Hafatry ny Filoha/ Covid 19

HAFATRA HO AN’NY FIANGONANA FJKM REHETRA

MOMBA NY FIATREHANA NY VALANARETINA COVID-19

Ry Havana malala,

Ho aminareo anie ny fiadanana!

Ny Birao Foibe FJKM nivory  ny Talata 30 Martsa 2021 , eo anoloan’ny fihanaky ny covid-19 efa izaitratra sy ny fihamafisan’ny fahavoazana aterak’izany, dia mirary fampiononana feno avy amin’I Jesoa, Ilay Fananganana ny maty sy Fiainana, ho an’ny fianakavian’ireo nodimandry ary mirary fahasitranana soa aman-tsara ho an’ireo eo am-pitsaboana; sady manao izao hafatra izao ho an’ny Fiangonana FJKM rehetra :

Miantso ny Fiangonana rehetra, indrindra ireo ao amin’ny Faritra ahitana manokana ity valanaretina ity, mba samy hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny fiparitahany ka:

1-Ny  Biraon’ny SP sy ny Biraon’ny Fitandremana tsirairay dia omena lalana handray izay fepetra heveriny ho mety ho fisorohana ny fahavoazana vokatr’ity valanaretina ity eo aminy.

2-Iraisana kosa anefa ny TSY MAINTSY hanaovan’ny Mpiangona rehetra arovava sy orona  mandritra ny fanompoam-pivavahana rehetra.

3-Iraisana toy izany koa ny TSY MAINTSY hanajana ny elanelana iray metatra ao am-piangonana.

4-Iraisana ny fanasan-tanana amin’ny savony, na ny  fampiasana ranom-panafody fiarovana ho an’ny tanana,  sy ny ranom-panafody hodiavin’ny tongotra eo am-pidirana; ny fampahafantarana ny olona ny tsy tokony hikosehana maso sy orona amin’ny tanana tsy voasasa, ny fanisiana ranom-panafody ny efitrano mialoha ny fivoriana samihafa.

5-Izay olona marefo ara-pahasalamana dia aoka hijanona any an-trano aloha.

6-Ny fanompoam-pivavahana dia hoezahina hovitaina ao anatin’ny adiny iray sy sasany.

7-Tohizana ny “Dimy minitran’ny fahasalamana”, isak’Alahady, ho an’ny Fiangonana rehetra:

    a- hitoriana an’I Jesoa, Izay efa nitondra ny aretintsika rehetra,

    b –  hivavahana manokana ho an’izao ady lehibe atrehintsika maneran-tany izao.

     d- hiaraha-miasa amin’I Jesoa Kristy tsy hamindrana fahafatesana ho an’ny hafa, amin’ny fampahatsiahivana ireo fepetra ireo. Fa tsy fahakelezan’ny finoana akory, sanatria, no itandremana ireo fepetra ireo fa tena fijoroana ho vavolombelon’ny fiainana omen’I Kristy. Fa tsy natao hizara fahafatesana ny Fiangonana, fa natao hizara fiainana!

Farany, ry Havana, tsarovy fa “  ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra “ (Jak.3.17) . Koa “miteny toy ny amin’ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.” (I Kor.10.15).

Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika!  Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.” (I Tes.5.23-24)

            HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA! Amen.

Antananarivo, 31 Martsa 2021,

Ny Filohan’ny FJKM

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV