Sabotsy 06 Jiona 2020.
ASAN’NY APOSTOLY 4.32-37
Kristiana miaina amin’ny fahasoavana
Rehefa nitory an’i Jesoa ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia ambaran’i Lioka fa « …fahasoavana no tao amin’izy rehetra » (and33) .Fiainana feno fahasoavana no nentin’izy ireo nitory an’i Jesoa Kristy .
1-Kristiana niray fo sy saina (and32)
« Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino ». Nasehon’ireo kristiana voalohany tamin’ny firaisana tao amin’i Jesoa Kristy .Tena lavitry ny fiainana samy naka ho azy izy ireo , ary tena hita teo amin’izy ireo ny voalazan’i Paoly hoe : »saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’ Andriamanitra,Rain’i Jesoa Kristy » (Rom 15.6). Anisan’izay nahatonga ny fahombiazan’ny fampielezana ny Filazantsara ity firaisana teo amin’ny kristiana voalohany ity. Zava-tsoa tsara fianatra tamin’izy ireo ho antsika taranaka ankehitriny izany .Rehefa tena hita eo amin’ny samy mpitory tokoa ny firaisana , fihavanana araka an’Andriamanitra dia ho mora ny mitaona ny hafa handray izany.
2-Kristiana manaiky hitovy (and34-35)
Ny fivarotana ny zavatra rehetra izay nananana sy ny fametrahana ny vidin’izany teo amin’ny tongotry ny Apostoly dia mariky ny toe-tsaina nanaiky hitovy teo amin’ny kristiana voalohany . Mba tsy hisy tombo sy hala , mba tsy hisy manana kokoa sy mahantra kokoa , dia tonga fomba fiaina teo aminy ny fitoviana tamin’ny endrika hita maso .Toe-tsaina efa lasa lavitra amin’ny finoana no mahavita toy izao .Mahafoy izay mety ho tombony manokana mba hitoviana amin’ny rahalahy mpiara-mitory .Mitovy ny fari-piainana ka afaka nifanohana.
Fanontaniana:
Mbola azo aseho ho hita maso ve ny fitoviana ao amin’i Jesoa Kristy ? Ahoana no fomba hahatanteraka izany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM