Hafatry ny Filoha / Nov 2018
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Fa ny filazantsara
No hany lalam-pamonjena
Hahasoa ny firenena.
Fa raha toa i Jesoa no hadino
Sy tadiavina hosoloana
Fikambanana tsy hay,
Mety hirantsana eran-tany
Sy malaza ho mahery,
Ary fantatra ho kalaza
Amin’ny herim-pahalalany;
Ho very isika mianakavy .
Fa raha toa I Jesoa no hadino
Sy tadiavina hosoloana
Fivavahan-kafa indray,
Na toa inona harena
Sy vola be izay mety homeny
Sy hatobany amintsika:
Ho very isika mianakavy.
Raha I Jesoa, hoy aho, no hadino
Ka soloana zavatra hafa
Mody ambara ho volintsaina
Nefa fanompoana sampy,
Izay handrebireby antsika:
Ho very isika mianakavy.
Koa ianao Kristianina,
Tena tia ny firenena,
Mijoroa ianao, sahia
Hanatratra izato vina:
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA
IRAKO Andriamahazosoa AMMI, Mpitandrina
Filohan’ny FJKM