Alah’Arsiva sy Tranombakoka 2020

MAHATOKY NY TENY VAVOLOMBELON’ NY TOMPO

ALAHADIN’NY ARSIVA SY TRANOMBAKOKA taona 2020

  • FANDAHARANA IOMBONANA
  • HAFATRA
  • RAKITRA ARSIVA 2018, 2019

Alahady  16 Febroary 2020

FANDAHARAM-POTOANA

  • Fidirana : Feon-javamaneno na Antoko Mpihira
  • Hira Faneva faha 200 taona Sekoly FJKM
  • Fiarahabana Apostolika : II Kor 13 : 14 Amena
  • Fiantsoana ny Anaran’Andriamanitra
    • Salamo faha 103
    • Hira Tsanta  5

Vavaka fiderana

  • Sitrapon’Andriamanitra: «  Josoa 1 : 8 :»Sambatra ny mahitsy làlana…”
    • Hira  503
  • Vavaka fifonana 
    • Hira  Fanampiny 22
  • Famelan-keloka : “ I Pet. 1:23” Sambatra ny olona izay voavela ny helona…”
    • Hira 392 : 1
  • Fanekem-pinoana laharana faha – 3
  • Feon-javamaneno na Antoko Mpihira
  • Hafatra avy amin’ny Foibe Arsiva syTranombakoka
  • Raharahan’ny Fiangonana
  • Fanatitra (Antoko Mpihira)

Fanolorana ny fanatitra

  • Hira 275 : 1
  •  Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
    • Hira 212
  • 5mn n’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra 
    • Hira 226
  • Vavaka sy Soratra Masina :

Sal 19 : 7 -11. / Lio 5 : 1-7 /I Pet 1 : 22-25

  • Hira 177 : 1-3
  • Toriteny

         Hira (Antoko Mpihira)

  • Vavaka fangatahana + vavaka nampianarin’ny Tompo
  • Asa vavolombelona
    • Hira 435 :  1-3
  • Tsodrano. Nomery 6/24-26Amena!
    • Ho an’Andriamanitra ny voninahitra !

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. AMENA !

HAFATRA

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika”II Tim. 1:8a

Ry Havana,

Isaorana ny Tompo noho ny famindrampony. Faly miarahaba antsika rehetra nahavita soa ny fankalazana ny Noely sady nahatratra izao taona vaovao izao. Ny tana-maherin’Andriamanitra anie homba antsika hatrany ahazoantsika fifaliana sy fiadanana mandrankariva amin’ny fanatanterahana ny asany  rehetra.  II Tes. 3/16a.

Ity taona 2020 ity no hamaranana ny fanavaozana eto anivon’ny FJKM koa entintsika am- bavaka izany. Eo ihany koa ny Synoda Lehibe faha  IXX any Sambava ny volana Aogositra  ho avy izao.

Manomboka amin’ity taona 2020 ity dia ALIMANAKA FJKM no vokarin’ny Arsiva sy Tranombakoka izay misy ireo sary tranainy, ny tetiandron’ny Foibe,  ny datin’ny Isankerintaona avy amin’ny SP rehetra. Manentana ny Mpitandrina sy ny Kristiana momba ny fanangonana sy fiarovana ireo zavatra fahatsiarovana satria sarobidy loatra ho an’ny Fiangonana izany.  Manentana ireo SP mbola tsy nahavita ny fandefasana ireo labasy misy ny tantarany aty amin’ny Arsiva/FJKM mba hanao izany. Isorana ny Tompo ny efa fanatanterahana ny daty malaza isaky ny Synodamparintany; aoka hamantatra ireo sary, na hira na fitaovana tranainy izay nampiavaka ny Fiangonana ka fonosina sy ampirimina amin’ny toerana azo antoka. Aoka ho raiketina an-tsoratra ny karazany,, ny isany, ny  toetoetrany, ny Fitandremana misy azy, Ohatra momba ny Fanaka : filanjana, seza, latabatra, kalisy, Momba ny Boky  : Baiboly tranainy, Tiona, bokin-kira. Momba ny Sary : Fiangonana, mpitondra Fivavahana, Momba ny sary : sarintany, Tilikambo, vavahady sns.. Momba ny Zavamaneno : harmonia, orgue, antsiva. Tsapa tokoa fa manamora ny fananganana Mozea ny fanorenana Fiangonana anefa ny taloha dia mbola mitoetra.

Isaorana hatrany ny SP sy ny Fitandremana nandrotsaka ny Rakitra tamin’iny taona ity ary manentana ny  fandrotsahana ho an’nyFoiben’ny Arsiva sy Tranombakoka FJKM eto Faravohitra na arotsaka amin’ity kaonty ity BNI Madagascar kaonty n° 01 0449290020 094 Association FOIBE FJKM Bibliothèque Archives BP 623 101 Antananarivo. Na apetraka ao amin’ny Foibe SAF/FJKM.Tolorana fisaorana manokana ireto Fiangonana ireto izay nandrotsaka ny  anjara rakitra ny taona  2018  sy ny  taona 2019. Azonareo atao ny miantso anay amin’ny fanentanana aty amin’ny Fiangonana.

Dia manao veloma amin’ny Anaran’ny Jesoa kristy ho an’ny mpianakavin’ny Finoana rehetra !

Ny Filohan’ny Komity                             Ny Tale

RAHAJARY R. Tsialoninarivo.      RALISON R. Fara Fanja, Mpitandrina                                       

Rakitra Alahadin’ny Arsiva 2019

Synodamparitany Afovoany Andrefana  01  
Rakitra FJKM Ambatolava Karmela SP 01 10 000
Rakitra FJKM Andavabato Fahasoavana SP 01 12 900
Synodamparitany Afovoany Atsinanana Vaovao 02  
Rakitra FJKM Ampasina Maningory SP 02 40 300
Synodamparitany Ambatondrazaka Vaovao 05  
Rakitra FJKM  Andrarabary Fitiavana SP 05 7 500
Rakitra FJKM Andilanomby Ambatondrazaka SP 05 8 100
Rakitra FJKM Vohidiala SP 05 10 000
Synodamparitany Amoron’ i Mania Ambositra 06
 FJKM Ambondrona Filadelfia  SP 06 – Rakitra 2018 2 400
FJKM Ambondrona  SP 06 – Rakitra 2018 3 300
 FJKM Iakarina Finoana SP 06 – Rakitra 2018 1 250
FJKM Nanandrana Firaisantsoa SP 06 – Rakitra 2018 3 100
FJKM Vohimarina Fitiavana SP 06 – Rakitra 2018 1 250
Synodamparitany Andrefana Atsimonankaratra Miara-dia 08
Rakitra VOMM Galilia Fiorenana SP 08 11 800
Synodamparitany Antananarivo Andrefana 10 (13)
Rakitra Salema vaovao 2018 25 000
Rakitra FJKM Ambalavao Isotry SP 10 106 600
Rakitra FJKM Ambatomena SP 10 68 200
Rakitra FJKM Ambavahaditokana SP 10 84 100
Rakitra FJKM Ambodihady Vaovao SP 10 30 000
Rakitra FJKM Ambodimita Betela SP 10 122 000
Rakitra FJKM Ambohijatovo Fitiavana SP 10 50 000
Rakitra FJKM Ambohijafy Fanantenana SP 10 40 000
Rakitra FJKM Ambohimamory Malala Orimbato SP 10 173 450
Rakitra FJKM Ambohimena Fahasoavana SP 10 27 400
Rakitra FJKM Antongombato Fahasoavana SP 10 61 000
Synodamparitany Antananarivo Andrefana 10  
Rakitra FJKM Kristy Fanantenana Antohomadinika SP 10 25 000
Rakitra FJKM Ziona Fahazavana Anosibe SP 10 200 000
Rakitra FJKM Salema Vaovao 67 Ha SP 10 25 000
Synodamparitany Antananarivo Atsimo 11  
Rakitra FJKM  RASALAMA Ambohipotsy SP 11 200 000
Rakitra FJKM Ambohiborona Fitiavana SP 11 10 700
Rakitra FJKM Ambohijanaka Gara Fitiavana SP 11 89 420
Rakitra FJKM Ambohimanoa Alasora SP 11 40 000
Rakitra FJKM Ankadimbahoaka SP 11 50 000
Rakitra FJKM Fiadanana Maritiora SP 11 106 500
Rakitra FJKM Ifarihy Famonjena SP 11 30 000
Synodamparitany Antananarivo Atsinanana 12  
Rakitra FJKM Ambavahadimitafo 100 000
Rakitra FJKM Ambatoroka Finoana SP 12 105 500
Rakitra FJKM Ambavahadimitafo SP 12 100 000
Rakitra FJKM Ambohimiandra SP 12 125 200
Rakitra FJKM Ambohipeno Famonjena SP 12 15 000
Rakitra FJKM Ambohitriniandriana Fitiavana SP 12 15 000
Rakitra FJKM Andraisoro Kristy Fehizoro SP 12 40 000
Rakitra FJKM Anonimasina SP 12 51 500
Rakitra FJKM Manohisoa Fitiavana SP 12 10 000
Rakitra FJKM Tranovato Faravohitra  SP 12 900 300
Rakitra Aumonerie CENHOSOA SP 12 83 100
Rakitra FJKM Betafo SP 12 32 100
Synodamparitany Arivonimamo Vaovao 13  
Rakitra FJKM  Ziona Famonjena Imerintsiatosika SP 13 122 800
Rakitra FJKM Ambatobe Lovasoa SP 13 7 360
Rakitra FJKM Ambohimahavelona Sampamboaloboka SP 13 7 700
Rakitra FJKM Antenimbe SP 13 14 700
Rakitra FJKM Ambohitrony Fiadanana SP 13 5 920
Rakitra FJKM Miadanimerina SP 13 8 050
Rakitra FJKM Orima Manalalondo SP 13 9 500
Rakitra FJKM Tsirangaina SP 13 19 200
Rakitra FJKM Ziona Fiovana Amboanana SP 13 10 600
Synodamparitany Atsimon’Iarivo Miray 15
Rakitra FJKM Marirano Betlehema SP 15 – 2018 14 800
Rakitra FJKM Ambatolampy Fitiavana SP 15 40 000
Rakitra FJKM Amboanjombe Ankavodiana SP 15 14 100
Rakitra FJKM Ambolotarakely Edena Fihavaozana SP 15 5 000
Rakitra FJKM Ampangabe Famonjena SP 15 21 000
Rakitra FJKM Ambohimangakely SP15 4 600
Rakitra FJKM Andranomainty Salema SP 15 4 200
Rakitra FJKM Antanetibe Maromby SP 15 2 000
Rakitra FJKM Antsiriribe Finoana SP 15 12 200
Rakitra FJKM Antotohazo SP 15 18 400
Rakitra FJKM Bemasoandro SP 15 10 000
Rakitra FJKM Manarintsoa Fahazavana SP 15 11 100
Rakitra FJKM Marirano Betlehema SP 15 14 800
Rakitra FJKM Soamonina Fanavaozana SP 15 5 800
Rakitra FJKM tsarazaza Finoana SP 15 6 200
Rakitra FJKM Tsiafahy Fihavaozana SP 15 60700
Rakitra FJKM Ankerana Filadelfia 4 300
Synodamparitany Iarivo avaradrano 19
Rakitra FJKM Ambatonakanga SP IA 19 100 000
Rakitra FJKM Ambodiala Peniela SP 19 35 000
Rakitra FJKM Ambohimarina Fiderana SP 19 26 820
Rakitra FJKM Antanandrano Fitahiana SP IA 19 24 700
Rakitra FJKM Antsampandrano Fiderana SP19 213 700
Rakitra FJKM Faravohitra Avaratra SP 19 50 300
Rakitra FJKM Tsarafara Sabotsy Namehana SP 19 20000
Synodamparitany Bemaraha 21  
56* Rakitra FJKM Betela Vaovao Maintirano SP 21 23000
Synodamparitany Mananara Firaisana 22  
57* Rakitra FJKM Andranokotona U F SP 22 12 200
58* Rakitra FJKM Ambohijanahary Fanantenana SP 22 7 000
Rakitra FJKM Anosy Fitiavana SP 22 31 000
Synodamparitany Mananjary Pangalana 23  
Rakitra Pe Sahavato SP Mananajary Pangalana SP 23 25 000
Synodamparitany Matsiatrasoa 25  
Rakitra FJKM Tsaramandroso Ziona Fihavaozana SP 25 13 800
Synodamparitany Miarinarivo  Fahazavana 27  
Rakitra FJKM ankotrabe SP 27 5 200
Rakitra FJKM Sanganoro Fahazavana SP 27 17 400
Synodamparitany Mandridrano Mpiambina Soavinandriana Itasy 29  
Rakitra FJKM Ampary Famonjena SP 29 5300
Rakitra FJKM Andranomanoa Fehizoro  SP 29 18 000
Synodamparitany Toliara Fihavaozana 33  
Rakitra FJKM Ambahikely SP 33 17 000
Rakitra PE Sakaraha Manodidina SP 33 10 000
Synodamparitany Tsiroanomandidy 34  
Rakitra Andranomadio Antanambao Fahazavana SP 34 5 400
Synodamparitany Atsimonankaratra Fahazavana 38  
Rakitra FJKM Belambo Lapan’ny Fiadanana SP 38 25 800
Rakitra FJKM Mahazina Famonjena SP 38 10 000
Rakitra FJKM Mamory Fitiavana  SP 38 13 420
Fiangonana miisa 94

Alakamisy 13 Febroary 2020.

LIOKA 11.27-28

Ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny mpino

Rehefa nahita ny asa lehibe nataon’i Jesoa ity vehivavy ity dia resy lahatra ka nilaza fa sambatra i Maria reniny .Mitaona handray ny tena fahasambarana noho izany i Jesoa.

1-Tenin’ Andriamanitra hitondrana ny fiainana

Nitaona ilay vehivavy ho amin’ny fandraisana sy fiainana ny Tenin’ Andriamanitra i Jesoa . Anjaran’ny olona mino ny asa nasehon’ Andriamanitra teo amin’ny fiainan’i Jesoa ny mino ka mandray ny teniny .Tsy ampy mantsy ny hoe : manana fifandraisana Aminy amin’ny maha- reny niteraka sy zanaka fa ny zava-dehibe indrindra dia ny fanekena hihaino ny Tenin’ Andriamanitra ary mifamatotra amin’izany ny fampiharana ny Teny nohenoina hitondrana ny fiainana.

2-Tenin’Andriamanitra handraisana fahasambarana

Rehefa mandray marina ny Tenin’Andriamanitra ny mpino .Manorina fifandraisana vaovao amin’ny fihainoana sy fankatoavana ny Teniny dia misy vokatsoa raisina avy amin’izany : fiainam-pahasambarana .Tsarovy fa mitondra anao amin’ny tena fiainana feno fahasambarana ny fanekena hifandray marina amin’i Jesoa tsy amin’ny endrika hita maso fa amin’ny fiainana ara-panahy dia ianao manana ny teniny ka miaina araka ny fiainan’ny zanak’ Andriamanitra . Meteza ianao hanokana fotoana hihainoana ny Tenin’Andriamanitra . Ampiharo eo amin’ny fiainanao izany dia ho sambatra ianao.

Fanontaniana:

Inona no tokony hataonao mba hanananao fiainam-pahasambarana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

FMBM/Alah’Baiboly 2020

FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY

BAIBOLY AMIN’NY FITENIKO, TOHANAKO, FENO 185 TAONA

Ny tenin’Andriamanitra sakafo mahavelona . Baiboly @ fiteniko tohanako, io teny entina mankalaza an’Andriamanitra sy hanamarihana ny faha-185 taona nahavitana printy voalohany ny Baiboly Malagasy amin’ny  ity taona 2020 ity. Miara-dalana amin’ izay koa ny faha-55 taonan’ny FMBM na ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy. 

Raha ny tantara dia ny 21 jona 1835 izany daty izany ary ny 21 jona 1965 kosa no nitsanganan’ny FMBM teto Madagasikara. Fahasoavana lehibe ho antsika Malagasy izany satria dia ny Baiboly Malagasy no zokiny indrindra eto Afrika, lahimatoa ny tenin’Andriamanitra voadika amin’ny tenim-pirenena.

Maro ireo lalana nolalovana vao tonga amin’ izao endriny ahitantsika azy izao ny Baiboly. Isan’ny tantara tsy fanadino fa  nihatra aman’aina tokoa mantsy ny asa natao satria dia ambara fa teraka tao anatin’ny fahoriana ny Baiboly Malagasy.

Mialohan’ny hialan’ireo misionera teto madagasikara hamonjy ny tanindrazany, no tsy maintsy namitana printy ny Baiboly Malagasy, miisa 70 teo ho eo ny Baiboly voantonta tamin’izany; ka izay no niveloman’ny Malagasy Kristiana rehetra teto Madagasikara nandritra ny taona maro sy ny vanim-potoanan’ny fanenjehana tamin’ny andron’ny mpanjaka. Isan’ny asa goavana nentin’ireo misionera teto amintsika koa ny fahafahana mamaky teny ka ny tenin’Andriamanitra mivantana no vakiany sy iainany. Nanohina ny fo, hoy Atoa RABENIFARA Désiré, filohan’ny filankevim-pitondrana eo anivon’ny FMBM ny fankanesany tany “Pays de Galles” mahakasika ny Baiboly Malagasy satria reharehan-dry zareo mihitsy izany hoe Baiboly Malagasy vita printy voalohany izany ary tena tandroviny fatratra sy kajiana mafy ilay Baiboly izay nataony ao amin’ny tranombakoka any an-toerana.

Tamin’ny taona 2019 lasa iny tokoa dia nisy ny taom-pankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-200 taonan’ izany tantara izany ka niarahana tamin’ny Malagasy maromaro avy aty Madagasikara namonjy an’i Pays de Galles ka nametrahana marika noho izany vanim-potoana lehibe izany tany an-toerana. 

Eto am-pamaranana dia mampieritreritra ilay fanontaniana hoe “Iza ary no be mpamaky, ny baiboly sa ny gazety? Mitaona antsika mba hamaky araka izay azo atao ny Baiboly satria izay no fanekena natao raha natokana ho mpandray isika, ary tsy ny mpandray ihany fa ny kristiana rehetra ihany koa satria  fiainana mahavelona izany, tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny tenin’Andriamanitra ihany koa.

“Baiboly amin’ny fiteniko, tohanako” ny alahady, 9 janoary fiombonam-bavaka ho an’ny asa fampielezana ny Baiboly ho an’Antananarivo sy ny manodidina, amin’ny 2 ora sy sasany ao FJKM katedraly Analakely, amin’ny 3 ora tolakandro kosa ao amin’ny FJKM Karmela Antanifotsy any Sambava, ary amin’ny 2 ora sy sasany ao amin’ny CEIM  Fianarantsoa.

Ny 21 jona 2020 ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena no ivon’ny fankalazana.

Evarsite RASOLOHERY

Alarobia 12 Febroary 2020.

SALAMO 119.137-144

Andriamanitra marina

Ny fahamarinan’ Andriamanitra dia tsapan’ny mpanompony amin’ny fahatanterahan’ny teniny .

1-Teny mahitsy

Izay rehetra ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Teniny dia marina avokoa . Tsy mamitaka Andriamanitra . Aseho amin’ny alalan’ny fanatanterahany ny Teniny izany. Mahazo toky noho izany ny mpanompony manana sy miaina amin’ny teniny .Tian’ Andriamanitra isika ka nomeny ny teniny . Teny mahitsy azo antoka . Koa mazotoa mamaky sy mandinika ny Tenin’Andriamanitra.

2-Teny tsy miova

Mankamamy ny Tenin’ Andriamanitra ny mpanompony . Na dia misy aza ireo sokajin’olona toa tsy mandray izany teny izany dia resy manankery amin’ny toe-javatra rehetra natrehany teo amin’ny fiainana.Teny azo antoka ,tsy miova amin’ny vanim-potoana rehetra .

3-Teny mampijoro

Tsapan’ny mpanompon’Andriamanitra ity fa toa kely sy tsinotsinona izy manoloana ny toejavatra natrehany ,tsy nanana izay maha-izy azy eo amin’ny fiaraha-monina , ary indrindra toa miezaka nampahory azy ny fahavalo.Tsy nanankery niatrehana izany izy , kanefa noho ny Tenin’ Andriamanitra izay noraisiny ho fiainana dia tafajoro hatrany izy . Ho anao koa : mandraisa ny toro-làlana avy amin’ Andriamanitra voarakitra ao amin’ny teniny izany.

Fanontaniana:

Aiza ny vahaolana hitondrana ny fiainana raha mandalo fitsapana? Nahoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

SLK 2020/ FOIBE

IREO BIRAO MPITANTANA

SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA (SLK)
BP: 623 – 101 Antananarivo – 020 22 373 64

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, ry lehilahy mahery.

Biraon’ny SLK (V. 501)

Filoha : RAKOTOHERISOA Benjamin Désiré
034 22 089 54 –rakotoverisoab@gmail.com

Filoha Mpanampy : RANDRIAMAMPITA Tovoherimanjato
Mpit., 034 81 001 23

Mpitantsoratra (F) : RAMANANTSALAMA Hasina, Mpit.
033 40 741 11, 034 43 834 53
hasintsalama@gmail.com

Mpitantsoratra (V) : RAKOTONIAINA Tiana Désiré
034 03 679 77

Mpitahiry vola : RANDRIANOMENJANAHARY Mamy
Gaston – 034 18 169 32 bigmamygaston@gmail.com

Mpanolontsaina :

TOTOFENO Théis Elia, Mpitandrina
032 67 608 46/033 14 048 52,
034 31 694 10 – totofeno@gmail.com

RAKOTONDRAZAKA Volantantely F.
034 11 232 92/033 11 232 92 –
tarakoto1@yahoo.fr

Tonia : RAMIANDRANIRINA Nahitantsoa Avotra, Mpit.
034 20 883 11 / 033 20 883 11
miandra_nirina@yahoo.fr

Mpandinimbola :
RANDRIANARIVONY Marka Daniel – 034 04 993 85
RANARIJAONA Jean Jacques – 034 50 668 10
ANDRIAMIHAJASOLOMALALA – 034 65 013 32

Mpandraharaha :
RAKOTOHARISON Jean Claude – 034 68 565 77
RANDRIAMBOAVONJY Gideona – 033 07 807 46
RANDRIAMIADANA Solofoson – 034 19 379 25
RAKOTOMAVO Tsiriniaina Miora – 033 05 987 51

Solontena avy amin’ny Mpiandraikitra Foibe:
RAKOTOMANDIMBINDRAIBE Mamisoa

Alahadin’ny SLK : 10 Mey 2020

Talata 11 Febroary 2020.

SALAMO 119.129-136

Ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny mino

1-Mamabo ny fony

Resy lahatra ilay mpanao salamo fa tena miavaka ny Tenin’ Andriamanitra izay novakiany , nampianarina azy sy nandraisany fahalalana sy fahendrena ka nampiavaka azy tamin’ny hafa. Babo ny fony , ny faniriany dia handray , hianatra izany amin’ny fotoana rehetra:  » Mahazava ny famoahana ny hevitry ny Teninao ka manome fahalalana ho an’ny kely saina…mitanatana vava aho …fa ny didinao no iriko » ‘and130-131).Eny , nataony ho zava-dehibe ny fitandremana izany .

2-Manamafy ny fiombonana Aminy

Noho ny anjara toerana nomeny ny Tenin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany dia tsara ny fifandraisany tamin’Andriamanitra . Mivavaka , mangataka ny famindrampon’ Andriamanitra ho amin’ny fiainany izy. Mino izy fa misy anjara voatahiry manokana ho azy ao amin’ Andriamanitra : »Todiho aho ka mamindrà fo amiko , araka ny tokony ho anjaran’izay tia ny anaranao« .

3-Manoro làlana

Mivavaka hatrany ity mpanao salamo ity , ary maneho fa manoloana ny toe-javatra samihafa miseho eo amin’ny fiainana dia ny Tenin’ Andriamanitra ihany no iriny , angatahiny , tadiaviny ho mpitari-dàlana azy mba tsy ho resin’ny fandriky ny ratsy sy manafaka azy amin’ny fahoriana.Rehefa miaina amin’ny Tenin’ Andriamanitra ny mpino dia tsy voafandrik’ilay ratsy ny làlany .

Fanontaniana:

Lazao ny tombotsoa azon’izay mamaky sy mandinika ny Tenin’Andriamanitra isanandro ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM