Talata 30 Martsa 2021

SALAMO 17.1-12

Ny olona mila vonjy amin’ny Tompo

Isan’ny vavaka manokana ataon’ny mila vonjy amin’Andriamanitra ity Salamo ity . I Davida no voalaza ho nanao izany , ka rehefa miresaka hoe Davida dia ny fifandraisany tamin’Andriamanitra no zava-dehibe amin’izany , satria isan’ny olona tanteraka indrindra izy teo amin’izany fifandraisana tamin’Andriamanitra izany .

Koa ny olona mila vonjy amin’Andriamanitra dia

1-Voasedra aloha :

Heverin’ny maro angamba fa mandeha ho azy ny fitalahoana sy fangataham-bonjy amin’Andriamanitra nefa na dia be fitiavana sy be fahari-po tokoa aza Izy dia misy zavatra takiany amin’ny olona mila vonjy Aminy :

-Tokony tsy hisy fitaka aloha ny molotra , izany hoe : tsy mihatsaravelatsihy ka hafa no tenenin’ny molotra , nefa hafa no ataon’ny tĂ nana na eritreretina .

-Nozahana toetra tamin’ny memy : ny volafotsy , ny volamena no ampandalovina amin’ny memy na afo mba hahafantarana azy ho tena izy fa tsy sandoka . I Davida eto dia miteny fa mampandalo zavatra sarotra ny olona koa Andriamanitra mba hahitana raha tena olon’Andriamanitra tokoa ny olona iray , izany hoe : maharitra eo amin’ny lalany , manaiky sy mino Azy , marina sy madio eo anatrehan’Andriamanitra .

Ny olona mila vonjy Aminy koa dia mialoka Aminy tanteraka , izany hoe: mialoka eo ambany elany , tahaka ny ataon’ny reniakoho amin’ny zanany , ka na dia mafy aza ny afitsoky ny fahavalo dia resy lahatra sy matoky ny fiarovany .

Fanontaniana :

Rehefa misy zavatra manjo anao , aiza na iza no ilanao vonjy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2021

Aprily: MAMPIORINA NO MINO NY FANAVOTAN'I KRISTY

| | 18. Ala. II man. Paska
Isa 48.11-22 / Mar 10.41-45 / Heb 2.14-18

| | 25. Ala. III man. Paska - Asa TOPAZA
Oha 22.4-6 / Mat 18.10-14 / 1Jao. 2.1-2

Mey: MAMPIORINA NY MINO NY HERIN'NY FANAHY MASINA

| | 02. Ala IV man Paska
Deo 34.5-9 / Mat 10.16-20/ 2 Ko 3.1-6

| | 09. Ala.Vman Paska-Sampana Lehilahy Kristiana
Gen 41.37-46 /Mar 13.9-11/Rom 5.1-5

FJKM Fahazavana

FJKM AMBOHITANTELY