Sabotsy 17 Oktobra 2020

1 JAONA 1 1.5-10

Roa no tanjon’ity Epistily ity : ny hitaona ny olona hiaina marina ny firaisana amin’ Andriamanitra , ary hanohitra ny fampianarana sandoka izay mampianatra fa tsy tena olona i Jesoa sy ny hoe : ny voavonjy dia tsy mila mitandrina ny fitondrantena sy ny fitiavana ny rahalahy . Ny ampianarina antsika eto dia hoe :

Izay tena manana firaisana amin’Andriamanitra dia :

1-Mandeha amin’ny mazava (and 5-7)

Ambaran’iJaona eto hoe : « Andriamanitra dia mazava ary tsy misy maizina akory ao aminy  » ary izay rehetra milaza fa manana firaisana aminy tokoa dia tsy mandeha amin’ny maizina . Ny dikan’izany dia hoe : tokony hifanaraka amin’ny zava-dazaina ny fiainana, fa ny hoe : mandeha amin’ny maizina mantsy dia miaina amin’ny fiainana tsy arakany sitrapon’Andriamanitra , aminn’y fisainana , amin’ny fihetsika , amin’ny fitondrantena . Koa mpihatsaravelatsihy izay milaza fa miray amin’Andriamanitra nefa ny fiainany tsy niova , ary ny làlany tsy mandeha amin’ny mazava . Izany no efa niampangan’i Jesoa matetika ny Fariseo sy ny namany . Ianao kosa , manaraha an’i Jesoa fa Izy no fahazavan’izao tontolo izao , izay manaraka Azy tsy mba handeha amin’ny maizina fa hanana ny fahazavan’aina (Jao 8.12)

2-Manana ny Tenin’Andriamanitra ao aminy

Manohy ny Apostoly eto amin’ny filazana fa izay tena manana firaisana amin’Andriamanitra dia mahatsiaro tena fa tsy tanteraka , mpanota ka mila famonjena , mila fanadiovana . Raha mahatsapa izany ny olona ka miaiky ny fahotany dia manadio i jesoa ary manafaka amin’ny fahamaizinana rehetra , ka manome fiainana vaovao ho an’ny mino , dia fiainana mandeha amin’ny mazava izany . Ny olona mihevi-tena fa marina , na tsy manana ota dia « mpandainga » , hoy i Jaona eto ary tsy manana ny Teny ao aminy , izany hoe : tsy manana an’i Jesoa ao aminy fa i Jesoa no Teny tonga nofo .

Fanontaniana :

Làlana manao ahoana re izao no izoranao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV