Mofonaina/ Aogos. 20

Teny vakiana isanandro

1Mat 2.13-15
2Asa 20.17-24
3Apo 2.8-11
4Fil 1.12-21
5Dan 6.15-24
61 Sam 22.11-23
7Apo 3.7-13
8Mar 13.5-13
9Heb 11.32-40
10Dan 3.13-18
112 Kor 6.1-10
122 Tant 24 .17-22
13Apo 20.1-6
14Lio  11.47-51
15Isa 26.1-4
16Neh 3.33-38
17Oha 3.1-12
18Jao 10.11-18
19Mat 24.42-51
20Apo 6.9-11
21Jao  16.25-33
22Rom 8.31-39
23Lio 9.18-22
24Asa 7.51-60
25Lio  16.9-13
261 Mpanj 19.1-10
27Mat 25.14-23
282 Tim 4.9-18
29Joba 2.1-10
30Mar 10.32-34
31Asa 21.10-14
  

Zoma 31 Jolay 2020.

LIOKA 8.26-39

Jesoa Kristy Mpanafaka

1-Mamaha ny geja mahazo ny olona

« …ary tonga tany amin’i Jesoa izy , dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan’ny demonia , fa indro izy nipetraka teo an-tongotr’i Jesoa nitafy lamba sady ary saina  » (and 35)

Lehilahy iray nampahorian’ny demonia maro nandritra ny taona maro , tsy nitafy lamba , very saina , tsy tamana tany an-trano intsony fa tany am-pasana no tiany izay toeran’ny maty , na dia efa nofatorana tamin’ny gadra aza ny tànany sy ny tongony , kanefa notapatapahiny izany noho ny herin’ny demonia nangeja azy . Rehefa nifanena tamin’i Jesoa Kristy izany lehilahy izany dia nafahany tamin’ny herin’ny demonia , ka tonga nitafy lamba sy salama saina tsara . Jesoa Kristy manafaka ny olona amin’ny fatoran’ny fanahy ratsy ka manome azy fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina .

2-Ambara amin’ny olona

« Ary izay efa nahita nanambara tamin’ny olona ny namonjena an’ilay demoniaka  » (and 36)

Izay rehetra nahita ny asa lehibe nataon’i Jesoa dia samy nanambara izany tamin’ny hafa avokoa . Ny mpiandry kisoa izay nahita ny demonia nifindra tamin’ny kisoa dia natahotra ka lasa nankany an-tanàna sy tany an-tsaha ka nanambara izany . Izay rehetra nahita fa salama ralehilahy sady nody ny sainy dia nanambara tamin’ny hafa . Noho izany , ambarao amin’ny hafa ny famonjena sy ny fanafahana ataon’i Jesoa Kristy . Izay rehetra mahita ny asa fanafahana ny olona nataon’i Jesoa Kristy dia tokony hanambara izany amin’ny hafa .Tsy ny fanafahana nataony taminao ihany no ambara amin’ny hafa fa izay hitanao nataon’i Jesoa tamin’ny hafa koa dia ambarao .

Fanontaniana :

Inona ny fomba ataonao ho entinao manambara amin’ny hafa ny momba an’i Jesoa Kristy Mpanafaka ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 30 Jolay 2020

EKSODOSY 5.1-15

Ny  fanafahan’Andriamanitra

1-Mikendry  fanompoana  Azy

« Alefaso  ny oloko  mba hanao  andro  firavoravoana ho  Ahy  any anefitra » (and1)

Raha nirahina ho any amin’i Farao  i Mosesy  sy  Arona hangataka azy mba handefa  ny Zanak’Israely , dia mazava  tsara ny antony  fa « hanao  andro  firavoravoana » ho an’i Jehovah. Sarotiny  tamin’izany  Andriamanitra  satria ny zanany  dia tsy maintsy  manompo  Azy  (4.23) ary izany  no antony hanafahany  azy  amin’ny fanandevozana . Noho  izany  , ny olona afaka no manompo  an’Andriamanitra , fa tsy olona mbola voageja , ary  mbola hita  izany  tamin’ny nanomezany  an’i Jesoa Kristy  nanafaka antsika  tamin’ny fahotana , mba hahazoantsika manompo  Azy  ankalalahana  .

2-Mampitombo  ny fahatezeran’ny tsy mino

« Hamafio ny fanompoan’ny olona mba hifotorany amin’izany , fa aza avela hihaino  izay lainga foana »  (and9) . Didy  navoakan’ i Farao  nampitaina  tamin’ny mpampiasa sy ny  mpifehy  hanamafisana ny fampahoriana  taorian’ny fangatahana nataon’i Mosesy  sy Arona taminy  hanafahana ny Zanak’Israely  tsy  ho andevo  intsony  fa hanompo  an’Andriamanitra . Vao mainka  nanamafy  ny fony  i Farao  ka nampahory  ny vahoaka noho  ny fandrenesany  ny fanafahana  ataon’Andriamanitra . Mampitombo  ny fahatezeran’ny ratsy  fanahy  ny fandrenesany  ny fanafahana ataon’Andriamanitra . Toy izany  ihany koa , rehefa vita ny  famonjena sy  fanafahana nataon’i Jesoa  Kristy  dia vao mainka tezitra ny  devoly  mba hisehoan’ny herin’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Olona afaka ianao  , inona ny fanompoana  ataonao amin’Andriamanitra ?

Sampana  Sekoly Alahady  FOIBE  FJKM

Alarobia 29 Jolay 2020.

2 TIMOTY 2.1-13

Ny mpitory ny Filazantsaran’ny fahasoavana

1-Vonona hiaritra ny mafy

« Miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesoa « (and3)

Hafatr’i Paoly Apostoly tamin’i Timoty izay zanany mialoha kelin’ny hahafatesany izany . Mitaky fihafiana sy fiaretana ny asan’ny Evanjelistra , mihafy tahaka ny miaramila an’ady ka mahafoy ny zavatra rehetra miezaka manatanteraka ny asa tahaka ny mpihazakazaka , miasa aloha izay vao mijinja ny vokatra. Izany no atao mba hahazoan’ny olona mandre ny Filazantsaran’ny fahafahana ao amin’i Kristy Jesoa . Koa raha misy olona te-hitory ny fahafahana araka an’iKristy , dia tsy maintsy miomana hiaritra ny mafy ary vonona hiatrika fankahalana sy fanenjehana mba handraisan’ny hafa famonjena (and10).

2-Manantena handova fiainana mandrakizay

« Raha miara-maty aminy isika , dia hiara-belona aminy koa , raha miaritra isika dia hiara-manjaka aminy  » (and11,12)

Raha miaritra fahoriana ny mpitory Filaantsara dia ho fanehoana ny fiombonana amin’i Jesoa Kristy izany noho ny Filazantsara ihany no hitsangana amin’ny maty ka handova ny fiainana mandrakizay , satria ny fanantenana ao anatiny no mampiorina ny finoany haharetany fahoriana . Noho izany , izay rehetra mitory ny Filazantsara , ka miaritra fahoriana , izay mariky ny fiombonana fahoriana amin’i Jesoa Kristy no manana fanantenana handova ny fiainana mandrakizay .

Fanontaniana:

Raha miaritra fahoriana noho ny Filazantsara ianao , inona no nataonao? Ampy handovana fiainana mandrakizay ve ny fiaretanao noho ny Filazantsara ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 28 Jolay 2020

SALAMO  40.11-17

Ny olona mitaraina amin’ Andriamanitra

1-Mahatsiaro ny fahadisoana

« Nahazo  ahy  ny heloko…ka reraka ny foko » (and12)

 Nanenjika  an’i Davida i Saoly  mpanjaka ka nandositra  sy niery i Davida. Teo  antrehan’izany  dia nitaraina tamin’Andriamanitra izy ary nahatsiaro  ny fahadisoana  vitany  . Tsapany  ny fahalemeny  sy ny harerahany   vokatr’izany  fahotana vitany izany  . Raha  mangataka  sy mitalaho  famonjena amin’Andriamanitra  dia mila mahatsiaro  ny fahadisoana , miaiky  ny fahalemena eo  anatrehan’Andriamanitra , mba hahazoana famindrampo  sy  famelankeloka amin’ny alalan’iJesoa Kristy  zanany  .

2-Mangataka  ny sitrapon’Andriamanitra

« Aoka ho sitraky ny fonao , Jehovah ô ny hanafaka ahy  , Jehovah ô  , faingana hamonjy  ahy » (and13)

Nangataka tamin’Andriamanitra  ny mpanao Salamo mba ho  sitrapon’Andriamanitra  ny hanafaka azy  amin’ny tànan’ny fahavalo . Tsy ho tanteraka  mihitsy  ny faniriany  raha mifanohitra  amin’ny sitrapon’ Andriamanitra  izany . Miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra  ny hamonjena  azy na tsia . Ho anao ihany  koa , raha mitalaho  famonjena amin’ Andriamanitra  ianao  dia angataho  mba hifanitsy  amin’ny sitrapony  ny hamonjena anao  fa tsy  ny sitraponao  . Fa raha sitrapon’Andriamanitra  izany  dia hovonjena ianao  ho afaka amin’ny ratsy  rehetra  noho ny Rain’i Jesoa Kristy  zanany ianao .

Fanontaniana :

 Ahoana no fanaonao  raha mitalaho  amin’Andriamanitra ? Inona no tokony  ilana fanitsiana  amin’ny fomba fivavakao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 27 Jolay 2020.

LIOKA 4.14-21

Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Mpanafaka

«Androany  no  efa tanteraka eto anatrehanareo  izany zavatra izany »  (and21)

Teny nataon’i Jesoa Kristy  izany , rehefa avy namaky ny voasoratra tao amin’ny bokin’ny Isaia  mpaminany  izay ahitana filazana  fa  « hanafaka  izay nampahoriana »  (and19) izy . Efa  voalaza  hatramin’ny ela ny fahatongavan’ i Jesoa Kristy  hitondra  fanafahana  sy famonjena  ho an’izao tontolo izao  , ary  tanteraka  izany eto . Araka izany  , tsy maintsy tanteraka  ny teny rehetra  nampitondrain’ Andriamanitra  ny mpanompony  na ho ela  na ho haingana . Koa minoa ny  Tenin’Andriamanitra  rehetra voalaza   ao amin’ny Soratra Masina  fa tsy  maintsy ho tanteraka izany  .

2-Mitondra fifaliana

« Ary  izy rehetra nankalaza  Azy  sady talanjona  noho ny teny fahasoavana naloaky ny vavany » (and22)

Fantatr’ireto olona ireto i Jesoa satria mpiara-monina taminy  ary nahatonga  azy ireo ho gaga  sy talanjona . Ankoatra izany  , ny teny fahasoavana nataon’i Jesoa teo  anatrehan’izy ireo  no niteraka  fifaliana  ho azy , indrindra  fa ny fahafantarany  an’i Jesoa  no Ilay  Mpamonjy sy Mpanafaka  , ka nahatonga  azy  nanome  voninahitra an’Andriamanitra  . Koa tsarovy   mandrakariva  fa miteraka fifaliana ho an’ny olona ny fahafantarany  an’i Jesoa Kristy  ho  Mpamonjy  sy Mpanafaka  azy . Ary  ny olona  mahafantatra  Azy  ho Mpamonjy  sy Mpanafaka  ihany  no mahay  mankalaza an’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Hatraiza  ny  finoanao  ny  voalazan’ny Soratra Masina ? Ahoana  ny fihetsemponao  raha mandre fa i jesoa no Mpanafaka ?

Sampana  Sekoly Alahady  FOIBE FJKM

Alatsinainy 27 Jolay 2020

LIOKA 4.14-21

Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Mpanafaka

«Androany  no  efa tanteraka eto anatrehanareo  izany zavatra izany »  (and21)

Teny nataon’i Jesoa Kristy  izany , rehefa avy namaky ny voasoratra tao amin’ny bokin’ny Isaia  mpaminany  izay ahitana filazana  fa  « hanafaka  izay nampahoriana »  (and19) izy . Efa  voalaza  hatramin’ny ela ny fahatongavan’ i Jesoa Kristy  hitondra  fanafahana  sy famonjena  ho an’izao tontolo izao  , ary  tanteraka  izany eto . Araka izany  , tsy maintsy tanteraka  ny teny rehetra  nampitondrain’ Andriamanitra  ny mpanompony  na ho ela  na ho haingana . Koa minoa ny  Tenin’Andriamanitra  rehetra voalaza   ao amin’ny Soratra Masina  fa tsy  maintsy ho tanteraka izany  .

2-Mitondra fifaliana

« Ary  izy rehetra nankalaza  Azy  sady talanjona  noho ny teny fahasoavana naloaky ny vavany » (and22)

Fantatr’ireto olona ireto i Jesoa satria mpiara-monina taminy  ary nahatonga  azy ireo ho gaga  sy talanjona . Ankoatra izany  , ny teny fahasoavana nataon’i Jesoa teo  anatrehan’izy ireo  no niteraka  fifaliana  ho azy , indrindra  fa ny fahafantarany  an’i Jesoa  no Ilay  Mpamonjy sy Mpanafaka  , ka nahatonga  azy  nanome  voninahitra an’Andriamanitra  . Koa tsarovy   mandrakariva  fa miteraka fifaliana ho an’ny olona ny fahafantarany  an’i Jesoa Kristy  ho  Mpamonjy  sy Mpanafaka  azy . Ary  ny olona  mahafantatra  Azy  ho Mpamonjy  sy Mpanafaka  ihany  no mahay  mankalaza an’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Hatraiza  ny  finoanao  ny  voalazan’ny Soratra Masina ? Ahoana  ny fihetsemponao  raha mandre fa i jesoa no Mpanafaka ?

Sampana  Sekoly Alahady  FOIBE FJKM

SP AA11

FILAZANA MANJO

1-Nodimandry  ny Alakamisy 16 Jolay 2020 rehefa nivahiny 63 teto an-tany ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty , Mpitandrina FJKM Ankadimbahoaka  . Ny nofony dia efa napetraka eny amin’ny  fasana eny Ambatofolaka Anjeva

«Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina , hanadino  ny asanareo  sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny Anarany , raha nanmpo  ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany .»Heb 6.10

2- Nodimandry  ny Zoma 24 Jolay 2020 ,ANDRIAMALALA Zo Solofonirina, Mpitandrina FJKM Alasora Betesda .Ny nofony dia efa voapetraka eny  amin’ny fasany eny Ambohimarina Atsinanana.

«Fa Kristy  no antony ahavelomako , ary ny fahafatesana no ahazoako tombony » Fil 1.21