Jobily / Pasteur R.Juliette

SP ANTANANARIVO ATSIMO

Fitandremana Ampahitrosy Firaisana

FANASANA

« Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko  fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra  izay famonjena ny olona rehetra » (Sal 34.3/ Tit 2.11)

-Ny Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe sy ireo mpiara-miasa aminy

-Ny Prezidà Synodaly sy ny  Biraon’ny SP Antananarivo Atsimo

-Ny Birao sy ny Fiangonana manontolo

-Ny Komity sy ny Biraon’ny fisotroandronono

-Ny Zanaka ampielezana ary  ny fianakaviana manontolo

Dia faly  manasa antsika hiara-mankalaza sy hanome Voninahitra an’ Andriamanitra  noho ny Jobily Fisotroandronono  sy ny 15 Taona niaraha-niasa tamin’ny FJKM AMPAHITROSY sy ny

Mpitandrina RAVAOARISOA Juliette

Izany dia hotanterahina ny Alakamisy 7 Novambra 2019 amin’ny 9 ora sy sasany  iarahana amin’ny Synodamparitany .

Ento ambavaka ny fotoana ho Voninahitr’ Andriamanitra

Fifandraisana :034 79 664 07

Alahadin’ny FIFA/FJKM

FANDAHARANA IOMBONANA

ALAHADY 10 NOVAMBRA 2019

Lohahevitra: “Ho avy amin’ny heriny ny Tompo”

● Fiarahabana Apostolika.

  • Sal : 105:1-5.
  • Hira :18.

● Vavaka fiderana.

● Sitrapon’Andriamanitra : Jer 17 :5-6 “Sambatra ny mahitsy lalana …. “ Sal 32.(1-2)

  • Hira : 512: 1

● Fifonana

● Hira 409.

● Teny famelan-keloka : Jer 31 : 3-4

“Sambatra ny olona izay voavela ny helony ” Sal 119:(1-2).

  • Hira : FF 34.

● Fanekem-pinoana laharana faha.2

● Raharaham-piangonana sy famakina ny hafatra FIFA Foibe.

● Rakitra : Antoko Mpihira na Sampana na  Vaomieran’ny Fananana  na Hira 306

● Fanolorana ny rakitra – Hira : 441 :1.

● Fankalazana ny tenin’Andriamanitra :

  • Hira :780:1
  • Vavaka
  • 5mn ny Sekoly Alahady : II Pet 3:8-13
  • Hira : 212 : 1

● Vakiteny : Sal 98:4-9 ;Jao 14:1-7 II Pet 3:8-13

● Hira :824:1-2

● Toriteny :

● Vavaka fangatahana + Rainay  izay any an-danitra …..

● Asa Vavolombelona

  • Hira FF 18 :1-2

● Tsodrano:Heb 13:20-21.

  • Hira FF 18 :3

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

HAFATRA AVY AMIN’NY KOMITY FIFA FOIBE FJKM.

Ry Havamalala ao amin’ny Tompo, hampitombona mandrakariva aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny voalohateny dia miarahaba antsika rehetra, ary singanina manokana isika tompon’andraikitra vaovao izay voafidy ao anatin’izao taom-panavaozana ny toempiasana izao indrindra ireo Vaomieran’ny Fananana Fitandremana na Synodamparitany.

Ampahatsiahina fa tokony hisy Birao izany Vaomiera ny Fananana izany ary ahitana Filoha (1), Filohampanampy(2), ka ny iray misahana ny fananana azo hetsehina, ary ny iray kosa ny fananana tsy azo hetsehina, ary toy izany koa : Mpitantsoratra (2), Teknisiana(2), ary Mpikambana ny ambiny. Izireo no hiandraikitra voalohany momba ny fananana isan’ambaratonga.

Entanina hatrany koa isika mba hanoratra ny tany amin’ny anaran’ny FJKM, na Fitandremana izany na Synodamparitany, ary hanangana ny vaomieran’ny Fananana, na any amin’ny Fitandremana na any amin’ny Synodamparitany mba hamantatra, hiaro, ary hampamokatra sy hampitombo izany.

Mankasitraka feno antsika rehetra koa izay efa nandefa rakitra tamin’ny Alahadin’ny FIFA 2018, ary manentana kosa ireo izay tsy mbola nanao izany mba hanefa ny anjarabirikinareo.

Manao veloma finaritra ombam-pitahian’ny Tompo ary misaotra sahady ny amin’izay hataonareo

“Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora(Mat 25:13).

                                               Amin’ny anaran’ny Komity FIFA

RAKOTOARISOA Felix                      RAKOTONDRABE ANDRIANAHARIJAONA

Ndrianja, Mpitandrina

andrianaharijaona@gmail.com 033 37 991 38

TORITENY

Sal 98:4-9 

“Ho avy amin’ny heriny ny Tompo ”.

FAMPIDIRANA

Tamin’ny vanimpotoana niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara indray dia nahatsiahy ho mahery sy manana ny maha izy azy indray ny ankamaroan’ny Malagasy satria, afaka teo  ambany fanagejan’ny mpanjanaka, fa tsy ilay Firenena resy sy afabaraka tany amin’ny 64 taona lasa intsony; any ka velona ny hoby, ary noforonina indray ny sainampirenena, ny hirampirenena, ny tafika sy izay rehetra noheverina fa mariky ny fiandrianampirenena sns ”. Fa mbola mihoatra lavitra nohon’izany fifaliana izany ny fifalian’ny mpino rehefa mahatsiahy fa hiverina amin’ny heriny ny Tompony:

  1. Ka mihobia Azy (and 4-And 6)

“Mihobia ho an’i Jehovah …. Mankalaza an’ i Jehovah, mihobia eo anatrehan’i Jehovah”

                Tsy misy mihoby ny resy amin’ny ankapobeny, fa hira fisaonana aza no hatao, fa ny mahery, ny tsara izany no deraina, ary izany indrindra no ampahatsiahivin’ny Soratra Masina eto nohon’ny famojena vitany, ka namonjeny ny zanak’olombelona, ny  nampisehoany ny heriny tamin’ny Jentilisa  marobe izay nanodidina sy niaday tamin’ny vahoakan’Andriamanitra .

                Hitantsika rahateo izany ao amin’ny Jao 14:1-7 “Aza malahelo ny fonareo, ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro”, izany hoe ny fihobiana sy ny fifalian’ny Kristiana dia tsy mijanona eto an-tany ihany fa hatrany andanitra, any amin’izay misy ny Raintsika mandrakizay, ka tsy tokony alehelohelo na hatahotahotra foana isika mino, satria Kristy mihintsy no manala ny alahelo, ka mendrika ny hobiana.

                Ry Havana, nahoana ary ianao no toa kivy sy mitaondrika indraindray? Mijery ny fiainananao manokana? Mijery ny fananan’ny Fiangonana? Ny Fianan’ny Sampana na Fiangonana misy anao? Mihobia fa hiverina amin’ny heriny ny Tomponao.

                Fa tsy vitan’ny hoe tokony hioby ihany isika, satria hiverina amin’ny heriny ny Tomponao, fa Izy koa dia sady hiverina

  • Ka hitsara amin’ny fahamarinana Izy (and  7-and 9)

“… fa avy hitsara ny tany Izy, hitsara izao rehetra izao amin’ny fahamarinana Izy. Ary ny Firenena amin’ny fahitsiany”.

Rehefa hiverina ny Tompo dia tsy ilay zazakely azo rahonana ho tapahindoa tao antranon’omby intsony no hiverina, tsy ilay nitafy nofo amandrà, ka be fandeferana, ka azo nokapohina sy nororaina ny tarehiny, ary nanaiky nohomboina teo amin’ny hazo Fijaliana intsony, fa ilay MPitsara marina, tsy azo ivalozana, ary ny Firenena rehetra dia tsy afaka eo anatrehanay ka tsy maintsy hadinina, ary handray ny valin’asany ny tsirairay .

                Manamafy izany fitsaran’ ny Tompo  sy famotehana izao tontolo izao  rahateo ny hita ao amin’ny  II Pet 3:8-13, izay milaza fa : « hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny ntenan’ny zavatra rehetra»  izany hoe fitsarana miampy fampiharana didy avy hatrany dia ny famotehana ny ratsy fanahy sy izao tontolo izao i Kristy rahateo dia mampanatena ny hitsarana izao tontolo izao, fa ny hanafahana izao mino Azy kosa araka ny Jao 3 : 16-17.

                Ry Havana, ny fitsaran’ny tany ve no atahoranao, sa ny vavambahoaka? Sa izay lazain’ny tambajotra serasera toy ny facebook sns, sa ny fitsaran’Andriamanitra mahery?Matahora ny fiverenanany amin’ny hery, fa ho mafy ny fitsaran’ny Tompo Jesoa.

FAMARANANA

Koa andeha ary isika hihoby mandrakariva ny Tompo, ary hievitra mandrakariva ny fitsarana hataony satria hiverina amin’ny heriny Izy Tompo, ka tsy famonjena sy fibebahana intsony no andrasana amin’izay fa efa ny valin’asan’ny tsirairay.

FAMPIASANA GOOGLE MAPS SY SMARTPHONE

HAHITANA FANGITRA (Coordonnées) NY FIANGONANA

HALEFA ATY AMIN’NY FOIBE FJKM.

TANJONA : FANGITRA WGS84 NO HALAINA (Latitude et longitude)

  1. RAHA ORDINATEUR NO AMPIASAINA

SIG QGIS Fampiasana Google maps

Ohatra, FJKM Ambohitsitononina, aiza no misy azy?

Ao amin’ny ordinateur, soraty : Google maps Antananarivo,

Kitiho (clic) ilay sarintany hita eo,

Soraty Ambohitsitononina tahaka izao

Kitiho ny «loupe » na Return.

Akisaho ny sarintany mba ho eo ampovoany ny faritra misy ilay Fiangonana.kitiho (clic) ny sary satelita (eo amin’ny Avadiho ho sary satelita ilay sarintany coin inférieur gauche).

Halebeazo ny sary satelita misy ny Fiangonana (zoom +), dia hakisaho raha ilaina.

Ataovy izany amin’ny teboka (points jaunes) hafa rehetra eny amin’ny sisin’ny faritry ny Fiangonana FJKM Ambohitsitononina.

  1. RAHA SMARTPHONE NO AMPIASAINA

FOMBA FAMPIDIRANA APPLICATION

Midira ao amin’ny Play Store

Télécharger-o ny Mobile Topographer

Midira ao amin’ny Mobile Topographer

Mankanesa amin’ilay toerana misy ny teboka (point) tiana halaina ny fangitra (coordonnées)

tsindrina ny sarina saina

miandry kely, mipoitra ny fangitra.

FANAMARIHANA ny zavatra handrasana aminareo:

  1.  ALAIVO NY FANGITRY NY FIANGONANA, AKANY, TRANOVADIMPIANGONANA, SEKOLY, TANIMBOLY, SNS (IVONY SY MANODIDINA) SY NY SARINY.
  2.  LAZAO NA VITA TITRE @ FJKM NA TSIA ILAY TANY, NY NUMERO TITRE, ANARAN’NY TANY ARY NY HABENY RAHA MISY.
  3. SCANNER-NA NY PLAN RAHA MISY
  4. HALEFASO SMS NA MAILKA ATY AMINAY (FIFA) NY FANGITRA (COORDONNEES) SY IREO VOALAZA AO AMBONY IREO.

Telefonina: 033 14 785 55 na 034 98 198 87

Mailaka : andrianaharijaona@gmail.com na georgialalaniaina@gmail.com

Alakamsy 31 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 27.1-11

Misongadina eto indray fa:

1-Manam-pahefana amin’ny firenena rehetra Andriamanitra: Nasaina nanamboatra zioga ho an’ny mpanjakan’i Edoma sy i Moaba , i Amona,sy i Tyro, ary Sidona i Jeremia . Handalo ao Jerosalema ny masoivohon’ireo ary ampahalalaina azy fa i Jehovah no manome hery ny Babyloniana hanjaka amin’izy ireo ka tokony ho ekeny . « An’i Jehovah tokoa ny tany sy izay rehetra eo aminy » (Sal 24.1).

2-Avy amin’ Andriamanitra ny fahefan’ny mpanjaka :

Ny mampianjera sy mampahatanjaka ny mpanjaka dia fahefan’i Jehovah. Izy no mifidy izay tiany hifehy sy hanongana izay tiany haongana eo amin’ny firenena . Isika kosa efa nandray an’i Jesoa ho Tompo sy mpanjaka hanapaka ny fianantsika , ka meteza hankato Azy hatrany .

3-Mpanolo-tsaina hendry Andriamanitra .

Mahalala ny ho avy izy , ka na dia manahirana ny firenena aza ny hanaiky hofehezin’ny Babyloniana dia manoro hevitra kosa izy fa mahasoa azy ireo izany. Ny fihevitr’i Jehovah tsy fihevitsika ary ny làlany tsy mba làlantsika . Koa raiso ny Fanahiny hanolo-tsaina .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6

Alarobia 30 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 26.11-24

Hita taratra eto  fa :

1-Mahazo antoka ny  fiantsoana azy i Jeremia :

I Jehovah no naniraka ahy .Faharesen-dahatra  izany satria tena ny  sitrapon’ Andriamanitra no ambarany  . Ianao dia mila miteny  tahaka an’i Paoly  hoe : « Fantatro izay inoako » (1 Tim 1.12)

2-Mahalala tsara ny  toetran’ Andriamanitra i Jeremia :

Tezitra Andriamanitra noho ny ditran’i Israely , saingy  mampihevitra ny  olona ny  mpaminany  fa raha miova toetra ireo dia hanenenany  ny loza nampilazainy an’i Jeremia . Tokony handini-tena isika ,fa tsy avy hiantso ny marina i Jesoa ,fa ny mpanota hibebaka (Lio 5.32).

3-Mahazo  famonjena ny ainy avy amin’ Andriamanitra i Jeremia :

Niaro an’i Jeremia i Ahikama mba tsy hanolorana azy hovonoin’ny vahoaka . Fanaon’ Andriamanitra hatrany izany fiarovana ny olony izany , ary manome toky  mandrakariva izy fa miandany  amin’ny olony  rahateo. Nataony tamin’i Jeremia ,ary mbola hainy atao amin’ny Fiangonany hatrany , ary mbola hainy atao amin’ny Fiangonany  hatrany . Itokio ny Rom 8.37/Mat 10.28-31 .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra»Boky faha-6

FMMRVVN/ Rindrankira

Fanasana

Ny Fikambanan’ny Mpitandrina misotro ronono sy ny vadiny ary ny vadin’ny nodimandry (FMMRVVN) dia mikarakara RINDRANKIRA hiarahana aminn’y Tarika MIALY RAKOTOMAMONJY sy ny Groupe NASANDRATRA .Ny fotoana dia ny Alahady 03 Novambra 2019 amin’ny 2.30 tolakandro ao amin’ny FJKM Salema 67 Ha .

Tsy misy vidim-pidirana fa valopy fandraisana anjara no zaraina eo am-baravarana

« Aza mamihina ny soa amin’izay tokony omena azy raha azon’ny tànanao atao ihany  » Oha 3.27

Alahadin’ny SAMPATI 2019.

HAFATRA SY FANOLORANA

Ry havana malala,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompontsika amen.

“Aoka hirehitra ny jironareo” Lio.12,35 ary “Miorena tsara amin’ny finoana” I Pet.5,9a

Misaotra an’Andriamanitra isika SAMPATI FJKM fa nomeny hery namakivakiana ny fotoam-piasana 2015-2019; ary izao isika nahavita ny Zaikabe sy Fihaonam-be ary Lasy Jobily izay niarahantsika nanatanteraka tao amin’ny Synodamparitany Afovoany Atsinanana Vaovao (SP.02). Isaorana araka izany ireo izay nandray antsika tamin’izany Hetsika Nasionaly izany; indrindra koa fa isika rehetra tonga niatrika. Koa indro ampiarahina amin’izao fandaharana iombonana izao ny “Hafatry ny Zaikabe VIII”.

Koa ankehitriny, mba ho fampandrosoantsika hatrany ny SAMPATI FJKM dia indro izahay manao izao hafatra sy fanentanana vitsivitsy izao:

MANANGANA : SORITR’ASA MAZAVA

Tena ilaina ho amin’ny fampandrosoana ny SAMPATI ny fananana Soritr’asa mazava, tsy ho afaka ny handroso isika raha tsy manana asa atao voafaritra tsara : ny mpanao ny asa, ny fe-potoana, refi-panatanterahana, filana ara-bola na fitaovana. Ny VINA na ny TANJONA iombonana dia miainga hatrany avy amin’ny FJKM FOIBE ary izany no miteraka tanjona manokana ao amin’ny SAMPATI, izay  iandrandrana vokatra isan-tokony, ary miteraka asa atao maromaro.

MANANGANA VAOMIERA

Ny fahaizana mandamina tsara hoy Tompo, no entinao miady, ary tsarovy fa ny mpitarika na mpitondra mahay dia mizara andraikitra. Samy manana ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo ny tsiarairay. Misy mantsy ny olona tsy nandalo skoto akory, kanefa vonona ny hirotsaka ho isan’ny SAMPATI, ka te-hanolotra ny fanomezam-pahasoavana ananany dia amin’ireny vaomiera ireny no hisy azy. Toy ireto manaraka ireto : Aim-panahyFanabeazana sy fanofananaFitantanana sy VolaTetik’asa sy hetsikaFitaovanaFifandraisana, ….

MANOKAFA SAHA VAOVAO, MIARA-MANDROSO « Jumelage »

« Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. » (Rom. 15:1). Handroso isika SAMPATI rehefa manana izany toe-tsaina fototra izany. Miteraka asa izany, izay manafoana tanteraka ny fitiavan-tena sy ny fiheveran-tena ho zavatra. Aoka isika SAMPATI rehetra izay efa mahatsapa fa tokony handeha hivoaka hanokatra saha vaovao sy/na hamelona izay mbola malemy hanatanteraka izany ; fa antoka lehibe handrosoantsika miaraka ary haingana izany. Tsarovy fa IRAY ihany isika dia maro aza ao amin’i Kristy (IKor.10, 17)        

MANAOVA TATITRA

Midika FAHAIZANA miasa ny fanaovana tatitra amin’ny tompon’andraikitra na ny ambaratonga mpiahy. Izany rahateo no hamaritana na handrefesana mazava ny fandrosoana, sy hanaovana tomban’ezaka : ireo tokony hanaovana tatitra : ireo asa vita, ny fitantanana ny vola, ny isa (statistika), lazao amin’ny teny fohy ny fandrosoana na izay mety ho tsy fahombiazana, atolory ao koa anefa ny soso-kevitra ho fanatsarana na vahaolana aroso. Manomboka izao dia tsy maintsy dingana na ezaka ny fanaovana TATITRA. Ny SAMPATI Fitandremana manao tatitra amin’ny SAMPATI Synodamparitany ary ny SAMPATI Synodamparitany manao tatitra amin’ny SAMPATI FOIBE. Atao isan-taona izany

FANENTANANA

Mba ho fanohanantsika ny FOIBE SAMPATI dia aza adinoina ny mitondra am-bavaka azy, sy mandefa ny rakitra isam-pitandremana  ary ireo adidy avy amin’ny Synodamparitany.

Dia manao veloma finaritra amin’ny Anaran’ny Tompo Jesoa

Ny Filoha RABEMANANDRATRARIVO Lanto Johnson Mpitandrina FJKM (JABADY Miremby)
Ny Tonia RANDRIAMANANTENA SOLO Jean Jacques Séraphin Jhons Mpitandrina FJKM (FANDRASA Mikalo)

Amin’ny anaran’ny Birao Foibe SAMPATI

FANDAHARANA IOMBONANA

Alahady 17 Novambra 2019.

Alh.XXII man.Trinite – SAMPATI

Lohahevitra: HO AVY AMIN’NY HERINY NY TOMPO

Feon-java-maneno

Hira SAMPATI

Ry havana, malala “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompontsika Amen.

  • Hira: faha 200 Taona SEKOLY FJKM
  • Fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra
  • Sal.105, 1-5
  • Hira: FFPM: 6 “Avia miondreha”
  • Vavaka fiderana sy fisaorana
  • Sitrapon’Andriamanitra

Ry havana malala ,henoy amin’ny fanajana ny teny manambara ny sitrapon’Andriamanitra amintsika. Hoy ny Soratra Masina: « Manjaka mandrakizay amin’ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra.  Koa miverena amin’Andriamanitrao ianao. Tandremo ny famindrampo sy ny rariny. Ary miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva. » (Sal. 66:7 – Hos. 12:7). Amen. Sambatra ny mahitsy lalana, ………………………………. Amen

  • Hira FFPM : 409 : « Ry zaza mpiodina, mba miverena »
  • Fiaiken-keloka

Vavaka fifonana

  • Hira FFPM: 403 “Ry Jesoa Tompo Tsara ô!”
  • Famelan-keloka

« Koa izao no lazain’i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin’ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy. Koa VOAVELA NY HELOKAREO NOHO NY ANARANY MASINA. Amen » (Jer.15:19). Sambatra ny olona izay voavela ny helony….. amen

  • Hira FFPM: 499 « Inona re no hatakaloko »
  • Fanekem-pinoana : lah.3
  • Raharaham-piangonana
  • Rakitra : Hira SAMPATI, Hira Choral, Hira FFPM : 307 : « Iza no hanompo… »
  • Vavaka rakitra
  • Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra 
  • Hira FFPM : 226 « Tompo ô, mba te hihaona »
  • Vavaka vakiteny
  • Vakiteny : Isa.35, 3-10 / Mar.13, 24-27 / Jod.14-15.
  • Hira FFPM : 190 :2 « Ry Jesosy mitenena »
  • Toriteny
  • Vavaka fangatahana : faranana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo
  • Asa vavolombelona
  • Famaranana
  • Hira FFPM : 336 « Ampodio izahay Jehovah »

Tsodrano : « Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesoa Kristy ; Tompontsika. Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. » (1 Tes. 5:23-24)

Ho an’Andrimanitra irery ny voninahitra.  Amen

TORITENY

Isa.35,3-10

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompontsika amen.

Ny Isa.35,3-10 no Soratra Masina handraisantsika ny hafatra amin’ity anio ity. Eto no ampisehoana amintsika ny Hery sy ny fahefana ary ny Asan’Ilay MESIA avy amin’ny taranaky i Davida, ka hisehoany ho Mpamonjy sy ho Mpanavotra ny olony amin’ny fahoriana mafy izay manjo azy ireo. Koa amin’izany Ilay Andriamanitra Tompo sy Mpamonjy dia:

1- MPAMPAHERY NY OLONY (and.3-4)

« Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.  Lazao amin’izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. » (Isaia 35: 3-4). Asan’Andriamanitra feno ny Fampaherezana ny olony ho fanomezan-toky azy manoloana ny fiainam-pahoriana sy ady ataon’ny fahavalony aminy. Tsy sitrak’Andriamanitra na oviana na oviana ny fijaliana sy ny fahorian’ny olony, ary amin’izany dia mandre ny fitarainany Izy « Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko …, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; dia efa nidina Aho izao hamonjy azy … ka hitondra azy hiakatra hiala amin’izany tany izany ho any amin’izay tany soa sy malalaka, dia any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely, … » (Eks 3: 7-8). Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo, Hitan’Andriamanitra io fahoriana sy vesatra ary ady hatrehinao io, tonga eo aminy ny fitarainanao, tahaka izay nanjo ny zanak’Israely raha tany Egypta sy tany Babylona izy ireo. I Jesoa Tompo ry havana dia manao hoe : « Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. » (Mat. 11:28). Koa aza matahotra na manahy ianao fa indro avy amin’ny heriny  ny Tompo, midina hamonjy sy hanafaka anao ary hampahery anao, ka hampahatanjaka anao indray.

2- MAMPANDRESY NY OLONY (and.5-10)

Izay endrika fahalemena sy faharesena manjo ny olony dia RESIN’ANDRIAMANITRA avokoa izany rehetra izany. Ka ataony MPANDRESY ny olony. Ny maso jamba mahiratra, ny sofiny marenina tonga malady (mandre), ny moana hiteny sy hihoby, ny mandringa hatanjaka sy hitsabikina… ; ho feno ny fahamasinana ny olony…. tsy hisy liona na hiakaran’ny biby masika intsony ny taniny … SATRIA Jehovah no momba azy. Hoy ny Soratra Masina  « Hianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hœ: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako: » (Isa. 41:9). I Jesoa ry havana malala ilay Mpampahery antsika ka manome antoka antsika manao hoe : « Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. » (Jao. 10:11) ary « … amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika. » (Rom. 8:37). Noho izany ry havana malala, aza matahotra fa Mpandresy isika satria manana ilay Mpandresy ao anatintsika. Vonona ny hampifaly anao mandrakariva ny Tompo (jereo and.10). Amin’izao Alahady natokana hitondrana ambavaka ny SAMPATI FJKM izao ry havana malala dia mitaona anao ny Tompo mba hivavaka ho amin’ny asa fanabeazana tanterahin’izany SAMPANA izany ; mba hahatonga azy hahery sy ho mpandresy sy ho Hetsi-panabeazana ho fampandrosoana ny fiangonana sy ny firenena tokoa, hamolavola olona ho vavolombelon’i Kristy, ho olom-pirenena vanona ary ho andrin’ny fianakaviana.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany ! Amen

Talata 29 Oktobra 2019 .

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 26.1-11

Tantara niseho tamin’ny andron’i Joiakima nanjaka tao Jerosalema izao (609-598) talohan’i Jesoa Kristy . Nasaina nitondra hafatra tao an-tempoly i Jeremia , ka fantaro ho anao izay mitondra hafatra fa:

1-Ambara tsy misy azo avela ny Tenin’ Andriamanitra (and2).

Tena teny handratra ny fon’olona izao ampitondraina an’i Jeremia izao , satria ny fireneny sy ny fananany mihitsy no holazaina fa ho rava . Tsy maintsy ambara nefa satria mety mba hihaino ihany izy (and3) ka hibebaka . Aza matahotra ny hijoro vavolombelona ary sao mba hahataona fanahy hibebaka ny fahasahianao.

2-Mahatonga fanenjehana ny filazana ny marina (and8-11)

Fisamborana , fanadihadiana , fikasana hamono an’i Jeremia no vokatr’izao fitoriana ataony izao . Efa nampiomana momba izany i Jesoa hoe: »Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako , fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena « (Mar 13.13). Koa aza matahotra fa momba anao ny Tompo amin’izay rehetra hanirahany anao , ary omeny fahefana tahaka an’i Jeremia ianao eo am-panaovana ny asa (Jer 1.10).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

FJKM Andrainarivo Fahasoavana

Notokanana ny tsangambaton’ny faha-150 taona

 Nakotrokotroka ny famaranana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-150 taonan’ny  FJKM Andrainarivo Fahasoavana ,ny Sabotsy 19 Oktobra 2019 no niarahana tamin’ireo vahiny nasaina niaraka tamin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana fa ny Alahady 20 Oktobra fanompoam-pivavahana kosa izay notarihin’Atoa RALAMBOMAHAY Hendrininosy, Mpitandrina eo an-toerana, narahina hetsika toy ny antsan-kira fiderana sy seho-dihy.

Tonga nanotrona ny fotoana ny Mpiandraikitra Foibe izay notarihin’ Andriamatoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina Filohan’ny FJKM, no sady nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Ny teny faneva novelabelarina tamin’izany dia nalaina tao amin’ny 1 Tantara 16:29b. Navoitra tamin’izany fa ny vahoakan’Andriamanitra rehetra no miaraka manome voninahitra an’Andriamanitra fa tsy antokotokon’olona.

Tamin’io Alahady maraina io ihany koa no nitokanana ny takela-bato fahatsiarovana. Ny fanaovana ny gorodona no tsangambato tamin’izany. Tsy nanao fitadiavam-bola be manao ahoana ny fiangonana mba hanatanterahana ny taon-jobily fa nianona tamin’ny ezaka toy ny fanaovana kitapo kely isan-tokantrano. Ny fanaterana izany kosa dia natao ho alahady iray isaky ny faritra. Tamin’ity alahady ity dia ny faritra fahaenina no namarana ny ezaka tamin’ny anjarany, ankoatra izay dia nisy ihany koa ny rakitra fahatelo isaky ny alahady. Taorian’ny fanompoam-pivavahana dia niara-nifaly ny fiangonana.

                                                                                                                      Ra Mahery