Toriteny : Ady amin’ny kolikoly .

SAHIA MANOHITRA KOLIKOLY 

EKSODOSY 23.1-9

Ny bokin’ny Eksodosy no hangalantsika ny fampianarana amin’izao volana vaovao izao. Ny bokin’ny Eksodosy no lazaina hoe: Filazansaran’ny T.T na ilay boky maneho ny herin’Andriamanitra manafaka ny vahoakany, izay mitondra ny anarana hoe : FIALANA na FANAFAHANA. Koa raha ny toko 23 / 1-9 izay Perikopa ho dinihintsika eto dia manasongadina ireo DIDY sy LALANA samy hafa tokony hiainan’ny fiarahamonin’ny olona afaka izany. Ny fiaraha-monin’ny olona afaka dia :

1-MIJORO HO VAVOLOMBELONA (Toko 1-5)

 Raha mamaky manomboka any amin’ny toko faha-20, ka hatramin’izao toko misy antsika izao isika dia NY DIDY SY LALANA no miverimberina. Midika izany fa raha nafahana tamin’ny fanandevozana ireo vahoaka Isiraely ireo dia misy zavatra tokony hampiavaka azy.

Tsy maintsy maharitra ho olona afaka izy. ka ho velona lavitra ny fanandevozana, ary haharitra ho firenen’ilay Andriamanitra manafaka azy. Ny mijoro vavolombelona tiana ambara eto dia ny andininy dimy voalohany, izay mandidy ireo Isiraely ireo, mba tsy hanao ireo toetra tanisaina eo ireo. Mba hiavaka ny fomba amam-panaon’ny olona afaka ka ho fakatahaka izy amin’izay atao. Ny DIEM dia milaza izao hoe; “ Aza manaiky hotarihin’ny maro hanao ratsy, aza mijoro ho vavolombelona noho ny hena-maso ny maro mitady hamadika ny marina eo amin’ny fitsarana”. Ny fanavotana nataon’ Andriamanitra tamin’ny olony (ny ran’ny zanak’ondry , ny famakiana ny ranomasina mena sy ny dia tany an’efitra)dia zavatra lehibe tokony hijorony vavolombelona fa Andriamanitra maneho ny heriny, eo anatrehan’ny fahavalo. Noho izany, amin’ny maha firenena voafidy azy izany dia nomena didy sy lalàna tokony iainany miavaka amin’ny firenena manodidina azy ny firenena Israely. Ireo didy samy hafa ireo no tsy maintsy arahina , ka hijoroana amin’ny marina amin’izay atao rehetra.

Ry Havana malala, ireo didy ireo dia mila fahasahiana ny mijoro mampihatra azy eo amin’ny fiarahamonina misy antsika, koa ny olona efa afaka tamin’ny fanandevozan’ny tsy fahalalana no sahy maneho ireo amin’izay sehatra misy azy. Ireo rehetra ireo no mitaona ny zanak’- Isiraely hanana toe-panahy mendrika mba tsy ho voataona amin’ny faharatsiana. Mampianatra ny vahoakany “SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY “ MAMIKO NY TENINAO – 04 – hifankatia sy tsy hamaly faty amin’ny fahavalony Andriamanitra raha milaza hoe : “Raha hitanao mania ny ombin’ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany”. Izay ilay didy volamena hoe “Tiava ny fahavalonao” ary “ ary aza mamaly ratsy…”.

 Ny teny fanevantsika ry Havana dia ny hoe : “Koa aza menatra ho vavolombelon’ny Tompontsika”. Noho izany, ny fanajana ireo didy sy lalàna izay efa nomena hatramin’ny nandraisan’Andiamanitra andrakitra ny vahoaka nafahany ihany no tiany hajaina mandraka ankehitriny. Ianao izay efa isany noafahana dia sahia manohitra ny fahalovana misy eto amin’ny firenena sy ny fiarahamonina ary any amin’ny ankohonana misy antsika tsirairay. Jesoa dia manafatra ny kristiana rehetra hoe “Aoka mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo”.

Koa ny olona afaka no mijoro vavolombelona amin’ny fanaovana ny marina eo amin’ny fiaraha-monina misy azy sy mifady ny ratsy izay mifanohitra amin’ny didy efa nomena azy.

Noho izany, manoloana izao faharatsiana misy sy fiainana samy maka ho azy izao no iantsoana antsika kristiana mba hanana fitondran-tena mendrika eny anivon’ny toerana misy antsika, ka mba hijoro vavolombelona amin’ny toe-panahy mendrika ny voninahitr’Andriamanitra izay nanafaka antsika. Ny fiaraha-monin’ny olona afaka ihany koa dia

2-MIJORO HO MARINA AMIN’IZAY ATAO (Toko 6-9)

 Misy karazany roa ny lalàna ao amin’ny T.T dia ny Lalàna mandrara (mampiasa ny hoe “AZA”) sy ny Lalàna mamepetra (mampiasa ny hoe “RAHA”). Ny eto dia ny lalàna mandrara no hita, ka raràna avy hatrany ny zavatra tsy azo atao, izay amerimberenany ny teny hoe “AZA”, mba mijoro ho marina amin’izay atao rehetra ka hisehoan’ny maha olona afaka. Eo amin’ny andininy faha 8 dia mandrara ny vahoakany Andriamanitra mba tsy handray kolikoly; ny kolikoly izay fototry ny tsy fahamasinana ka manimba sy manakorontana ny fiaraha-monina. Koa raràna eto ny vahoakan’Andriamanitra mba tsy ho jamban’ny kolikoly ka hamadika ny marina. Marina Andriamanitra ka mankahala ny endrika tsy fahamarinana rehetra. Ny DIEM dia mazava manao hoe :“Aza mandray tsolotra fa ny tsolotra no mahajamba ny mason’ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ny olomarina”. Ny olona afaka ihany no mijoro marina amin’izay atao ka manalavitra ny ratsy , izay handidina fa tsy azo atao amin’ny fiainana rehetra. Noho izany, miankina aminao izay efa nafahana ny hampianatra ny hafa, fa tsy azo atao ny kolikoly (na ny tsolotra) amin’izay atao rehetra. Eto dia hitan’Andriamanitra amin’ny antsipiriany ny fiainan’ny vahoakany , ka izany no mahatonga Azy mamepetra mafy ireo didy samy hafa ireo, satria mihoatra noho ny didy sy ny lalàna ny tiany handraisany antànana ny fiainan’ny vahoaka efa nofidiny

Ry vahoakan’Andriamanitra efa afaka tamin’ny fitaka, meteza hijoro amin’ny MARINA AMIN’IZAY ATAO REHERA fa izany no nanafahana anao ho fitaovana modely eo amin’ny firenena sy ny sehatra misy anao. Jesoa milaza hoe : “IZAHO avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be” (Jao10/10). Koa manaova ny marina fa izany ihany no hahafahanao mandova ilay fiainana efa nomaniny ho an’ny mijoro amin’ny marina. Tadidio fa fitaka ataon’ny devoly ny kolikoly ka mahatonga anao hiala amin’ny marina, mba hanao ny sitrapony izay mifanohitra amin’ny didy sy lalàna efa nomena anao. Meteza ho olona efa voazaha toetra ka mandà izay ratsy mety mandalo eo anatrehanao. Tazony ny fanekena izay efa nekenao fa hifady ny ratsy rehetra. Koa miantso antsika kristiana , ianao izay tomponandrkitra ao amin’ny fitsaràna : meteza hitana ny fahamarinana sy hanome rariny ny malahelo na ny mahantra rehefa miseho fitsaràna izy. Aza mihaino ny lainga tsara lahatra izay ataon’ny mpanao kolikoly te-hanameloka ny marina.

SAHIA MIJORO MANOHITRA NY KOLIKOLY, MANAOVA NY MARINA, dia hankasitrahan’Andriamanitra ny asa atao amin’ny fahamarinana, satria izany no tanjony raha manome izao didy aman-dalàna samy hafa izao IZY. Noho izany, àry aoka samy handinika isika kristiana izay voakasik’io fanaovana fitsarana mitongilana io sy ny fanaovana kolikoly amin’ny endriny maro samy hafa izay mitondra fahafaham-baraka ny anaran’ANDRIAMANITRA sy ny Voninahiny, izay Masina sady Marina ka tsy mendrika hafangaro amin’ny faharatsiana izay ataon’ny sasany tsy matahotra AZY. Miantso anao Fiangonana ny Tompo ankehitriny :

 SAHIA MANOHITRA NY KOLIKOLY ISIKA HO VAVOLOMBELONA MIJORO AMIN’NY MARINA AMIN’IZAY ATAO REHETRA MBA HISEHOAN’NY VONINAHITRA MENDRIKA HO AZY IRERY IHANY MANDRAKIZAY. Amen!

Rakotonaivo Philibert Mpitandrina Mpanampy

FJKM Soamanandrariny Miaradia

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV