RENY tratra antitra

100 taona i Neny Razay

(1919 – 2019)

Teraka tamin’ny 27 Aprily 1919, tao Iajaky Ambositra, i Rtoa RAZAIARISOA Edwige antsoina hoe Neny Razay. Zanak’i Rainiavonelina sy Rasoary. Zaza fahatelo amin’ireo 6 mianadahy naterak’izy mivady izy. Nanambady  an’i Dada RABETRANO Joseph (izay efa nodimandry tamin’ny 50 taona lasa) izy. 7 mianadahy ny zanak’izy mivady: 5 lahy sy 2 vavy. 24 ny zafikelin’i Neny Razay ary mahatratra 91 ny taranany ankehitriny, miely patrana eto an-toerana sy any ampitan’ny ranomasina.

Tamin’ny Sabotsy 27 Aprily, tao amin’ny KRYPTON Ambohimalaza no niarahan’ny fianakaviana sy ny tapaka sy namana marobe, nisaotra sy nidera an’Andriamanitra ary niara-nisakafo sy nikorana tamin’izao tsingerin-taona, andro iray toa zato nahaterahan’i Neny Razay izao. “Misaora an’I Jehovah ry fanahiko”, Sal 103.1 sy “Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao ahy, 1Kor 15.10 no teny faneva nofidin’ny fianakaviana tamin’izany. Nanafana ny fotoana tamin’izany koa ny tarika Ramilison Besigara, “mpanao hira gasy”

Ny fahazazan’i Neny Razay

Tao amin’ny Sekoly Benjamin Escande tao Manarintsoa, Ambositra izy no nianatra ary nahazo ny diplaoma C.E.S.D. Kamboty reny mbola kely i Neny  ka ny rainy sy ny anabavin-drainy mivady no nitaiza azy. Nahazo  fitaizana feno sy mirindra tamin’ireo ray aman-dreny izay nanana ny naha izy azy manokana ireo i Neny.

Ny fahatanorany

Nonina sy niasa tao Iajaky Ambositra ry Neny Razay sy Dada Rabetrano vadiny. Mpivady tsy mba niady mihitsy hono ry zareo fa ifanarahana avokoa ny zavatra rehetra. Tao anatin’ny fanambadiany dia indray mandeha ihany izy roa no nifamaly kanefa nanenenany tanteraka izany. Amin’i Neny dia tsy resy akory ny mandefitra ary nananarany an’ireo zanany izany.  Nitazona Hotel-Restaurant izy mivady ary afaka nandray vahiny hatramin’ny 60 isa. Vehivavy be herim-po i Neny satria ankoatra ny fikarakarana ny ankohonany dia izy avokoa no niandraikitra ny asa rehetra na dia teo aza ny mpanampy. Niasa andro aman’alina izy mivady ka niroborobo fatratra ny asany. Anisan’ny noraisiny tao ry Monja Jaona izay naman’i Dada Rabetrano. Tamin’ny fikomiana 1947 dia namahana  an-dry Raseta sy Ravoahangy ary Rabemananjara ry zareo satria mpikambana tao amin’ny M.D.R.M. i Dada. Rehefa babo ny Malagasy dia voatery namahana Senegaly sy  Vazaha frantsay mpampandry tany koa izy.  Be ny sakafo tamin’izany fa ny atody sy ny vomanga no tena tian’i Neny Razay.

Rehefa niakatra taty Antananarivo  ny fianakaviana noho ny “fitadiavana mahavatra maniraka” dia nanorim-ponenana tao Ankazotokana ary mbola ao hatramin’izao. Mpandraharaha ny asan’i  Dada tamin’izany fa i Neny kosa dia renim-pianakaviana tao an-trano nikarakara ny ankohonany.

Rehefa maty i Dada tamin’ny 1959 dia voatery niasa, nanao zaitra an-tsena i Neny Razay ka Ariary 3 no nanjairana lobaka iray. Mafy ny famelomana ireo zanany kanefa tsy mba nitarain-tana-miempaka i Neny fa nanankina ny fiainany sy ny an’ny ankohonany tamin’Andriamanitra izay nanamarina tamin’izy ireo fa miahy ny kamboty sy ny mpitondratena tokoa Izy.

Ny toetran’i Neny Razay

§ Vehivavy tso-piaina sady nahaleo-tena i Neny Razay. Tsy nanaiky ny hizarazarana ny zanany izy na dia teo aza ny fahasahiranana mandra-pahavita ny trano sy tanàna navelan’Itompokolahy Rabetrano vadiny. Rehefa vita ny trano ka nofain’ny Fanjakana hipetrahan’ny Haut fonctionnaire de l’Etat dia nilamina ny fiainan’izy mianakavy, ireo zokiny tamin’ny zanany rahateo efa niasa tamin’izany.

§ Vehivavy be fitiavana sy antra havana i Neny Razay: Satria tsy nisy nonina teto Antananarivo ireo mpiray tampo aminy dia tsy nampaninona azy ny nandray ny zanak’izy ireo nianatra teto an-drenivohitra. Niisa 30 olona ny tao an-trano tamin’ny fotoana sasany ary izy avokoa ny nitaiza, nikolo, ary niantoka ny fandaniana rehetra (sakafo, fitafiana, ekolazy sns…) Nivoaka hanambady ny ankizy v ao niala tao amin’i Neny Razay.

§ Tian’i Neny Razay ny manao sakafo ho an’ny ankohonany. Nangalan’ny ireo ray amandreniny mpampianatra sakafo izy fony zazavavy ka nahafahany nanao ilay Hotel Restaurant. “specialité viande” no mampiavaka azy ary nampitainy tamin’ireo zanany izany.

§ Tia mijery teatra i Neny Razay ka mpankany amin’ny Tranompokonolona Isotry rehefa nofoanana ny fanompoam-pivavahana Alahady hariva.

§ Vehivavy tia mihaingo i Neny Razay. Nanana mpanjaitra lamaody tao Tsaralalana tao izy. Tsy maintsy mirindra ny azy ny akanjo sy poketra, kiraro ary elo. Ny tarehy sy volo koa dia nilamina avokoa. Tao amin’ny Diane-Lutèce-Vogue no fividianany ny kojakoja tamin’izany.

§ Niara-nilalao lôtô sy karatra tamin’ny zanany sy zafikeliny izy.

§ Vehivavy malala-tsaina koa izy, nalalaka tamin’ny fitaizana. Tsy dia nikapoka izy fa niteny malefaka fotsiny, eny na dia nihoatra ny fefy aza ny ankizy. Rehefa aniverseran’ny zafikeliny dia omeny 5000 Fmg izy ireo. Hatramin’izao dia omeny 25 000 Fmg koa ny zanany sy ny vinantony rehefa aniverserany ka mandalo ao aminy.

§ Ny mampiferin’aina an’i Neny Razay indrindra dia ny tsy misy vola any aminy ary tena mankarary azy mihitsy izany satria tia manome sy mizara ary manampy olona izy.

§ Eo amin’ny fiaraha-monina dia tsy mbola nifamaly taman’olona i Neny Razay. Milamina sady tia fihavanana izy. Mamy hoditra teo amin’ny rehetra. Miantso azy “Neny” daholo ny olona; na ny ambony na ny ambany, na ny antitra na ny tanora dia samy manaja azy avokoa. Tsy tia olana .”tsy maka lagy” araka ny fitenin’jatovo izy fa ataony mandeha milamina hatrany ny fiainany . Raha sendra misy tsy tantiny ny ataonao dia iavonany fotsiny ianao, lasa mandeha izy fa tsy mifamaly aminao.

Ny fiainam-panompoan’i Neny Razay

Diakona nandritra ny taona maro i Neny Razay ary efa ela no loholona. Ao amin’ny F.J.K.M. Ambavahadimitafo no maha mpivavaka azy hatrizay ka hatramin’izao. Nisy azy avokoa ny ankamaroan’ny Sampana ao amin’ny Fiangonana: voalohany tamin’izany ny Dorkasy izay efa naha Filoha sy Filoha Mpanampy azy nandritra ny taona maro. Mpikambana feno tao amin’ny Tanora Zokiny, ny Sampana Volana sy Kintana, ny Komitim-pivondronan’ny Tily sy Mpanazava izy.

Anisan’ny Diakona vehivavy voalohany tao Ambavahadimitafo izy ka rehefa misy famangiana marary na fahoriana dia sy maintsy eo foana. Taona maro no niantohany ny voninkazo sy ny savoka fanadiovana ny fiangonana.

Nitaiza ny zanany sy ny zafikeliny tamin’ny finoana an’i Jesoa Kristy i Neny Razay ary nampiditra azy ireo tamin’ny Sampana rehetra tao amin’ny Fiangonana. Fitaizana feno no azon’izy ireo na dia nananontena aza i Neny. Tsy mba tapaka tamin’ny famonjena fivoriam-piangonana izy ary na dia tsy salama aza dia nandeha foana, nikely aina sy nanasoa ny Dorkasy izy ka efa nomen’ny zafikeliny anarana hoe “Neny Razay Dorkasy”

Raha anontaniana ny taranany hoe “ Inona re no nahatrarany izao faha-100 taonany izao “? Ankoatry ny fahasoavan’Andriamanitra dia ireto koa angamba anisan’izany :

  • Tsy dia misakafo be loatra i Neny Razay, tsy mba “tenda an-kanina” mihitsy izy fa tsy maintsy misy hena kosa ny sakafony.
  • Tsy mba tia misakafo an’elanelam-potoana izy
  • Tia misotro “lait au café” isanandro izy
  • Tsy tia sira sady tsy tia siramamy koa izy.

“Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko, fa ny fahasoavan’Andriamanitra no maha toy izao ahy” : izany no hafatra lehibe omen’i Neny ny taranany sy ny Havana aman-tsakaiza rehetra niara-paly tamin’i Neny Razay tamin’izao tsingerin-taona faha 100 nahaterahany izao.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny haja sy ny voninahitra !

RABETRANO Nivo

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV