handray fanapahan-kevitra amin’izay mitarika ny olona ho amin’ny làlan-diso na amin’ny fitondran-tenany na amin’ny fomba fiasany .

Fanontaniana :

Inona no tsy hahasahian’ny tomponandraikitra mandray fanapahankevitra hentitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 30 Oktobra 2022

GALATIANA 4.8-20

Izao taratasy alefan’iPaoly ho an’ny Galatiana  izao dia mampianatra  antsika  hoe : rehefa nandray ny Filazantsara  dia :

1-Aza mandrorona (and8-11)

 « fa ankehitriny  rehefa mahalala  an’Andriamanitra  ianareo , nahoana ianareo no dia  miverina  indray  ho amin’ny abidiam-pianarana  malemy sady tsy misy na inona na inona  nefa tianareo hotompoina indray« . Hentitra I Paoly mananatra ny Galatiana  “Ry Galatiana adala”  aza no niantsoany  azy ao amin’ny Gal 3.1) satria  efa nanao dingana lehibe ny Kristiana tao, efa nandray ny Filazantsara , kanefa  dia mitady hiverin-dàlana indray ka hanadino ny famonjena efa azo rahateo . Efa tafafindra niala tamin’ny fahafateana  ho amin’ny fiainana” (Jao 5.24) hoy I Jesoa  izay mino Azy. Efa velona izao ve  hitady fahafatesana indray ? Tandremo àry mba tsy handraraka ilo mby an-doha , hiverina hilom-potaka indray.Fahadalana bevava izany .

2-Meteza hanarina (and12-16)

“Koa efa tonga fahavalonareo va aho,satria milaza ny marina  aminareo?” , hoy I Paoly manohy ny fananarany .Tsy mitsitsy fitenenana I Paoly manitsy ny Galiliana , ny ao ambadik’izany  anefa dia tsy fankahalana velively fa fampisaintsainana sy fitaizana aza . Mazana . Mazana tsy tantin’ny olona ny teny mahitsy sy marina atao hananarana azy ka manjary hatsangany  ho fahavalo indray izay mananatra .Efa nanjo an’I Jesoa matetika izany , ka ny filazany ny marina no anisan’ny nankahalan’ny Fariseo sy ny namany  ka nitadiavany izay hahafaty an’I Jesoa  mihitsy. Ianao kosa , taomina anio mba tsy hanetsi-tadiny fa handray am-pitiavana  izay fanitsiana  ataon’ny ray aman-dreny fa “ny zanaka tiana no anarina”  (Apo 3.19)

Fanontaniana :

 Manoloana ny mofonaina anio, mby aiza anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 29 Oktobra 2022

LIOKA 22.23-30

 Taomin’i Jesoa ny mpianany

1-Tsy hiady voninahitra (and24)

Hoy i  Jesoa   hoe : « …fa tsy mba toy izany ianareo , fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry , ary izay manapaka dia aoka ho toy ny manompo” .Nofaranan’I Jesoa ny fifandiran’ny mpianatra  dia nohazavainy fa tsy mitovy amin’ny fijerin’izao tontolo izao  ny fomba fijery  tokony ananan’izay   manara-dia an’I Jesoa .Eto  amin’izao tontolo izao   dia hihazakazahana  ny fanondrotan-tena , ny fanambonian-tena ka hampisongadinana ho  lehibe sy ambony ary atao  mihitsy  aza ny fomba rehetra hahazoana izay heverina ho “toeram-boninahitra” izany  .Fa ho an’ny kristiana  kosa, tsy ny halaza na hitady  toeram-boninahitra eto an-tany  akory   ny antom-pisiana fa ny soatoavin’ny fanompoana .

2- Hianatra  fanetrentena Aminy (and27b)

 Manohy  ny teniny I Jesoa  eto hoe : “ …Fa izaho  dia eo aminareo  toy izay manompo “,izany hoe: misarika ny sain’ny mpianatra izay hianatra aminy ,dia Izy izay nanana ny  toerany ambony eto amin’izao tontolo izao fa nanaiky hietry haka ny toeran’ny  mpanompo mba hamonjena izao  tontolo izao .Isika koa taomina  mba ho ao anatintsika  ny fanahin’ny fanompoana sy ny fanetrentena fa mazava ny fampianaran’I Jesoa anie “fa izay manetry tena no asandratra ary izay manetry tena no haetry” (Mat 23.12)

3-Hahazo fa mahalala ny ataony I Jesoa (and29)

Koa Izaho  dia manendry  fanjakana ho anareo …mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro  amin’ny fabjakako…” Tian’I Jesoa ampitaina eto fa mahalala ny tokony  hataony  amin’ny  mpiasany Izy , tsy avelany  ho very maina akory ny faharetana sy ny fiaretana manaraka Azy .Mifalia isika !

Fanontaniana:

Efa ananantsika ve ireo  toe-panahy  hitaoman’I Jesoa ireo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 28 Oktobra 2022

2 TANTARA 34.29-33

Mampiavaka an’i Josia mpanjaka ny fahasahiany nanao fanitsiam-pivavahana tamin’ny androny rehefa hita indray ny bokin’ny lalàna .Modely noomen’ity mpanjaka hendry ity fa manana adidy isika :

1-Hanao izay handrenesan’ny olona rehetra ny Tenin’Andriamanitra (and30)

«  dia niakatra ho ao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra amin’ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema …na lehibe na kely dia novakiany teo antrehany ny teny rehetra teo amin’ny bokin’ny fanekena … » hoy ny fitantarana eto .Maneho amintsika izany fa rehefa resy lahatry ny Tenin’Andriamanitra i Josia dia noraisiny ho andraikitra ny manao izay hampitana izany ko amin’ny mpiray firenena aminy , amin’ny sokajin’olona rehetra araka ny voatanisa eto . Moa ve tsy izany koa no nataon’i Jesoa ? Hitaomana antsika izany tsy ho tafandry mandry fa rehefa mahalala izany amin’ny hafa .Torio àry ny teny .Hamafiso ny tafika masina !

2-Hijoro ho vavolombelon’ny finoantsika (and31)

« Ary ny mpanjaka dia nanao fanekena teo anatrejan’i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny … »Tsy mputari-bato vilam-bava i Josia ary tsy hoe : mitory ka tonga amin’ny hoe : « aza ny ataoko no atao fa izay lazaiko tanteraho « , fa izy tenany mihitsy no lohalaharana maneho ampahibemaso ny fahavononany hanompo an’Andriamanitra .Tsy menatra izy ary tsy misy fihambahambana kely akory , sady tsy tamin’ny teny ihany fa narahiny asa izany ka « manaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tany rehetra izay an’ny Zanak’israely izy » (and 33).Isika koa taomina haneho miharihary ny finoantsika amin’ny teny sy asa.

Fanontaniana :

Inona n manakana anao tsy hanao tahalka an’i Josia ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatry ny MF/ 03 SL XIX

HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE, MF 03 SL XIX
CFD Ampandrana: 12 – 19 Oktobra 2022

Ry Havana malala,
Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara
an’Andriamanitra sy Jesoa Tompontsika. (2 Pet 1. 2).
Misaotra an’Andriamanitra isika fa vita soa aman-tsara ny fifampiofanan’ny Mpitandrina mivady, ary tontosa ihany koa ireo fihaonambe samihafa teto amin’ny sahan’ny FJKM. Misaotra an’Andriamanitra isika fa voapetraka tamin’ny fomban’ny Fiangonana, ny Sabotsy faha 15 Oktobra 2022, tao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra ireo Talen’ny Toeram-Panomanana ho Mpitandrina, ny Talen’ny Arsiva, ary ny Komitin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny Anglisy sy ireo solotenantsika ao amin’ny Komity Mpitantana Iombonana eo anivon’ny FFPM amin’ny sehatra samihafa.
Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory teto amin’ny CFD Ampandrana, Antananarivo ny 12 – 19 Oktobra
2022 dia manao izao hafatra izao ho an’ny Mpitandrina sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra:
 Mitaona ny Kristiana FJKM hirotsaka amin’ny fiofanana ho misionera, mitohy izany, mba hahazoana
manjohy ireo VOMM naorina sy hitory ny filazantsara amin’ny ankizy sy ny tanora.
 Mivavaka isika mba ho tontosa ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 55 taonan’ny FJKM amin’ny taona 2023.
 Manainga antsika hivavaka sy hiomana ho amin’ny Synodampinoana faharoa ny 11 – 14 Mey 2023, any
amin’ny SP Amoron’i Mania Ambositra raha sitrapon’ny Tompo ka handinihana ny lohahevitra momba ny
fahamarinana sy ny fitiavan-tanindrazana ary ny fanambadiana.
 Mampiomana ny Loholona sy ny Diakona rehetra amin’ny fihaonamben’izy ireo ny 15 – 18 Aogositra 2023 raha sitrapon’Andriamanitra. Hampitaina miandalana ny andinindininy mikasika izany. Ampiomanina toy izany koa ny Katekista amin’ny fihaonambeny ny 11 – 14 Jolay 2023.
 Manentana antsika hiroso amin’ny fanaovana fanompoam-pivavahana amin’ny teny Anglisy any anivon’ny Fiangonana sy ny Sekoly FJKM.
 Mampirisika antsika Kristiana FJKM hampianatra ny zanatsika amin’ny Sekoly sy ny Oniversity FJKM fa
azo tsapain-tanana ny ezaka sy ny vokatra tsara vitan’ny sekolintsika.
 Mampirisika ny SP sy ny Fitandremana mba hanangana sekoly FJKM, hanatrarantsika ny vina hanangana
sekoly 111 ato anatin’izao fe-potoam-piasana izao; ary isaorana ny Tompo ny efa nahafahana nanorina
sekoly 41 sahady taorian’ny Synoda Lehibe faha XIX.
 Atomboka ny fampiharana ny SOMAIA (Soratra Masina Iainana) ka ny ambaratonga voalohany no
hisantatra izany, ary FPMP miisa 7 no hanao izany.
 Taomina isika hanohana ny Sekolintsika amin’ny alalan’ny Kitapo Iombonan’ny Sekoly ankilany ary amin’ny fanokanana ny 2% amin’ny tetibolan’ny Fiangonana ho an’ny Sekoly andaniny ary angatahina isika handrotsaka manontolo ny rakitra Alahadin’ny Sekoly any amin’ny Foibe Fitondran-tSekoly.
 Hankalaza an’Andriamanitra noho ny faha 25 taonan’ny toeram-panomanana Mpampianatra (IFRP) isika
ny taona 2023, ampitaina miandalana amintsika ny andinindininy mahakasika izany.
 Mankasitraka eram-po ny Mpitandrina sy ny Prezida Synodaly rehetra miaraka amin’ny Birao isan-tsokajiny amin’ny fiahiana ireo Mpiasa Iombonana sy ireo mpiasa misotro ronono ary ireo vady navelan’ireo efa nodimandry.
 Misaotra antsika amin’ny ezaka famitana ny adidy na dia eo aza ny fahasahiranana sy fahasarotana
samihafa ary manentana antsika am-pitiavana hatrany koa ny amin’ny Kofehy Volamena izay 200 Ar
isan’olona isan-taona.

 Mankasitraka manokana ny fanehoantsika fiombonana tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanohanana ny
mpiasan’ny Foibe Ifanomezantsoa izay efa nataonareo tamin’izy ireny dia efa nataonareo tamin’ny Tompo
koa (Mat 25. 40)
 Taomina isika ry havana hiroso amin’ireo tetikasa samihafa ho loharanom-bola maharitra na eny anivon’ny Fitandremana na ny Synodamparitany na ny Faripiadidiam-pampianarana.
 Eo am-pamokarana “Application” isika FJKM ankehitriny. Izy io dia maneho ny finoana sy ny fihariana
hahafahan’ny mpianakavin’ny finoana mitory ny filazantsara sy mifampivavaka, mampahafantatra ny
fitandremana tsirairay sy ny asany ary ny fandrosoany, manome ho amin’ny asa tsaran’ny finoana ary koa
manao takalo ara-barotra.
 Mampirisika ny isam-pitandremana hanangana ny Vaomieran’ny Fananana ka hanao ny dingana samihafa ho fiarovana sy ho fikajiana ny fananantsika FJKM.
 Manentana ny isam-pitandremana mba hiroso amin’ny “Rakitra Soa”, hanaovana asa sosialy (anatiny sy
ivelany) ho fanehoana fiombonana sy fifampiahiana.
 Miantso ny tsirairay hahatsiaro fa sarobidy ny aina sy ny maha olona ka tokony harovana sy tsinjovina
mandrakariva, singanina manokana amin’izany ireo zaza varira.
 Mijoro hatrany ny FJKM mampahatsiaro fa masina ny fanambadiana ka tsy ekena ny fiarahan’ny mitovy
fananahana.
 Manainga ny mpitondra fanjakana hampanjaka ny fahamarinana sy handray andraikitra manoloana ny
fahantrana lalina, ny tsy fandriampahalemana, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ny
fiparitahan’ny zava-maha-domelina ary ny fandoroana tanindrazana izay mahazo vahana eto amin’ny
firenentsika ankehitriny.
 Miantso ny rehetra hifampihaino mba hisian’ny filaminana sy hampanjaka ny fihavanana, indrindra
amin’izao ankatoky ny fifidianana eto amin’ny firenena izao ary samy handray andraikitra mba ho madio sy mangarahara izany fifidianana izany.
“Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah, mpanao ny lanitra sy ny tany.” (Sal 134. 3)

Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe

Ny Filohan’ny FJKM

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Alakamisy 27 Oktobra 2022

MATIO 5.21-26

Ao anatin’ny toriteny nataon’i Jesoa tany an-tendrombohitra ny mofonaina anio .Manamarika ity toritenin’i Jesoa ity ny fitondrany fahazavan-tsaina vaovao sy fomba fijery mihamazava ny lalàna voasoratra .Ampianarin’i Jesoa ny tena zava-dehibe isika anio

1-Heloka ny mankahala (and22)

« fa izaho kosa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra aamin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana ... » Misongadina eto fa ny hevitry ny hoe: « mamono olona » araka izany dia tsy izay fihetsika mandatsaka aina ihany na fivelezana kibay , fa raha vao tezitra ao am-pony dia efa meloka .Raha izany , firy izay ny olona efa matinao ?

2-Zava-poana ny fanatitra mbola rahonan’ady

« Avelao eo amin’ny alitara ny fanatitrao , ka mandehana ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao … »(and24) , hoy i Jesoa .Azo takarina avy amin’izany fa raha mbola tsy milamina ny fifandraisantsika amin’ny hafa dia tsy misy heviny ny fanatitra ataontsika fa ho very maina izany .Ataovy laharam-pahamehana ary ny famerenana amin’ny laoniny izay fifandraisana tapaka na inona na inona antony mba tsy ho mpivavabava-poana isika .Aza mangataka andro fa tanteraho amin’izao fotoana izao izay tokony atao .

3-Hanenenana ny manavato fo (and26)

« ...lazaiko aminao marina tokoa , tsy ho afaka ao mihitsy ianao ambara-pandoanao ny variraiventy farany  » . Izany hoe : mbola misy ny fotoana hahazoana mandravona ny fihavanana , dia ataovy izany fa hanenenana ny fiziriziriana sy ny fanamafisam-po .Tsy hitondra fiadanana izany fa ho vesatra aza.Koa mandefera , ataovy ny dingana voalohany na tsy ianao aza no diso .Mianara amin’i Jesoa , manatona !

Fanontaniana:

Ahoana ny fanapahankevitrao manoloana ny hafatra anio ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fihaonambe Komity Foibe

FIANTSOANA

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo.

Araka ny fanapahan-kevitry ny Mpiandraikitra Foibe MF 02 SL XIX sy ny BMF FIV.037 dia:

Antsoina ny Komity Foiben’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa eto anivon’ny Foibe FJKM ho tonga hiatrika ny Fihaonambe Voalohan’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa izay hatao ao amin’ny FJKM Analamahitsy SP IARIVO AVARADRANO (SP 19) ny Talata 01 sy Alarobia 02 Novambra 2022 ho avy izao.

Iangaviana ianareo Sampana sy Sampanasa ary Asa mba handefa ny lisitry ny Komity Foibe rehetra aty amin’ny Departemantan’ny Fiangonana sy ny lisitr’izay afaka hanatrika io Fihaonambe io.

Ny Sampana sy Sampanasa ary Asa tsirairay avy dia hiomana amin’ny fandaminana ny fampiantranoana ireo Komity Foibeny.

Hisy sakafo atoandro hamidy 4000 Ariary eny an-toerana, ka izay hiombona amin’izany dia hiantso ny laharana 034 30 072 77.

Ny vidin’ny boky fiofanana dia 5000 Ariary, ary aoka hivonona amin’ny fitaovam-panoratana sy fandraisana an-tsoratra ny mpivory.

“Miazakazaha toy izany mba hahazoanareo” I Kor. 9, 24

Manao veloma finaritra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana.

 NY SEKRETERA JENERALY

RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina

NY TONIAN’NY DEPARTEMANTAN’NY FIANGONANA              

      ROBSON RADO Lalaina Johary, Mpitandrina                         

Komity Foibe Sampana

Fihaonambe 2022

Ry havana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo.

Araka ny fanapahan-kevitry ny Mpiandraikitra Foibe MF 02 SL XIX sy ny BMF FIV.037 dia:

Antsoina ny Komity Foiben’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa eto anivon’ny Foibe FJKM ho tonga hiatrika ny Fihaonambe Voalohan’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa izay hatao ao amin’ny FJKM Analamahitsy SP IARIVO AVARADRANO (SP 19) ny Talata 01 sy Alarobia 02 Novambra 2022 ho avy izao.

Iangaviana ianareo Sampana sy Sampanasa ary Asa mba handefa ny lisitry ny Komity Foibe rehetra aty amin’ny Departemantan’ny Fiangonana sy ny lisitr’izay afaka hanatrika io Fihaonambe io.

Ny Sampana sy Sampanasa ary Asa tsirairay avy dia hiomana amin’ny fandaminana ny fampiantranoana ireo Komity Foibeny.

Hisy sakafo atoandro hamidy 4000 Ariary eny an-toerana, ka izay hiombona amin’izany dia hiantso ny laharana 034 30 072 77.

Ny vidin’ny boky fiofanana dia 5000 Ariary, ary aoka hivonona amin’ny fitaovam-panoratana sy fandraisana an-tsoratra ny mpivory.

“Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo” I Kor. 9, 24

Manao veloma finaritra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana.

NY SEKRETERA JENERALY

  RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina

NY TONIAN’NY DEPARTEMANTAN’NY FIANGONANA             

      ROBSON RADO Lalaina Johary, Mpitandrina