Hafatry ny Filoha / Aprily 2019.

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Mba hiova ny tantara

Ka ho lasa izay ny ratsy

Fa hanjaka indray ny tsara

Ka isika atsy ho atsy

Hahita tena fitahiana

Noho ny saina miha ambony

Ka mitafy fahasahiana

Tsy ho adalam-bola intsony.

Tsy ho teny fe kabary

Ny fitiavan-tanindrazana

fa tena hita miharihary

avy lavitra dia tazana!

fa ny filazantsara

izay torina dia ho hery

mandravarava izay tsy tsara

nahatonga antsika ho very:

very anaty fahantrana

efa tsy hay lazain’ny vava,

very anaty fahotana

 toa haizim-pito tsy hisava!

Soa fa eo i Kristy

Ka ny herim-paharatsiana

Tsy hahakivy sanatria,

Tsy handresy na oviana!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO Andriamahazosoa AMMI , Mpitandrina Filohan’ny FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV