Alahadin’ ny Dorkasy 2021

Fandaharana iombonana

  • Feon-javamaneno na Hira STK
  • Fiarahabana Apostolika | Apo 1.4-5a
  • Fiderana | Sal 29.1-2
  • Hira 194.1,4
  • Vavaka
  • Fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra | Deo 10.12 / Sal 119.1,2
  • Hira 225.1
  • Vavaka fifonana
  • Hira FF8.1
  • Teny Soa Mahafaly | Jer 31.3 / Jao 15.13 / Rom 5.5 / Sal 32.1-2
  • Hira 170.1,2
  • Fanekempinoana araka ny Soratra Masina | Laharana 3
  • Feon-javamaneno fohy
  • Asan’Andriamanitra
    • Filazan-draharaha
    • Rakitra. Hira Antoko Mpihira | Dorkasy
    • Fanolorana. Hira 441.1,3
  • Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
    • Hira. Sekoly Alahady
    • 5mn Ankizy Sy Tanora
  • Hira 381. 1,4
  • Vavaka
  • Vakiteny | Rota 4.1-12 / Lio 24.13-24 / Efe 5.1-2
  • Hira 531,3
  • TORITENY
  • Hira Faneva 50 Taona Dorkasy FJKM
  • Vavaka Fangatahana
  • Asa Vavolombelona
  • Famaranana
    • Hira. Antema 19
    • Tsodrano
  • Trinite Masina

Alarobia 31 Martsa 2021

APOKALYPSY 3.7-13

Iray amin’ireo taratasy nosoratana ho an’ny Fiangonana fito tany Azia Minora ity ho an’i Filadelfia ity . Tsy mba nitovy amin’ny taratasy hafa anefa ity ho an’i Filadelfia ity , satria ny Tompo dia tsy nanome tsiny na fampitandremana ny Fiangonana fa fankasitrahana sy fampaherezana aza no hita ao .Tsy nahitana fanenjehana ny kristiana avy tamin’ny fahefana Jentilisa tao na koa fampianaran-diso atao amin’ny Fiangonana fa avy amin’ireo milaza azy ho Jiosy no niavian’ny fahasarotana niainan’ny Fiangonana . Manoloana izany ,Andriamanitra dia milaza fa :

1-Mahafantatra ny zavatra rehetra

And 8 : « fantaro ny asanao ». Tsy misy zavatra miafina amin’ny Tompo akory izay rehetra mitranga amin’ny fiainan’ny olona sy izay rehetra ataony koa . Hoy ny mpanao salamo hoe : avo fitoetra Izy , nefa iva fijery , izany hoe : tena mahafantatra ny olona na dia misy mihevitra aza hoe : tsy misy mahita izay ataony irery .Aseho eto fa na inona na inona nisy tamin’ny Fiangonana tao Filadelfia dia niezaka nitandrina ny Tenin’ny Tompo izy ary tsy nandà ny Anarany mihitsy , izay kely nananany no nampiasainy hahamarina azy eo anatrehan’ny Tompo ary nankasitrahan’ny Tompo indrindra izany .

2-Miaro izay mihevitra Azy ny Tompo

Raha ny zavatra miabo mba ananan’ny Filadelfia dia kely ihany . « hery kely » ( and8 ) . Mety tsy hahafahana manao na inona na inona izany , nefa noho ny fitiavan’ny Tompo azy , vokatry ny fijoroany hanaiky ny Tompo dia vonona hiaro azy Izy mba hahajoro amin’ny fakampanahy maro . Noho ny ady tsaran’ny finoana nananan’ny Fiangonana dia mahita vokatsoa avy amin’ny Tompo izy ireo .

Fanontaniana :

Misy zavatra tsara ve ka tokony ho faka tahaka tamin’ny Fiangonana tao Filadelfia ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 30 Martsa 2021

SALAMO 17.1-12

Ny olona mila vonjy amin’ny Tompo

Isan’ny vavaka manokana ataon’ny mila vonjy amin’Andriamanitra ity Salamo ity . I Davida no voalaza ho nanao izany , ka rehefa miresaka hoe Davida dia ny fifandraisany tamin’Andriamanitra no zava-dehibe amin’izany , satria isan’ny olona tanteraka indrindra izy teo amin’izany fifandraisana tamin’Andriamanitra izany .

Koa ny olona mila vonjy amin’Andriamanitra dia

1-Voasedra aloha :

Heverin’ny maro angamba fa mandeha ho azy ny fitalahoana sy fangataham-bonjy amin’Andriamanitra nefa na dia be fitiavana sy be fahari-po tokoa aza Izy dia misy zavatra takiany amin’ny olona mila vonjy Aminy :

-Tokony tsy hisy fitaka aloha ny molotra , izany hoe : tsy mihatsaravelatsihy ka hafa no tenenin’ny molotra , nefa hafa no ataon’ny tànana na eritreretina .

-Nozahana toetra tamin’ny memy : ny volafotsy , ny volamena no ampandalovina amin’ny memy na afo mba hahafantarana azy ho tena izy fa tsy sandoka . I Davida eto dia miteny fa mampandalo zavatra sarotra ny olona koa Andriamanitra mba hahitana raha tena olon’Andriamanitra tokoa ny olona iray , izany hoe : maharitra eo amin’ny lalany , manaiky sy mino Azy , marina sy madio eo anatrehan’Andriamanitra .

Ny olona mila vonjy Aminy koa dia mialoka Aminy tanteraka , izany hoe: mialoka eo ambany elany , tahaka ny ataon’ny reniakoho amin’ny zanany , ka na dia mafy aza ny afitsoky ny fahavalo dia resy lahatra sy matoky ny fiarovany .

Fanontaniana :

Rehefa misy zavatra manjo anao , aiza na iza no ilanao vonjy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 29 Martsa 2021

MATIO 21.1-10

Ny fiakaran’i Jesoa tany Jerosalema

Hiditra an’i Jerosalema i Jesoa Kristy ary haneho amin’ny olona fa Izy no Ilay Mpanjaka araka ny voalazan’ny Soratra masina . Misy fanontaniana izany anefa mba hahatanteraka ny faneken’ny olona ny maha- mpanjaka Azy tokoa . Hitan’ny olona teo hatrany mantsy Izy tamin’ny maha-olona Azy ka sarotra ihany ny handresy lahatra ny olona hoe: io indray no Ilay Mpanjaka (Jao 6.42) . Indro .Izy naniraka ny mpianany ka nanome ny toromarika hahatanteraka izany fidirana any Jerosalema izany ho araka izay nambaran’ny mpaminany ( Zak 9.9).

2-Ny fidirana ( and 6-9)

Rehefa nitaingina ny boriky i Jesoa ary nandeha hiditra an’i Jerosalema dia indreo ny olona namelatra ny lambany teny amin’ny làlana handehanan’i Jesoa . Nisy koa ireo nanapaka rantsankazo ka nahahany teny an-dàlana izany ary indreo koa izy rehetra nanao hiakam-pifaliana nihoby sy nankalaza Azy . Izany toe-javatra izany dia fanao ankehitriny amin’ny manam-pahefana ambony eo amin’ny tany sy ny firenena izay hanehoana fa tena Mpanjaka Izy .

3-Ny nataon’ny olona noho izany (and 10-11)

Rehefa niditra an’i Jerosalema indrindra Izy dia nihorakoraka ny tanàna rehetra . Ny matoanteny ampiasaina amin’ny hoe : mihorakoraka dia ampiasaina indrindra rehefa misy horohorontany mafy ( Mat 27.51 / 28.2) . Azo lazaina koa fa nitovy ny nisy tao Jerosalema tamin’ny fahaterahany ( Mat 2.3) sy ny fanehoana ny maha- Mpanjaka Azy eto .

Fanontaniana :

Mba mihorakoraka koa ve ianao raha mahatsiaro ny fidiran’i Jesoa tao Jerosalema isika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 28 Martsa 2021

ZAKARIA 9.9-11

Andriamanitra eto no miteny ary ny mpaminany no mpitondra ny teniny . Ireo rehetra izay mihaino kosa no antsoina amin’ny hoe : Israely marina sy iantefan’ny teny . Asaina manao hiakam-pifaliana ny olona satria indro avy ny mpanjaka , Ilay zanak’i Davida sy mpandova ny fanjakany ara-drariny izay efa nandrasana sy nampanantenaina efa ihany koa . Ireto no toetrany :

1-Marina

Izy no hany niaritra ny fangirifirian’ny mpanompon’Andriamanitra araka ny voalazan’ny Soratra masina (Isa 53.11/32.1/ Jer 23.5-6 )

2-Mpandresy

Ny ilazana azy dia hoe : manam-pamonjena ary manolotra ihany koa izany famonjena izany ho an’ny olona mendrika izany . Misy Baiboly amin’ny dikan-teny hafa manao hoe: « Mpamonjy », satria na dia nolavin’ny olona aza izy dia nohamarinin’Andriamanitra kosa ka nohosorany hitondra famonjena ny olona mino sy manaiky Azy ( Isa 53.10-12 )

3-Malemy fanahy

Na dia Andriamanitra aza Izy dia nanaiky natao tsinontsinona , nampahantraina sy novonoina mihitsy izany hoe : tena nanetry tena tanteraka Izy . Nentina nanamafy izany halemem-panahy nananany izany ny fanekeny hitaingina zana-boriky izay nanamafisana ny fanetrentenany tokoa .; Tsara mantsy ny hanehoana fa tsy nifidy hitaingina soavaly Izy , satria ny soavaly dia mariky ny hery sy ny ady fa ny boriky mariky ny fanetrentena hitondra fiadanana . Ambara eto indrindra manamafy izany fa hofoanana ny kalesy tarihin-tsoavaly , hofoanana ny fitaovam-piadiana fa hampanjakaina ny fiadanana eo amin’ny tany rehetra .

Fanontaniana :

Ahoana ny fandraisanao , Ilay Mpanjaka nanetry tena , nanafoana ny tenany nefa hitondra fanavotana ho anao na ho anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 27 Martsa 2021

JOBA 2.1-10

Manasoa sy misedra ny finoan’ny olona ny Tompo

« Moa ny soa va no raisintsika avy amin’Andriamanitra fa tsy ny ratsy koa? »

Andinin-tsoratra masina miavaka ao amin’ny Baiboly tokoa izany ary raha raisina ara-bakiteny fotsiny dia milaza indrindra fa fototry ny soa sy ny tsara rehetra mitranga amin’ny fiainan’ny olona ny Tompo Andriamanitra , nefa koa dia tena manome ny ratsy koa . Tsy iadian-kevitra mihitsy aloha fa tena fototry ny soa sy ny tsara tokoa eo amin’ny tontolom- piainan’ny olona io Andriamanitra io . Voalaza ato amin’ny bokin’i Joba fa niaro sy mitahy an’i Joba izy , manambina an’i Joba izy , manome harena be sy fiadanana ka tena inoana fa manao izany amin’ny olona mino azy rehetra sy manaiky Azy koa. Manamafy izany ny zava-nisy tamin’ny tantaram-piainan’ny Patriarka i Davida , i Solomona ary na i Paoly Apostoly aza dia niloa-bava hoe :  » fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izaho ahy » . Mampanontany tena manoloana izany hoe : manao ahoana ny mety ho faharesen-dahatry ny tsirairay fa ny fahasoavan’Andriamanitra niasa manan-kery tamin’ny olony no maha-velona aina ny olona , mahatonga ny olona hisitraka zava-tsoa maro isan-karazany eo amin’ny fiainany . Ankilan »izany anefa , lazaina eto koa hoe : manome zava-dratsy ny olona Andriamanitra . Ny tena marina dia misedra ny olona ihany Izy mba hahitany ny finoan’ny olona Azy marina hahitany ny fankatoavan’ny olona Azy tokoa hahafantarany ny faharesen-dahatry ny olona amin’ny fanarahan-dia Azy ( jereo Joba 1.11/Deo 13.2-6)

Fanontaniana :

Mino ve ianao fa fototry ny soa sy ny ratsy eo amin’ny fiainanao Andriamanitra ?. , ,

Zoma 26 Martsa 2021

Lioka 8.11-15

1-HO AN’NY OLONA REHETRA NY FILAZANTSARA:

Naniraka ny mpanara-dia Azy i Jesoa Kristy mba handehanan’izy ireo any amin’izao tontolo izao hitory ny Filazantsara amin’ny olona rehetra ( Mar 16:15). Araka izany dia tsy natao hanavahana na iza na iza mihitsy ny filazantsara toriana satria izao tontolo izao sy ny olona rehetra mihitsy no hitoriana ary fantantsika fa mbola manao izany ny Fiangonana. Izao anefa no fampieritreretana , Afafy tokoa ny filazantsara fa manao ahoana kosa ny fandraisan’ny olona izany?

2-IRETO NY KARAZANA OLONA SAMIHAFA IANTEFAN’NY FILAZANTSARA

-Ireo teny amoron-dàlana : Nandre ny teny ihany kanefa sady mankafy zavatra hafa ka nanambany sy nanao tsinontsinona ny teny noho izany mora nahodin’ny devoly tsy hiraharaha izay Filazantsara re.

-Ireto teny amin’ny vato: Nandre ny teny fa tsy mety lalim-paka mihitsy izay henony ka tsy nanova ny fiainany akory izay teny nampitaina taminy.

-Ireo teny amin’ny tsilo: Nandre soa aman-tsara ihany koa, saingy tsy nahatoky, tsy nino, tsy niraharaha izay teny henony velively ka tsy niantehitra tamin’ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra hanampy fahasoavana ny olona mino Azy ( Mat.6:33).

-Ireo olona nandray ny teny toy ny tany tsara, nitondra voa : rehefa nampitaina taminy ny teny dia nitondra soa ho azy izany satria tena iveloman’ny olona izany, aina ho izay mahazo azy ny teny notoriana taminy.

FANONTANIANA:

Misy karazana olona 4 ireo nitoriana ny tenin’Andriamanitra, iza amin’ireo no misy anao?

 Hatao ahoana ireo tsy mety mandray marina ny Filazantsara toriana aminy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 25 Martsa 2021

SALAMO  11:1-7

Ity salamo ity dia milaza ny « sisa » nefa mbola ampahoriana hatrany satria ny ratsy fanahy no mitazona ny fahefana ary manozongozona ny fitondrana rehetra misy na fanjakana na fivavahana. Manoloana izany dia hoy ny mpino hoe:

1- NY TOMPO ANDRIAMANITRA NO FIALOFANA:

Enjehina ny mpino, atao tahaka ny vorona hazain’ny mpihaza ary asaina mitsoaka any an-tendrombohitra hanaovana izany fanenjehana izany.        Ny mpanao salamo anefa dia sahy mijoro ka miteny hoe nahoana no mitsoaka ny olona matoky an’Andriamanitra? Ny mpino dia mijery ambony noho ny tendrombohitra, izany hoe an’ Andriamanitra ka matoky Azy  tanteraka ary mametraka ny adiny Aminy ka mino fa manana hery afaka hanampy azy ny Tompony, noho izany dia tsy hatahotra na inona na inona  mihitsy izy. Ny toe-javatra niainan’i Davida mpanjaka dia maneho izany toe-javatra voalaza izany ho azo tanterahina tokoa manoloana ny ady atrehiny.

2- ANDRIAMANITRA MARINA DIA MITSARA NY OLONA :

Ambara hoe mizaha toetra ny olona ny Tompo na iza izy na iza. Izay tiana holazaina amin’ilay hoe Andriamanitra mizaha toetra dia Andriamanitra mamantatra izay zava-misy ao am-pon’ny olona na tsara izany na ratsy ary valiany araka izay zava-misy ao aminy izany ny olona, ny manao ny tsara dia hiaina araka izany miaraka Aminy fa ny ratsy kosa ho halan’ny fanahiny , afo sy solifara  ary rivo-mahamay no anjara kapoakany, izany hoe hahazo azy ny famotehana sy fandravana noho ny ratsy nataony. Ny finoana kristiana dia tokony handresy ny zava-dratsy rehetra mba ho mendrika an’Andriamanitra tokoa ka hahatanteraka ny Tenin’ny Tompo hoe   » tsy misy mahay mandrombaka izay eo amin’ny tànan’ny Ray« 

FANONTANIANA:

Ahoana ny fahazoanao izany hoe  » mialoka amin’Andriamanitra  » mbola azo atao ve izany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fivoriana MF09

Fivoriana MF 09/ SLXVIII: 14-21 Aprily 2021

Ny fivoriana ara- potoana fahasivy  ny Mpiandraikitra Foibe FJKM dia hatao eny amin’ny FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA, amin’ny Alarobia 14 Aprily ka hatramin’ny Alarobia 21 Aprily 2021. Raha sitrapon’Andriamanitra ka tsy misy fepetra vaovao holazain’ny fanjakana noho ny valanaretina . Manomboka amin’ny 8 ora 30 maraina ny fotoana amin’ny Alarobia 14 Aprily 2021.

Ianareo izay tsy manan-kivantanana dia iangaviana hilaza mialoha amin’ny Sekretaria Jeneraly mba hahafahana manomana ny toerana hivantananareo.Raha misy ny tsy fahafahana hanatrika ny fivoriantsika dia aoka mba hampandre mialoha  

aoka isika hifampidinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.” (Hebreo 10:24)