Alakamisy 11 Jolay 2019.

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 3.1-18

Mitohy eto ny resaka momba ny Jiosy :

1-Tsy manova ny fahamarinan’ Andriamanitra ny fahadisoan’ny Jiosy (and1-8)

Voalaza ao amin’ny and 3 fa misy tsy ,ahatoky ny Jiosy . Hoy indrindra ny Soratra Masina ao amin’io and 3 io DIEM « Fa ahoana kosa ny amin’izay tsy nahatoky tamin’ireo Jiosy ireo ? Na dia tsy nahatoky nefa aza anefa ny Jiosy dia tsy manova ny fahamarinan’ Andriamanitra izany. Mahatoky hatrany Andriamanitra na dia tsy mahatoky aza ny olona. Hoy ny and 3b-4 DIEM « noho ireny tsy nahatoky ireny ve no hampiova an’ Andriamanitra ho tsy mahatoky ? Sanatria! fa tsy maintsy azo antoka Andriamanitra na dia mpandainga avokoa aza ny olona » .

2-Mitovy ami’ny olona rehetra ihany ny Jiosy na dia manana ny lalàna aza(and 9-18)

Izao no voalaza ao aminn’y and 9 DIEM « Ahoana àry? Mana-tombony amin’ny hafa firenena tokoa ve isika Jiosy? Tsia dia tsia ! Efa voalazako fa samy eo ambany fahefan’ny fahotana avokoa na Jiosy na hafa firenena  » . Mazava io fehezanteny io : mitovy amin’ny olona rehetra ihany ny Jiosy , na dia manana ny lalàna aza. Asehon’ny Soratra masina eto fa fahefana iray mifehy ny olombelona rehetra ny fahotana. Tanisaina eo amin’ny and 10-18 ny antsipirihan’ny fahotana ataon’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV