Alarobia 12 Septambra 2018.

Sahia manohitra ny  kolikoly

1 Korintiana 6.9-11

Izay  te-handova  ny  fanjakan’ Andriamanitra 

Tanjon’ny  mpino ny handova ny fanjakan’ Andriamanitra . Manan-jo handova izany isika rehefa:

1-Manaiky handao ny fanao ratsy taloha (and9-11a)

Tanisain’i Paoly eto ireo fanao ratsy mety hanakana ny fandovantsika ny fanjakan’ Andriamanitra . Fanao ratsy  izay mihanaka tokoa ankehitriny ny  ankamaroan’izy ireo . Voalazany eto ny fangalarana sy ny fitiavan-karena izay  mifandray amin’ny fanaovana kolikoly . Ny  fialana amin’ireny fanao ratsy ireny no antoka handovana ny fanjakan’ Andriamanitra . Koa taomina isika hiala amin’ireny  mba hananantsika anjara lova avy amin’ny Ray .

2-Manaiky ny asan’i Jesoa sy ny Fanahy masina (and11b)

Tsy efan’ny saintsika olombelona ny hiala amin’ny ratsy fa vokatry ny  fitiavan’ Andriamanitra  te-hamonjy  antsika izany . Notanterahiny  tamin’ny  alalan’i Jesoa Kristy  izany  ka ny Ra latsaka teo amin’ny hazo fijaliana no nanadiovany sy nanamasinany  ary nanamarinany antsika . Ny Fanahy masina izay nampioeriny ao anatintsika kosa no mitahiry antsika hananana izany  fanadiovana  sy  fahamasinana ary fahamarinana izany . Izay manaiky ny hohavaozin’ Andriamanitra  amin’ny alalan’i Jesoa sy ny asan’ny Fanahy masina no afaka ny handova ny fanjakany .

Fanontaniana:

Inona no mety ho hevitry ny hoe: »fieremana »?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fihinanana KATY sy KOLA ???

Ny Fiangonana manoloana ny fihinanana katy sy kôlà

Izany no lohahevitra noraisin’Atoa TOTO Jean Casimir, mpiomana ho mpitandrina, tamin’ny lahatsoratra famaranana ny fianarana norantoviny tao amin’ny Kolejy Teolojika Ivato. Anisan’ireo Mpitandrina 111 mianadahy navoaka tao Antsahamanitra tamin’ny 29 Jolay 2018 izy ary nirahina hitondra ny Fitandremana Namorona SP Mananjary Pangalana.

Antony vitsivitsy no nisafidianany manokana io lohahevitra io. Voalohany, hita fa mihamaro isan’andro ny olona mitsako katy sy kôlà eto Madagasikara ary na ny kristiana aza dia misy voasarika amin’izany. Faharoa, mahatsapa ho manana adidy lehibe amin’ny mpiara-belona ny tenany manoloana izany toe-javatra izany. Fa indrindra koa, ho fitsinjovana ny hoavin’ireo mpiray tanindrazana mihalatsaka hatrany ao anaty fahantrana (ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy) ka ilàna fanarenana amin’ny alalan’ny fiombonana marina sy masina ao amin’i Jesoa Kristy. Ny tanjona lehibe tiana hotratrarina amin’ity lahatsoratra famaranana ity dia ny hahafantaran’ny olona rehetra fa zavamahadomelina ny katy sy kôlà ary mitera-doza ny fitsakoana azy ka mba handray fanapahan-kevitra hendry eo anatrehan’izany ny tsirairay.

Amin’ny ankapobeny dia mizara telo lehibe ny lahatsoratra. Ny fizarana voalohany dia manasongadina ny maha izy ny Fiangonana sy ny antom-pisiany eto amin’izao tontolo izao. Ny fizarana faharoa kosa milaza ny mombamomba ny katy sy ny kôlà, ny voka-dratsy sy ny loza ateraky ny fitsakoana azy. Ary ny fizarana fahatelo no manazava ny andraikitry ny Fiangonana amin’ny mpiray firenena aminy manoloana izany loza efa mihatra izany. Manana lohahevitra miavaka ity lahatsoratra ity sady mirakitra fahalalana sy hevitra sarobidy, koa tsara raha zaraina amintsika amin’ny gazety laharana manaraka ny andinindinin’ireo fizarana telo lehibe ireo.

Nirina, SF

Fiofanana KATEKISTA FJKM 2018.

    

3 andro niombonana manerana ny Nosy

Ny 29, 30 ary 31 Aogositra 2018 teo no fotoana iombonana nanatanterahana ny fiofanana ireo Katekista rehetra manerana ny Nosy. Synodamparitany vitsivitsy no natambatra ao anatin’ny ivotoeram-piofanana iray ary nifarimbona nampiofana kosa ireo Mpitandrina ao amin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ireo Tale samihafa avy amin’ny Foibe FJKM, ireo Mpampianatra avy amin’ny TPM FJKM, ary ireo Prezidà Synodaly. Fanao isaky ny 2 taona ny fiofanana Katekista FJKM, ka ny fotokevitra tamin’ity dia “Katekista vavolombelon’i Kristy eo amin’ny fanompoana eo anivon’ny Fiangonana”. Anisan’ny hevi-dehibe nampitaina tamin’izany fa ny Katekista dia mpiara-miasa amin’ny Mpitandrina, ary irahina izy ireo hanomana ny fiangonana handray Mpitandrina amin’ny fotoana mahamety izany. Nomena fahefana ihany koa izy ireo hanao ny asa pastoraly sasantsasany tahaka ny fampianarana katekomena, fitantanana Sakramenta, sns…

Ho an’ireo Synodamparitany efatra eto Antananarivo Renivohitra dia ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana no ivotoeram-piofanana ka miisa 569 ny Katekista niatrika fiofanana teny. Ny Synodamparitany telo, Mangoro Moramanga, Alaotra Chrôme, ary Ambatondrazaka Vaovao, kosa dia niombona tao amin’ny ivoterana FJKM Moramanga Fitiavana, izay nahavory Katekista mpiofana miisa 450 raha 215 no noheverina ho tonga, hoy ny Prezidà Synodaly Mangoro Moramanga Atoa MOSATEROA Zafimanambelo, Mpitandrina.

Zava-dehibe ny fanofanana Katekista toy izao hoy ny Filohan’ny FJKM Atoa ANDRIAMAHAZOSOA IRAKO Ammi, Mpitandrina, satria raha ny antontanisa ankapobeny dia 5000 eo ho eo ny Fiangonana ato anivon’ny FJKM raha 1500 eo ho eo monja ny Mpitandrina amperinasa. Izany hoe mila Katekista 3500 eo ho eo ny fiangonana isak’Alahady. Koa irariana indrindra, hoy izy, mba ho Katekista feno fitiavana sy finiavana no hanana ainga vao indray hanatanteraka ny asan’ny Tompo aorian’izao fiofanana izao.

Niry Rakoto/ Santatra  Fahazavana  AFIFAB

Al’ Sampanasa Fikarohana sy Fandalinampinoana (FFP)

ALAHADIN’NY S.FFP

Alahady 23 Septambra 2018.

Sahia manohitra ny  kolikoly 

Fandaharana iombonana

Feonjavamaneno

Hira Faneva 50 Taonan’ny FJKM

Fiarahabana Apostolika

Fiantsoana sy fiderana an’ Andriamanitra 

Isa 12.4-6

Hira 236.1,2,3

Vavaka fiderana

Fanambarana ny sitrapon’ Andriamanitra : Mika 6.8 / Sal 119.1,2

Hira 612.1,2

Fiakenkeloka

Vavaka

Hira 408.5,6

Famelankeloka : Eze 36.25-27 / Sal 32.1-2

Hira FF  15.2

Fanekempinoana lah 3

Raharahampiangonana sy Hafatra

Rakitra sy fanolorana ny Rakitra  .Hira 275.1

Tenin’ Andriamanitra :

Fotoana ho an’ny ankizy sy tanora

Hira 636 .1,2,3

Vavaka Soratra masina

-Amosa5.10-15

-Jao 12.3-8

-1 Tim 6.3-10

Hira 6.3-10

Toriteny

Vavaka fangatahana +Rainay…

Asa vavolombelona 

Famaranana

Hira 346.1,4

Tsodrano 

Hira 348.1,2

Vavaka mangina

Trinite masina

……………………………….

HAFATRA

Ry  Havana,

Ho aminareo  anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika .

Am-pifaliana indray no hanolorana ny fiarahabana ho antsika mpianakavin’ny finoana ato  amin’ny sahan’ny FJKM amin’izao Alahady natokana ho an’ny Sampanasa  Fikarohana sy Fandalinampinoana (FFP) izao.Isaorana Andriamanitra izay anton’ny zavatra rehetra fa afaka niombona tamin’ny fankalazana Azy noho ny faha- 50 Taonan’ny FJKM sy ny faha- 200 Taona nahatongavan’ny Misionera LMS voalohany teto  Madagasikara isika. Ny FFP dia nanana anjara  lehibe tamin’izany  tamin’ny fiarahana namolavola sy nanatontosa ny Synodam-pinoana voalohany natao teo amin’ny sahan’ny FJKM ny 15,16,17,18 Mey 2018 tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana .

Toy ny mahazatra dia misy ny fandaharana iombonana izay nalefa  isam-piangonana ary  mirakitra izao hafatra  vakiana izao .Ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina kosa  dia hisy ny fanompoampivavahana iombonana ny tolakandron’ny Alahady 23 Septambra 2018 ao  amin’ny FJKM Ambohitrarahaba ,izay hitondrana ny fampianarana miompana amin’ny fahamasinan-toetra eo  amin’ny tanora.

Misaotra  antsika  Fiangonana ny amin’ny fiombonana  amin’ny fampiasana ireo Perikopa sy ny boky  vokarin’ny FFP  ary  dia mitaona antsika hitondra amam-bavaka  ny asa tanterahina . Misaotra ny fiangonana izay efa nanome fanomezana manokana sy rakitra  ho an’ny FFP ary mampirisika antsika rehetra amin’ny fiaraha-miasa .

Hoy ny Soratra masina : »Raha  fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny Fiangonana no tadiavo indrindra  » 1 Kor 14.12, izay ambara  ho fampandrosoana ny fiangonana dia ny fampiorenan-pinoana marina. Koa mampahery antsika hazoto amin’ny fandalinam-pinoana izay izay hitarian’ny FFP antsika ary sahia mijoro amin’ny finoana marina ka tsy ho menatra ny ho vavolombeln’ny Tompontsika . Mirary soa ho antsika rehetra  ary  manao  veloman finaritra  amin’ny Anaran’nyTompo.

Ny Birao FFP

Ny Filoha 

RAMAMONJISOA Philibert , Mpitandrina

Ny Tale

RABEMANANTSOA Solofo , Mpitandrina

Talata 11 Septambra 2018.

Sahia manohitra ny  kolikoly

 JOBA 28.12-19

Tovozy ao  amin’ Andriamanitra ny fahendrena 

« Tsy misy zanak’olombelona mahalala ny vIdiny  ary tsy hita eo amin’ny tanin’ny velona izy » (and13b)

Ny fahendrena no ambara  amin’izany . Ao  amin’ Andriamanitra irery ihany  no ahitana fahendrena  fa tsy ety an-tany. Fahendrena hafa  no ananan’ny olona , na dia manana izany aza izy . Izay miombona sy tsara fifandraisana amin’ny Tompo ihany  no manana ny tena fahendrena . Inona moa ny fahendrena? Fahaiza-mikatsaka fiainana izany . Tsy  fiainana ho an’ny tena ihany fa ho an’ny hafa. I Jesoa Kristy  no nampiseho miharihary izany  fikatsaham-piainana  ho an’ny hafa izany , ka Izy irery no hery  sy fahendren’Andriamanitra (1 Kor 1.24).

Izay manam-pahendrena dia hifady ny  kolikoly , satria mamotika ny hafa izany , fa manamarika ny fitiavan-tena ka fanetriben’ny fiaraha-monina. Ny olona te-hanambe vetivety , tsy te- hisasatra no resin-kolikoly . Ny  olona tsy te-hanompo ny hafa  amin’ny andraikitra  omen’ny Tompo azy,fa mila tamby vao mihetsika. Olona te-hotompoina izany , ary tsy nandray fianarana tao amin’i Kristy, Ilay tonga mba hanompo , nefa tsy nitady tamby . Raiso ny fahendrena ary tano , fa tovozin-tsy ritra ao amin’ny Tenin’ Andriamanitra izany, dia ho afaka hiady  amin’ny kolikoly isika mpino kristiana. Aza adinoina fa ny harena azo  amin’ny kolikoly dia mahafatra-po  fa tsy mahavita taona , ary toy ny  manidina entin-drivotra sy toa harena tehirizina an-kitapo loaka(vakio Joba 27.17-19), fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra no maharitra mandfrakizay.

Fanontaniana:

Nahoana indraindray no ireo olona mandà tsy handray  kolikoly indray  no lazain’ny olona fa adala?

Birao Sekoly  Alahady FOIBE FJKM

FFKM / Fanambarana

FIOMBONAN’NY FIANGONANA KRISTIANA ETO MADAGASIKARA (FFKM)

FANAMBARANA

Ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) , manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny , amin’ny famaliana ny antson’i Kristy manangana azy ho Mpaminany eto amin’ny firenena, araka ny nambarany hoe: « Ianareo no fanasin’ny tany……..Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao »(Matio 5:13-14).

1- Mampahery ny vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana amin’ny fiatrehana ireo zava-tsarotra samihafa mifamahofaho eo amin’ny fiainany ankehitriny.Aoka tsy hiraviravy tànana, fa hanankim-po amin’Andriamanitra, Ilay Ray be fitiavana efa niteny hoe : « efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko……efa reko ny fitarainany » (Eks 3.7);

2- Mampirisika ny vahoaka Malagasy handeha hifidy amin’ny fifidianana ho avy, ary hahay mifidy ny olona hametrahana ny fitokisana hitondra ny tany sy ny fanjakana. Mahaiza mifidy mba tsy hanenenana any aoriana, ka ny olona hofidina dia mba ho:

– olona matahotra  an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina

– olona hita fa vonona hanompo ny vahoaka sy ny firenena

– olona efa hita fa afaka hahavita zavatra hanangana ny firenena

– olon’ny fisokafana, hanaiky hiara-miasa amin’ny ankolafin-kery samihafa

– olona mendrika eo amin’ny fitondrantenany sy ny amin’ny fahamarinana.

3- Tena adidintsika Kristiana ny mifidy. Vitao ny adidinao. Manentana ny Kristiana rehetra.Mitafia fahavononana. Sahia mandray andraikitra eo amin’izay manandrify antsika avy, indrindra eo amin’ny fitandroana ny fahamarinana eo amin’ny fifidianana ho avy. Ndao hiombom-peo hiteny hoe : « hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko » ( Est 8.6);

4- Miantso ny Governemanta sy ny CENI mba hanamarina tsara ny lisi-pifidianana , mba hitandro toy ny anakandriamaso ny fitantanana ny fifidianana indrindra ny fanajana ny safidim-bahoaka mba tsy hampisy olana na krizy intsony.

5- Mampahatsiaro anareo mpikambana ao amin’ny HCC ny havesatry ny entana eo an-tsorokareo amin’ny fitandroana ny FAHAMARINANA. Mampahery  anareo tsy ho solafaka mamindra  na ho kenda mitsako.

Dia  homba antsika mianakavy anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra Ray ary ny fiombonana amin’ny Fanahy Masina .

                                  Antananarivo faha 19 Aogositra 2018

 

Amin’ny anaran’ny Filoham-Piangonana 4 mirahalahy:

Monseigneur ANDRIANARIVELO Samoela Jaona, Filohan’ny EEM

Andriamatoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi ,Filohan’ny FJKM

Pastora Dr RAKOTONIRINA David , Filohan’ny FLM

                  Monseigneur Marie Arsène Odon RAZANAKOLONA, Filohan’ny EKAR

 

 

Toriteny : Ady amin’ny kolikoly .

SAHIA MANOHITRA KOLIKOLY 

EKSODOSY 23.1-9

Ny bokin’ny Eksodosy no hangalantsika ny fampianarana amin’izao volana vaovao izao. Ny bokin’ny Eksodosy no lazaina hoe: Filazansaran’ny T.T na ilay boky maneho ny herin’Andriamanitra manafaka ny vahoakany, izay mitondra ny anarana hoe : FIALANA na FANAFAHANA. Koa raha ny toko 23 / 1-9 izay Perikopa ho dinihintsika eto dia manasongadina ireo DIDY sy LALANA samy hafa tokony hiainan’ny fiarahamonin’ny olona afaka izany. Ny fiaraha-monin’ny olona afaka dia :

1-MIJORO HO VAVOLOMBELONA (Toko 1-5)

 Raha mamaky manomboka any amin’ny toko faha-20, ka hatramin’izao toko misy antsika izao isika dia NY DIDY SY LALANA no miverimberina. Midika izany fa raha nafahana tamin’ny fanandevozana ireo vahoaka Isiraely ireo dia misy zavatra tokony hampiavaka azy.

Tsy maintsy maharitra ho olona afaka izy. ka ho velona lavitra ny fanandevozana, ary haharitra ho firenen’ilay Andriamanitra manafaka azy. Ny mijoro vavolombelona tiana ambara eto dia ny andininy dimy voalohany, izay mandidy ireo Isiraely ireo, mba tsy hanao ireo toetra tanisaina eo ireo. Mba hiavaka ny fomba amam-panaon’ny olona afaka ka ho fakatahaka izy amin’izay atao. Ny DIEM dia milaza izao hoe; “ Aza manaiky hotarihin’ny maro hanao ratsy, aza mijoro ho vavolombelona noho ny hena-maso ny maro mitady hamadika ny marina eo amin’ny fitsarana”. Ny fanavotana nataon’ Andriamanitra tamin’ny olony (ny ran’ny zanak’ondry , ny famakiana ny ranomasina mena sy ny dia tany an’efitra)dia zavatra lehibe tokony hijorony vavolombelona fa Andriamanitra maneho ny heriny, eo anatrehan’ny fahavalo. Noho izany, amin’ny maha firenena voafidy azy izany dia nomena didy sy lalàna tokony iainany miavaka amin’ny firenena manodidina azy ny firenena Israely. Ireo didy samy hafa ireo no tsy maintsy arahina , ka hijoroana amin’ny marina amin’izay atao rehetra.

Ry Havana malala, ireo didy ireo dia mila fahasahiana ny mijoro mampihatra azy eo amin’ny fiarahamonina misy antsika, koa ny olona efa afaka tamin’ny fanandevozan’ny tsy fahalalana no sahy maneho ireo amin’izay sehatra misy azy. Ireo rehetra ireo no mitaona ny zanak’- Isiraely hanana toe-panahy mendrika mba tsy ho voataona amin’ny faharatsiana. Mampianatra ny vahoakany “SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY “ MAMIKO NY TENINAO – 04 – hifankatia sy tsy hamaly faty amin’ny fahavalony Andriamanitra raha milaza hoe : “Raha hitanao mania ny ombin’ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany”. Izay ilay didy volamena hoe “Tiava ny fahavalonao” ary “ ary aza mamaly ratsy…”.

 Ny teny fanevantsika ry Havana dia ny hoe : “Koa aza menatra ho vavolombelon’ny Tompontsika”. Noho izany, ny fanajana ireo didy sy lalàna izay efa nomena hatramin’ny nandraisan’Andiamanitra andrakitra ny vahoaka nafahany ihany no tiany hajaina mandraka ankehitriny. Ianao izay efa isany noafahana dia sahia manohitra ny fahalovana misy eto amin’ny firenena sy ny fiarahamonina ary any amin’ny ankohonana misy antsika tsirairay. Jesoa dia manafatra ny kristiana rehetra hoe “Aoka mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo”.

Koa ny olona afaka no mijoro vavolombelona amin’ny fanaovana ny marina eo amin’ny fiaraha-monina misy azy sy mifady ny ratsy izay mifanohitra amin’ny didy efa nomena azy.

Noho izany, manoloana izao faharatsiana misy sy fiainana samy maka ho azy izao no iantsoana antsika kristiana mba hanana fitondran-tena mendrika eny anivon’ny toerana misy antsika, ka mba hijoro vavolombelona amin’ny toe-panahy mendrika ny voninahitr’Andriamanitra izay nanafaka antsika. Ny fiaraha-monin’ny olona afaka ihany koa dia

2-MIJORO HO MARINA AMIN’IZAY ATAO (Toko 6-9)

 Misy karazany roa ny lalàna ao amin’ny T.T dia ny Lalàna mandrara (mampiasa ny hoe “AZA”) sy ny Lalàna mamepetra (mampiasa ny hoe “RAHA”). Ny eto dia ny lalàna mandrara no hita, ka raràna avy hatrany ny zavatra tsy azo atao, izay amerimberenany ny teny hoe “AZA”, mba mijoro ho marina amin’izay atao rehetra ka hisehoan’ny maha olona afaka. Eo amin’ny andininy faha 8 dia mandrara ny vahoakany Andriamanitra mba tsy handray kolikoly; ny kolikoly izay fototry ny tsy fahamasinana ka manimba sy manakorontana ny fiaraha-monina. Koa raràna eto ny vahoakan’Andriamanitra mba tsy ho jamban’ny kolikoly ka hamadika ny marina. Marina Andriamanitra ka mankahala ny endrika tsy fahamarinana rehetra. Ny DIEM dia mazava manao hoe :“Aza mandray tsolotra fa ny tsolotra no mahajamba ny mason’ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ny olomarina”. Ny olona afaka ihany no mijoro marina amin’izay atao ka manalavitra ny ratsy , izay handidina fa tsy azo atao amin’ny fiainana rehetra. Noho izany, miankina aminao izay efa nafahana ny hampianatra ny hafa, fa tsy azo atao ny kolikoly (na ny tsolotra) amin’izay atao rehetra. Eto dia hitan’Andriamanitra amin’ny antsipiriany ny fiainan’ny vahoakany , ka izany no mahatonga Azy mamepetra mafy ireo didy samy hafa ireo, satria mihoatra noho ny didy sy ny lalàna ny tiany handraisany antànana ny fiainan’ny vahoaka efa nofidiny

Ry vahoakan’Andriamanitra efa afaka tamin’ny fitaka, meteza hijoro amin’ny MARINA AMIN’IZAY ATAO REHERA fa izany no nanafahana anao ho fitaovana modely eo amin’ny firenena sy ny sehatra misy anao. Jesoa milaza hoe : “IZAHO avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be” (Jao10/10). Koa manaova ny marina fa izany ihany no hahafahanao mandova ilay fiainana efa nomaniny ho an’ny mijoro amin’ny marina. Tadidio fa fitaka ataon’ny devoly ny kolikoly ka mahatonga anao hiala amin’ny marina, mba hanao ny sitrapony izay mifanohitra amin’ny didy sy lalàna efa nomena anao. Meteza ho olona efa voazaha toetra ka mandà izay ratsy mety mandalo eo anatrehanao. Tazony ny fanekena izay efa nekenao fa hifady ny ratsy rehetra. Koa miantso antsika kristiana , ianao izay tomponandrkitra ao amin’ny fitsaràna : meteza hitana ny fahamarinana sy hanome rariny ny malahelo na ny mahantra rehefa miseho fitsaràna izy. Aza mihaino ny lainga tsara lahatra izay ataon’ny mpanao kolikoly te-hanameloka ny marina.

SAHIA MIJORO MANOHITRA NY KOLIKOLY, MANAOVA NY MARINA, dia hankasitrahan’Andriamanitra ny asa atao amin’ny fahamarinana, satria izany no tanjony raha manome izao didy aman-dalàna samy hafa izao IZY. Noho izany, àry aoka samy handinika isika kristiana izay voakasik’io fanaovana fitsarana mitongilana io sy ny fanaovana kolikoly amin’ny endriny maro samy hafa izay mitondra fahafaham-baraka ny anaran’ANDRIAMANITRA sy ny Voninahiny, izay Masina sady Marina ka tsy mendrika hafangaro amin’ny faharatsiana izay ataon’ny sasany tsy matahotra AZY. Miantso anao Fiangonana ny Tompo ankehitriny :

 SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY ISIKA HO VAVOLOMBELONA MIJORO AMIN’NY MARINA AMIN’IZAY ATAO REHETRA MBA HISEHOAN’NY VONINAHITRA MENDRIKA HO AZY IRERY IHANY MANDRAKIZAY. Amen!

Rakotonaivo Philibert Mpitandrina Mpanampy

FJKM Soamanandrariny Miaradia

Alatsinainy 10 Septambra 2018.

Sahia manohitra ny kolikoly

SALAMO 141 . 1-4

Fitarainana atao amin’ Andriamanitra ho fiarovana ny mpanompon’ Andriamanitra  no hitantsika eto amin’ity salamo ity.

1-Ny Tompo ihany no tsara itarainana ( and 1-6 )

Amin’izay  zava-tsarotra mety mahazo na fakampanahy na fizahan-toetra  mahazo dia ny  Tompo ihany no tsara itarainana , ka vavaka maneho  ny maha- Andriamanitra  mihaino vavaka Azy no atao. Vavaka   fanehoana  ny maha-Andriamanitra mpamindra fo , be fitiavana sady tsy mba manao tsinotsinona  na maharikoriko ny fahoriana manjo antsika  ( Sal 142.143) no aseho eo anatrehan’ny  Tompo ka hanantenana valimbavaka avy Aminy. Azo antoka mantsy  fa ny Tompo mihaino vavaka dia hamaly tokoa araka ny haben’ny indrafony amin’ny mpanompony ( Lioka 18 .7). Aza misalasala mitondra eo  amin’ny Tompo ny fitarainanao ary asehoy Aminy fa matoky Azy ianao.

2-Mangataha  fiarovana amin’ny Tompo

Tena vavaka fakan-tahaka ity  eo anoloan’ izay mety hatao ho fakampanahy mahamay , dia izay ataon’ny hafa  hitarihana  anao hanao  izay tsy  mety , na izay  tsy marina  na izay tsy  rariny . Amin’izany indrindra  ny fiarovana  azo antoka dia ny Tompo : Izy no afaka hiambina ny vava , hiaro ny fo tsy hirona amin’ny ratsy , hiaro ny tena manontolo tsy hiray tsikombakomba  hanao izay tsy mety eo anatrehan’ny Tompo .Eo amin’ny sehatra misy anao , sahia mivavaka  sy mangataka  toy izany , ka tsy ho tsianjery  fotsiny intsony ny hoe : “Aza mitondra anay amin’ny fakampanahy fa manafaha anay  amin’ny ratsy “.

Fanontaniana:

Ahoana ny vavaka tokony ataontsika hiadiana amin’ny kolikoly ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 09 Septambra 2018.

Sahia manohitra ny  kolikoly

Lioka 16.1-8

Mila fahendrena sy fananana saina mahiratra ny fitantanana ara-bola : na ao an-tokantrano ,na eo amin’ny fiangonana na eo anivon’ny asa sy andraikitra samihafa.

1-Mazotoa manofana sy miofana

Nidera ilay  mpitandrina tsy marina i Jesoa , tsy sanatria niombona tamin’ny tsy fahamarinana nananany , fa  noho izy nanan-tsaina(and8). Ary raha izao tontolo izao no havanana sy maranitra amin’ny resaka fitantanam-bola , nahoana ny fiangonana no hanaiky ho faralahiny amin’izany , nefa Andriamanitra mpitantana mahay no momba azy? Izany no ilàna ireny karazam-piofanana samihafa ireny mba hanan-tsaina sy ho marina isika amin’ny fitantanam-bolam-piangonana . Isika kristiana no aoka  ho  modely amin’ny fitantanana marina, madio , tara ary mangarahara any  amin’ny sehatra  misy  antsika any .

2-Sahia manala izay tsy marina

Tsy  maintsy ho avy  ny fotoana farany hampamoahana . Sarin’ny fanjakan’ Andriamanitra rahatrizay izany . Koa  mialoha  izany  dia tsy  maintsy  manapa-kevitra  hanaisotra  ny faka mangidy , sao ho ratsy fiafara . Raha te-hahita  fahombiazana  eo amin’ny fitantanana isika dia mila manao dingana hanala sy handrantsana ireo hita fa tsy  marina sy tsy mahomby . Tsy ho matin-kenamaso na ho  sarotsaronana amin’ny maha-kristiana izany , fa sady tsy ho lavorary  ny asa no mampiditra ny hafa anaty fakampanahy isika raha tsy manala ireny . Aoka ny mpino kristiana tsy hanaiky  ho mpiray  tsikombakomba na ho  mpiray  petsapetsa amin’ny mpanao ratsy .

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fangaraharan’ny fitantanam-bola ao  amin’ny fiangonana misy anao?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM