Talata 28 Jolay 2020
SALAMO 40.11-17
Ny olona mitaraina amin’ Andriamanitra
1-Mahatsiaro ny fahadisoana
« Nahazo ahy ny heloko…ka reraka ny foko » (and12)
Nanenjika an’i Davida i Saoly mpanjaka ka nandositra sy niery i Davida. Teo antrehan’izany dia nitaraina tamin’Andriamanitra izy ary nahatsiaro ny fahadisoana vitany . Tsapany ny fahalemeny sy ny harerahany vokatr’izany fahotana vitany izany . Raha mangataka sy mitalaho famonjena amin’Andriamanitra dia mila mahatsiaro ny fahadisoana , miaiky ny fahalemena eo anatrehan’Andriamanitra , mba hahazoana famindrampo sy famelankeloka amin’ny alalan’iJesoa Kristy zanany .
2-Mangataka ny sitrapon’Andriamanitra
« Aoka ho sitraky ny fonao , Jehovah ô ny hanafaka ahy , Jehovah ô , faingana hamonjy ahy » (and13)
Nangataka tamin’Andriamanitra ny mpanao Salamo mba ho sitrapon’Andriamanitra ny hanafaka azy amin’ny tànan’ny fahavalo . Tsy ho tanteraka mihitsy ny faniriany raha mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra izany . Miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena azy na tsia . Ho anao ihany koa , raha mitalaho famonjena amin’ Andriamanitra ianao dia angataho mba hifanitsy amin’ny sitrapony ny hamonjena anao fa tsy ny sitraponao . Fa raha sitrapon’Andriamanitra izany dia hovonjena ianao ho afaka amin’ny ratsy rehetra noho ny Rain’i Jesoa Kristy zanany ianao .
Fanontaniana :
Ahoana no fanaonao raha mitalaho amin’Andriamanitra ? Inona no tokony ilana fanitsiana amin’ny fomba fivavakao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM