Alahadin’ny Sekoly 2020.

FANDAHARANA IOMBONANA

MIHAVANA AO AMIN’NY TOMPO

1-Hira faneva faha-200 Taonan’ny Sekoly FJKM

2-Fiarahabana Apostolika

Ho amin’ny fanahinao anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo (Fil 4.23)

3-Fanatrehan’ Andriamanitra

Salamo 111.1-9

Hira 170

Vavaka fiderana

4-Ny Tenin’Andriamanitra

Hira 210.1-5

Vavaka fangatahana ny Fanahy Masina

Vakiteny : Lev 19.16-18/ Mar 9.33-50/ Fil 2.1-4

Hira 205.4

TORITENY

5-Vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy Fifonana

Hira 447.2-3

6-Famelankeloka

Teny famelankeloka : Jak 4.9-10

sambatra ny olona izay voavela ny helony … ( Sal 32.1,2)

Hira HF 26.1-2

7-Fanekempinoana (Biblika)

8-Asa avvolombelona

9-Vavaka fangatahana (ny FJKM , ny Sekoly, ny asa fanabeazana ataon’ny fiang)

10- Asan’ny Fiangonana

Raharaha (Fiang sy Sekoly)

HAFATRA

Rakitra : Hira 787 na hiran’ny Sekoly

Vavaka fanolorana ny Rakitra

11-Famaranana

Hira 486.4-5

TSODRANO

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra

Trinite Masina

HAFATRA

Avy amin’ny FOIBE  FITONDRAN-TSEKOLY.

Ry Havana malala ao amin’nyTompo .

Ho aminareo  rehetra anie ny fahasoavan ‘ i Jesoa Kristy sy ny fitiavan’ Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny  Fanahy Masina .Amena.

Galatiana 13.14

Miarahaba  antsika rehetra indrindra ny fianakaviamben’ny Sekoly FJKM rehetra eto Madagasikara nahatratra izao Alahady natokana hitondrana am-bavaka sy ho fanohanana ny Sekoly izao. Ary misaotra ny Prezidà Synodaly , ny Mpitandrina rehetra , ianareo biraon’ny Fiangonana , ny Fiangonana manontolo manokana izao fotoana ho an’ny Sekoly FJKM manomboka hatraty amin’ny Foibe Fitondrantsekoly , ny FPMP , ny Sekoly tsirairay.

Ny Sekoly FJKM dia endriky ny fijoroana vavolombelona ataon’ny Fiangonana . Izany no nahatonga ny teny Fanevan’ny Sekoly manao hoe: « Ary ianareo dia vavolombelona manambara  » Jao 15.27a

Koa manentana antsika FJKM rehetra mba hitodika amin’ireo Sekolintsika ary hatoky azy ireny mba ho fijoroantsika ho vavlombelon’iJesoa risty Tompontsika .

Misaotra ny Talem-paritra , ireo Talen-tSekoly ary ireo Mpampianatra sy ny mpiara-miasa rehetra ao aminn’y Sekoly FJKM noho ieo ezaka lehibe nataonareo hampandrosoana ny Sekoly na dia ao anatin ‘ny fahasarotana aza . Hoy ny Tompo : « Fa naharitra amin’ny fanahy iray ianareo ma mray ho hiara-miezaka hampandroso ny fonoana ny Filazantsara » Fil 1.27b

1-Mandalo fotoan-tsarotra isika ankehitriny noho izao Covid-19 izao . Manoloana  izany dia mampahery   ny Sekoly FJKM rehetra , ireo Talen-tSekoly , ireo Mpampianatra. Mahereza mivavaka fa momba antsika hatrany Andriamanitra .

2-Mikorontana avokoa ny fandaharam-pianarana  rehetra  ary misy aza ireo voatery nofoanana  toy ny Andron’ny Sekoly. Ny fanadinana andrana    dia samy hanao izay tandrifiny . Ny fanadinam-panjakana kosa dia miandry ny fandaminan’ny fanjakana isika .

3-Aoka mba hampahafantatra  ireo Ray amandreny  ny zava-misy ao amin’ny Sekoly ny Talen-tSekoly  ka handray fanapahankevitra  iombonana eo amin’ny saram-panarana.

Farany , ry Havana ,mahereza ao  amin’ny Tompo  isika rehetra ary hifampivavaka mandrakariva.

Hitahy anareo anie ny Tompo  . “ mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy  ; mba handehananareo miendrika ny Tompo , hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo aminn’y fahalalana tsara an’Andriamanitra” (Kol 1.9-10)

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

Ny Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly FJKM

RAKOTONDRANAIVO Domoina            

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV