Talata 13 jolay 2021


Isaia : 4 1. 1-13

Ny Isaia 40-55 dia mampanantena famonjena sy fahafahana any am-pahababoana. Tafiditra ao anatin’izany ny mofon’aina anio , izay anehoan’Andriamanitra fa mikarakara ny zanany hatrany izy . Hitantsika misongadina eto fa :


TSY MANARY NY OLONY ANDRIAMANITRA SATRIA:

1-Azy ny olony (and 1b)
Efa niantso anaranao Aho, Ahy ianao”. Asehon’ Andriamanitra eto fa Izy no Tompon’ny olony. Izy no nahary azy . Izy no namorona azy . Ny dikan’ny hoe :“niantso ny anaranao “ dia hoe : mahalala anao tsara Aho , izany hoe : izay mahasoa anao dia fantatr’Andriamanitra, ny momba anao manontolo dia hainy , izay ilainao rehetra tsy miafina Aminy .


2- Tiany ny olony
“Satria malala eo imasoko ianao ,eny be voninahitra sady tiako …”.Fanehonehoam-pitiavana, fitoriam-pitiavana tsy manam-paharoa ity ka mihasinkasina eo fa akaiky ny fon’Andriamanitra ny olony , maha saro-piaro Azy, manan-danja sy sarobidy eo imasony, ka na dia kapohiny aza dia ampanantenainy fa tsy maintsy vonjeny. Tsy miova izany fitiavan’Andriamanitra izany . Porofon’izany ny fanomezany an’i Jesoa, ho faty ho famonjena ny olony (Jao 3.16). Ianao koa aza kivy intsony, mitrakà fa tia anao loatra ny Andriamanitrao ! Tsy misy tia anao tahaka ny itiavany anao !

3- Arovany sy vonjeny ny olony
« Ary tsy misy maharombaka amin’ny tanako« . Asehon’Andriamanitra eto fa ny heriny sy ny fahefany ary ny maha- Izy azy manontolo dia entin’Andriamanitra miaro ny mpanompony, ka tsy misy avelany hamiravira azy fa Izy Andriamanitra hamonjy ny olony , hiditra an-tsehatra hanafaka ny vahoakany Izy. Ianao koa, matokia fa na mafy toy inona aza no atrehinao, anehoan’Andriamanitra ny maha- Andriamanitra mahery Azy ka vonjeny. Izany rahateo no nahatongavan’i Jesoa : hamonjy ny olona.


Fanontaniana :
Hatraiza ny fahazoanao antoka fa tsy manary anao mihitsy Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM

Perikopa 2025

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 15. Ala. Trinite
Gen. 1. 1-13 | Lio. 10. 17-20 | Apo. 1. 18-22

| | 22. Ala. I man. Trinite - S. Vokovoko Manga
Oha. 23. 19-25 | Lio. 12. 35-40 | 1 Kor. 10. 31-11.1

| | 29. Ala. II man. Trinite
1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025