Alakamsy 31 Oktobra 2019.
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 27.1-11
Misongadina eto indray fa:
1-Manam-pahefana amin’ny firenena rehetra Andriamanitra: Nasaina nanamboatra zioga ho an’ny mpanjakan’i Edoma sy i Moaba , i Amona,sy i Tyro, ary Sidona i Jeremia . Handalo ao Jerosalema ny masoivohon’ireo ary ampahalalaina azy fa i Jehovah no manome hery ny Babyloniana hanjaka amin’izy ireo ka tokony ho ekeny . « An’i Jehovah tokoa ny tany sy izay rehetra eo aminy » (Sal 24.1).
2-Avy amin’ Andriamanitra ny fahefan’ny mpanjaka :
Ny mampianjera sy mampahatanjaka ny mpanjaka dia fahefan’i Jehovah. Izy no mifidy izay tiany hifehy sy hanongana izay tiany haongana eo amin’ny firenena . Isika kosa efa nandray an’i Jesoa ho Tompo sy mpanjaka hanapaka ny fianantsika , ka meteza hankato Azy hatrany .
3-Mpanolo-tsaina hendry Andriamanitra .
Mahalala ny ho avy izy , ka na dia manahirana ny firenena aza ny hanaiky hofehezin’ny Babyloniana dia manoro hevitra kosa izy fa mahasoa azy ireo izany. Ny fihevitr’i Jehovah tsy fihevitsika ary ny làlany tsy mba làlantsika . Koa raiso ny Fanahiny hanolo-tsaina .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6