Alahady 31 Jolay 2022

EKSODOSY 4.10-17

Andriamanitra maniraka ny olona

1-Miaraka aminy

« Koa ankehitriny dia mandehana fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao » (and12)

Rehefa niantso an’i Mosesy ho any amin’iFarao sy hitondra ny Zanak’Israely hivoaka ny tany Egypta Andriamanitra dia nandà izy satria bada lela.Nandresy lahatra an’i Mosesy Andriamanitra sady nanome toky azy fa homba ny vavany ka hanoro azy izay holazainy .Andriamanitra momba ny olom-boafidiny .Tsy mamela ny olom-boafidiny hiady irery Andriamanitra mba hahatanteraka ny fikasany .Toy izany ihany koa no nataon’iJesoa Kristy raha naniraka ny mpianatra hitory ny Filazantsara , dia nanome toky fa homba azy ireo mandrakariva .Jesoa Kristy ka tsy misaraka amin’ny olom-boafidiny manao ny asany fa aza manahy .

2-Manolotra vahaolana ho azy

« Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao ? fantatro fa mahay mandahan-teny izy … »(and14)

Rehefa nitaraina ho bada lela iMosesy dia nanome vahaolana ho azy Andriamanitra , ka i Arona no natolony hiteny amin’ny anaran’i Jehovah sy Mosesy .Vahaolana mifanitsy amin’ny olana amin’ny asa fanompoana nifidianana an’i Mosesy no nomen’Andriamanitra azy . Toy izany koa amin’ny asan’Andriamanitra izay nifidianany anao , mety hisedra olana ianao ao anatin’izany , kanefa misy vahaolana mifanitsy amin’izany efa nomanin’Andriamanitra ho anao . Aza manahy , aza matahotra , matokia an’i Jesoa Kristy amin’ny olana mitranga eo amin’ny fanompoana ataonao .

Fanontaniana:

Inona no atanao rehefa tojo olana amin’ny fanompoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 30 Jolay 2022

MATIO 24.1-14

Ny olona miomana amin’ny fiavian’ny Tompo

1-Manorina ny fanantenana amin’i Jesoa Kristy

« Lazaiko aminareo marina tokoa .Tsy avela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana »(and2)

Ny Tempoly tamin’ny andro nitenenan’i Jesoa Kristy eto dia tsara rafitra , ary nisy ampahany aza nifono volamena mihitsy . Reharehan’ny Jiosy ity tempoly ity , sady nanorenany ny fanantenany , satria mariky ny fitavan’Andriamanitra azy. Nasain’ny mpianatra nijery hy hakanton’ny Tempoly i Jesoa . Nambaran’i Jesoa fa tsy haharitra izany fa ho rava sy ho levona .Na inona na inona tsara ety ambonin’ny tany dia tsy azo hametrahana ny fatokiana, tsy azo hanorenana ny fanantenana.Koa aoreno amin’i Jesoa Kristy ny fanantenanao .

2-Miatrika fahasahiranana samihafa

« Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema fandrao hisy hamitaka anareo » (and4) . Endrika maro no isehoan’ny fitaka sady efa mitranga izany araka ny fampitandremana ataon’i Jesoa Kristy ny fisian’ny Kristy sandoka , ady eo amin’ny samy firenena , fanenjehana ho an’ny mpino kristiana , fifankahalana , fifampiampangana . Ireo rehetra ireo dia miteraka fahasahiranana sy fahoriana ho an’ny mpino . Manoloana izany , asaina miorina amin’ny finoana ny kristiana , satria « izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (and13).Tsy maintsy ho tonga ny fahasahiranana fa ny olona miandry ny fiverenan’ny Tompo no mahatahiry ny finoana hatrany .

Fanontaniana:

Ahoana ny fiandrasanao ny fiverenan’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 29 Jolay 2022

1TIMOTY 3.1-7

Ny mpanompo mahatoky

1-Marina amin’ny fitondrantenany

« Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy mana-tsiny ,manambady tokana ,mahonontena,hendry... »(and2).Tamin’ny andro nanoratan’i Paoly Apostoly tamin’i Timoty dia niely ny fampianarana fa tsy olana ny fampirafesana , ny famerenana ny mariazy aorian’ny fisaram-panambadiana , ny fanambadiana fanindroany aorian’ny fahafatesan’ny vady . Ho fanintsiana izany fomba sy toetra izany dia nampahatsiahivina teto fa olona marina amin’ny fitondrantenany no tokony ho mpitarika sy tomponandraikitra eo amin’ny fiangonana , eny ho an’ny mpino kristiana rehetra mihitsy aza izany . Ho fanarenana ny fifandraisana ao amin’ny ankohonana no anton’izany , fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy .

2-Marina amin’ny fifandraisana amin’ny hafa

« Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy , fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny … » (and7)

Ny mpitondra fivavahana dia tokony ho olona « tsara laza« sy modely eo amin’ny fiaraha-monina misy azy , indrindra ny tsy mpino mba hahafahana mitaona azy ireo ho ao amin’ny finoana an’i Kristy . Arofanina eo amin’ny fanompoana ny fitiavam-bavaka fa làlana misokatra ho amin’ny fahalavoana ny fitiavan-tena .Noho izany , tsy maintsy manana fomba fijery mitodika amin’ny tombotsoan’ny fiaraha-monina ny mpino kristiana .Mitodika hatrany amin’ny fitaomana ny hafa ho ao amin’i Kristy ny fisainan’ny mpitondra fivavahana , ary izany no mahatonga azy tsy maintsy ho « tsara laza ».

Fanontaniana :

Inona no toetranao ka misakana ny fitoriana ny Filazantsara ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fanirahana mpiasa 2022

FANOMPOAMPIVAVAHANA

NY FOIBE FJKM

Dia faly manasa  anareo am-pitiavana hisaotra sy hanome voninahitra an’Andriamanitra  amin’ny

FANOMPOAMPIVAVAHANA FANIRAHANA

IREO MPIOMANA HO MPITANDRINA SY MPAMPIANATRA 

ALAHADY  31 JOLAY 2022 amin’ny 2 .30 tolakandro  ao amin’ny

Sehatra maitso ANTSAHAMANITRA .

Mankasitraka noho ny fitondrana amam-bavaka  sy ny  fanotronanareo  ay ny fanohanana ho Voninahitr’Andriamanitra

Alakamisy 28 Jolay 2022

ROMANA 14.19-23

Ny olona mampandroso ny hafa

1-Miala amin’ny fanafitohinana azy

«  »madio avokoa ny zavatra rehetra , nefa ratsy ho an’ny olona izay mihinana amin’ny fahatafitohinana  » (and20)

Manazava ny fahalemen’ny finoan’ny hafa dia mampianatra ny Soratra masina eto fa tsy ny sakafo akory no olana fa ny fahalemen’ny hafa .Ambara fa malemy finoana ireo mpino kristiana mbola mifady ireo karazana sakafo sasany . Manoloana ireo malemy finoana ireo , ny mpino efa manana finoana matanjaka kosa tsy tokony hihinana ireo sakafo ireo eo anatrehan’ny kely finoana .Mba tsy hanafitohina ny kely finoana no antony tsy hihinanana ireo sakafo izay heverin’ny kely finoana ho fady ireo .Ho anao matanjaka ara-pinoana àry , maneke tsy hanafitohina ny hafa .

2-Mampitombo ny finoana

« fa izay miahanahana dia meloka raha homana , satria tsy avy amin’ny finoana izany , fa ota izay rehetra tsy avy amin’ny finoana « (and23)

Ho an’ireo izay mihevitra ny tenany ho efa matanjaka amin’ny finoana dia mahazo mihinana ireo sakafo heverin’ny malemy finoana ho fady , kanefa tsy tokony hiahanahana izy raha mihinana. Mariky ny tsy fahampian’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fisalasalana .Koa satria tsy mino dia tsy tokony handray na hanendry .Mitaky finoana mafy orina ao aminy ny fihinanana ireny zava-padina ireny . Heloka eo anatrehan’Andriamanitra ny fandraisana fanapahankevitra tsy arahina finoana. Ary izany no antony tokony hampitomboina hatrany ny finoana ho an’ny kristiana .

Fanontaniana:

Inona no antony tsy mety mampiorina ny finoanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 27 Jolay 2022

Jona 1.1-16

Ny olona nirahin’Andriamanitra

1 Tsy menatra ny Andriamaniny

«…ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina» (and.9)
Nirahin’Andriamanitra hilaza ny faharavan’ny Ninive i Jona. Natahotra anefa izy ka naka sambo tao Jopa ho any Tarsisy. Teny an-dalana, tonga ny rivo-mahery, nanonja ny ranomasina, natao ny filokana ny antony nahatonga ny loza, dia fantatra fa avy amin’i Jona. Rehefa nanontaniana izy, dia nanambara marina ny Andriamanitra ivavahany izy. Tsy menatra ny Andriamaniny ny olom-boafidy na dia ao anatin’ny sarotra aza. Manambara marina, indrindra manoloana ireo jentilisa. Ao anatin’ny sarotra indrindra no tokony tsy ho menatra ny Andriamaniny ny kristiana, dia Jesoa Kristy izany

2 Miaiky ny fahadisoany

«…fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo» (and.12)
Rehefa nanonja ny ranomasina, nihamafy hatrany ny rivo-mahery, nanome tsiny an’i Jona ny matilo niaraka taminy. Niaiky ny fahadisoany i Jona satria avy aminy no nahatonga ny loza, ka dia natsipy tao anaty ranomasina izy. Mahay miaiky ny fahadisoany eo anatrehan’ny hafa ny irak’Andriamanitra ho fiarovana ny hafa amin’ny loza. Mitera-doza ho an’ny hafa ny tsy fahaizan’ny irak’Andriamanitra miaky ny fahadisoany. Ary mbola fianarana tamin’i Jesoa Kristy ihany koa ny fanekena ho faty ho famonjena ny hafa. Manàna izany sain’i Kristy izany.

Fanontaniana

Irak’Andriamanitra ianao, inona no mampiavaka anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 26 jolay 2022

Jakoba 2.21-26

Ny olona manana finoana

1 Maneho izany amin’ny asa

«Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa» (and.22). Rehefa nangataka ny hanaovana fanatitra ny zanany lahy tokana tamin’i Abrahama Andriamanitra dia nanaiky sy nankatoa izany izy. Nanatitra an’i Isaka i Abrahama ho fanehoany ny fankatoavany ny tenin’Andriamanitra. Mariky ny finoana izany ary naseho tamin’ny asa ihany koa. Aseho amin’ny asa ny finoana, ary izay rehetra milaza fa mino an’Andriamanitra dia tsy maintsy maneho izany amin’ny asa. Ilay finoana miafina ao anaty dia aseho miharihary amin’ny asa ho vavolombelon’ny fananana finoana. Koa asehoy amin’ny asa ny finoana anananao. Tsy misaraka ny finoana sy ny asa.

2 Hamarinin’Andriamanitra

«Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany» (and.24). Amin’ny Epistilin’i Jakoba, ny finoana arahina asa no hamaritana ny fahamarinan’ny olona iray na tsia. Rehefa nino ka naneho izany tamin’ny asa i Abrahama, dia nosokajiana ho fahamarinany eo anatrehan’Andriamanitra izany. Toy izany koa i Rahaba janga izay nampiantrano ireo mpisafo tany tamin’izany. Eken’Andriamanitra ho fahamarinan’ny olona ny finoana, izany hoe, fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, aseho amin’ny alalan’ny asa. Ataovy amin’ny finoana ny asan’Andriamanitra fa hamarinina amin’izany isika. Tsy izay rehetra manao ny asan’Andriamanitra akory no marina fa izay miasa amin’ny finoana.

Fanontaniana

Ampy hanamarinana anao ve ny asa vitanao ? Nahoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM