HAFATRA KOMITY FOIBE FAHA-V

SAMPANA MPANAZAVA SY TILY
FOFIKRI ILAFY, 16-17 FEBROARY 2024


« Miorena tsara aza miova. » 1 Kor.15,58
« Aoka hirehitra ny jironareo. » Lio.12,35
« Mitsangàna mihazavà fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava » Isa.60, 1 ; ITes.5,5

Ry havana malala,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompontsika amena.

Miara-misaotra an’Andriamanitra isika fa tanteraka soamatsara ny fivoriana ara-potoanan’ny KOMITY FOIBE SAMPATI laharana faha-V, izay natao tao amin’ny FOFIKRI  FFPM Ilafy, ny 16-17 Febroary lasa teo.

Tolorana fisaorana isika rehetra tonga niatrika izany, tsy omeny tsiny kosa ireo tena tsy afaka noho ny antony manokana, indrindra ireo izay nandefa ny taratasy sy filazana tsy fahafahana manatrika. Isaorana ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, Andriamatoa, ROBSON RADOLALAINA Johary, Mpitandrina. Nanatrika ny fotoana manontolo ary nitondra ny fampianarana « SAMPATI MITANDRINA NY DIDIN’ANDRIAMANITRA : Miorina, Miasa, Mihavao » Araka ny Mat.18, 10-14. Isaorana manokana ihany koa ny Filoha sy ny Birao Synodamparitany SAMPATI Iarivo Avaradrano, (SPIA 19), ary ireo Fitandremana (Fivondronana), nanolotra ny sakafo sy ny fikarakarana rehetra ho an’ny Komity Foibe faha-V.  Anterina araka izany, ho antsika SAMPATI, ireto teboka manaraka ireto :

  • Taom-panavaozana ity taona ity, koa aoka isika hitondra am-bavaka, tsy tapaka : eo anivon’ny Fitandremana, Synodamparitany, ary ny Foibe ka haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra.
  • Zaikabe faha-IX, hotanterahina any Morondava, ao amin’ny FJKM Mahagaga Fitahiana, Synodamparitany Fahazavana Atsimo Andrefana (SP 36), ny 24-26 Septambra 2024.
  • Famoahana ny Boky torolalana, fampiharana fitsipika II, izay hampiasain’ny rehetra, ho mariky ny fiombonana.
  • Ny litorjia SAMPATI, izay hisy ny fanolorana Toniam-pivondronana, ary ny endriky ny fanaovana fanekena Mpiandraikitra, rijan-tenim-panekena ary indrindra ny anjara andraikitry ny Mpitandrina ao amin’izany.
  • Hamafisina hatrany ny fisian’ny taratasy fanolorana ataon’ny Mpitandrina, na ny ambaratonga mpiahy ho an’izay voaantso ho amin’ny andraikitra maha Mpanabe eo anivon’ny MTEM.
  • Momba ny folara SAMPATI, dia ampiasaina ho mariky ny fiombonana ny folara faha-30 taona, indrindra amin’ny fotoana izay hisian’ny hetsika iombonan’ny SAMPATI ; misy ny LOGO SAMPATI aoriana ; ka hiezaka isika mba hanjifa izany aty amin’ny SAMPATI FOIBE manomboka izao.
  • Tolorana fisaorana sy fankasitrahana,  ireo fiangonana sy fitandremana efa nanatitra ny rakitra Foibe, ary ireo Synodamparitany efa nahavita ny adidy foibe ; entanina hatrany kosa ireo tsy mbola nahavita izany.
  • Tolorana fisaorana manokana ireo komitin’ny faha-30 taona SAMPATI, izay nahavita ny hazakazaka masina, tsangambato dia ny fanatsarana ny MANASOA SAMPATI, ary ny sampandraharaha fampamokarana sy loharanom-bola maharitra, ho an’ny fanohizana ny asa ho an’ny SAMPATI.
  • Momba ny ezaka fanavaozana Fiara SAMPATI dia nohatevenina ireo komity teo aloha ka hisy ny ezaka sy ho fanatrarana ny tanjona.
  • Tanteraka ny fitondrana am-bavaka ho fanokafana ny taom-piasana sy fanabeazana SAMPATI, teo amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana, ny alahady 18 Febroary 2024, sady nisaorana an’Andriamanitra noho ny fahavitan’ny faha-30 Taona SAMPATI, ary nankasitrahana ireo namorona ny hira faneva sy ny LOGO.

Raisina ho andraikitra ny mampahafantatra : Ny hafatry ny Filohan’ny FJKM

Ndao hiainana sy hiombonantsika ny hoe: Mahatanjaha! Mivavaha! Miasà ! Mihavaha !

Nohamafisiny koa ny foto-pinoana tanan’ny FJKM manoloana ny firimorimon’ny fanatontoloana FA Tsy afa-miaraka ny foto-pinona Kristiana sy ny maha Framaçonnerie – Tsy afa-miaraka ny foto-pinoana Kristiana sy ny fiarahan’ny mitovy fananahana, indrindra ny fanambadian’izy ireo. Marihina fa efa nahafantatra izany koa ny KL /MTEM; izay manentana mafy, ho an’ireo mpikambana ao aminy ho voaaro amin’izany ; koa ny manabe, sy mivavaka hatrany ho an’ireo tanora sy mpikambana rehetra no hataontsika – Ndao isika iombom-pifaliana amin’ny TILY Eto Madagasikara, nohon’ny fankalazana an’Andriamanitra ny Jobily,faha 100 taona niorenany. Ndao hifanentana ny mpikambana TILY rehetra ato amin’ny FJKM mba hanao ho zava-dehibe izany taom-pankalazana izany; indrindra fa ny ivony dia  ny lasin-jobily amin’ny 01-06 Aogositra 2024. Toy izany koa ny fiombonantsika amin’ny hetsika rehetra ataon’ny Mpanazava eto Madagasikara sy ny Firaisan’ny Mpanazava sy Tily Tranainy.

Ho tsarovana hatrany ny Vinan’ny SAMPATI manao hoe : SAMPATI FJKM : hetsi-panabeazana ho fampandrosoana ny Fiangonana sy ny Firenena.

Ndao hatambatra ny hery hanatanterahana ny asa sy ny soritr’asa 2024 sy izay tsy vita tamin’ny 2023.

Mirary soa ho antsika rehetra, hahita fahombiazana sy fifaliana mandritra ny taona 2024 eo ambany tana-mahery sy fahasoavan’Andriamanitra. Ka hihatsara hatrany ny fifandraisana eo amin’ny ambaratongan-drafitra sy ny ambaratongam-pitondrana ; indrindra eo amin’ Andriamanitra. Tsy hanadinoantsika SAMPATI, hivavaka mandrakariva ho an’ny Fiangonana sy ireo tompon’andraikitra ary ny Firenena mba hanjakan’ny fiadanana. 

Farany: 

« Aoka hirehitra ny jironareo » (Lio. 12 :35b)

« Miorena tsara amin’ny finoana » (Pet.5 :9b)

« Mitsangana ,mihazavà, fa hianareo koa dia zanaky ny mazava » (Isa.60 :1a, ITes.5,5)

Dia manao veloma finaritra amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa

                                            Amin’ny anaran’ny birao Foibe SAMPATI,

Ny Filoha : RABEMANANDRATRARIVO Lanto Johnson, Mpitandrina – (JABADY Miremby)

Ny Tonia : RANDRIAMANANTENA SOLO Jean Jacques Séraphin, Mpitandrina – (Fandrasa Mikalo)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV