Hafatry ny Filoha / Aprily 21

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Dia mba taomy re ny hafa

Izay variana, tsy miraika

Sao heverin’izy ireny

Ho haitraitra fotsiny ihany

Izato vinantsika izato

Fa na isika tena handeha

Hanao mpianatra tokoa,

hankato an’i Jesoa

dia ho hitantsika marina

ny fombàny mahagaga

ho voninahitry ny Anarany;

na isika hamihin-tanana

eo an-tratra fotsiny ihany

dia hihanaka izaitsizy,

mihoatra noho ny ankehitriny,

izao faharatsiana rehetra izao:

ny fahalovana mandoza,

ny habibiana tsy hay lazaina,

ny fahantrana mahatsiravina!

Fa i JESOA dia te hamonjy

An’i Madagasikara

Ka izaho sy ianao Fiangonany

No baikoiny mba handeha,

tsy hangataka andro intsony

fa hirotsaka avy hatrany

hampisy heviny sy tsirony

ny famonjena izay nataony

amin’ny isan’androm-piainan’

ny Malagasy namantsika!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV