Talata 07 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

JONA  2.1-11

1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana

Voatery  natsipy  any anaty  ranomasina lalina I Jona vao nitony ny ranomasina .  Hanao  ahoana ny fiafaran’ny fiainany ? “Ary  Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’I Jona . Ary I Jona dia tao an-kibon’ilayhazandrano hateloana andro  sy hateloana alina” (and 1). Ilay hazandrano lehibe  no fitaovana niasan’ny tàna-maherin’ny Tompo mba hahatonga an’I Jona hiverin-dàlana ka handeha amin’izay niantsoana sy nanirahan’ny Tompo  azy . Tao an-kibon’ilay trondro be izy nefa tsy  maty. Tsapany ny fahadisoany . Nahatsiaro fahoriana izy ka nivavaka (and2) . Soa fa namaly  vavaka sy nihaino  ny fitarainany ny Tompo (and3), fa  raha tsy izany dia ho loza  no anjarany .Aza miandry  famaizana  sy  kapoka vao hanaiky hanatanteraka  ny sitrapon’ Andriamanitra . Miasa amin’ny  fomba mahagaga ny Tompo hamerenana ny olom-boantso  handehanany  araka ny làlany.

2- Ho fanehoany  ny heriny mahagaga

Raha heverina dia tsy  tokony  ho velona intsony I Jona. Tanisainy amin’ny vavaka ireo fahagagana nasehon’ny tàna-maherin’ Andriamanitra  : ny nanipazana azy tao amin’ny ranomasina lalina (and4-6), ny nitoerany telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny  trondro (and1,3) , ary ny nampiakarana azy ho eny an-tanety indray (and7,10) . Izany  rehetra izany  no mampiseho  fa Izy  no Tompo sy mpifehy  ny zava-boahary rehetra , eo  ambany  fahefany ny fahafatesana sy ny fiainana. Hevero  ange  ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana , ny nidinany tany  amin’ny fiainan-tsy hita , ny nitsanganany tamin’ny maty  , ary ny niakarany  velona ho any an-danitra . Mahery Izy!

Fanontaniana :

Famaizana ve no  mahatonga ny mosary , tondradrano?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV