Alatsinainy 27 Jolay 2020

LIOKA 4.14-21

Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Mpanafaka

«Androany  no  efa tanteraka eto anatrehanareo  izany zavatra izany »  (and21)

Teny nataon’i Jesoa Kristy  izany , rehefa avy namaky ny voasoratra tao amin’ny bokin’ny Isaia  mpaminany  izay ahitana filazana  fa  « hanafaka  izay nampahoriana »  (and19) izy . Efa  voalaza  hatramin’ny ela ny fahatongavan’ i Jesoa Kristy  hitondra  fanafahana  sy famonjena  ho an’izao tontolo izao  , ary  tanteraka  izany eto . Araka izany  , tsy maintsy tanteraka  ny teny rehetra  nampitondrain’ Andriamanitra  ny mpanompony  na ho ela  na ho haingana . Koa minoa ny  Tenin’Andriamanitra  rehetra voalaza   ao amin’ny Soratra Masina  fa tsy  maintsy ho tanteraka izany  .

2-Mitondra fifaliana

« Ary  izy rehetra nankalaza  Azy  sady talanjona  noho ny teny fahasoavana naloaky ny vavany » (and22)

Fantatr’ireto olona ireto i Jesoa satria mpiara-monina taminy  ary nahatonga  azy ireo ho gaga  sy talanjona . Ankoatra izany  , ny teny fahasoavana nataon’i Jesoa teo  anatrehan’izy ireo  no niteraka  fifaliana  ho azy , indrindra  fa ny fahafantarany  an’i Jesoa  no Ilay  Mpamonjy sy Mpanafaka  , ka nahatonga  azy  nanome  voninahitra an’Andriamanitra  . Koa tsarovy   mandrakariva  fa miteraka fifaliana ho an’ny olona ny fahafantarany  an’i Jesoa Kristy  ho  Mpamonjy  sy Mpanafaka  azy . Ary  ny olona  mahafantatra  Azy  ho Mpamonjy  sy Mpanafaka  ihany  no mahay  mankalaza an’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Hatraiza  ny  finoanao  ny  voalazan’ny Soratra Masina ? Ahoana  ny fihetsemponao  raha mandre fa i jesoa no Mpanafaka ?

Sampana  Sekoly Alahady  FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina